KolontsainaSongadim-baovao
EGLIZY KATOLIKA AMBODIFOTATRA : Hikaroham-bahaolana ny fanafainganana ny fampidirana azy ho Harembakoka manerantany
Ny volana marsa 2022 no nahazo ny « Valeur universelle exceptionnelle » ny Fiangonana Katolika Ambodifotatra ao Sainte Marie. Ity farany izay anaovan’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ezaka amin’ny fampidirana azy ho Harembakoka manerantany eo anivon’ny Unesco. Efa maro ny dingana natao mba hahatrarana izany tanjona izany. Hatreto anefa, tsapa ho mihisatra izany. Nitondra fanazavana momba izany tranga izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, omaly, nandritra ny fihaonana avo lenta momba ny fanatanterahana ny fifanarahana 1972 momba ny fiarovana ireo harembakoka ara-kolontsaina sy voajanahary manerantany.
Isan’ireo niadian-kevitra nandritra ny fihaonana indrindra ny momba ny fitarazohan’ny fanoratana ny Eglizy Katolika Ambodifotatra ho isan’ny Harembakoka manerantany io. Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa misy lafin-javatra maro tsy maintsy dinihina rehefa hanoratra toerana iray ho isan’izany harembakoka manerantany izany. Isan’izany ny fijerena ny lafiny teknika, ny ara-tantara, ny endriky ny trano, ny tontolo manodidina izay ataon’ireo manampahaizana avy amin’ny Unesco. Milaza ho tsy afaka hatrany anefa ireo manam-pahaizan’ny Unesco ireo ka mampitarazoka ny firosoana amin’ny dingana. Izany indrindra ho maha zava-dehibe ny dinika niarahana tamin’ny Unesco omaly, hoy ny Minisitra, mba hamahana ny olana.
Olana iraisan’ny firenena afrikanina
Nivoitra nandritra ny fihaonana omaly fa olana iraisan’ny firenena afrikanina rehetra mihitsy io fahavitsian’ny fananana harembakoka manerantany io. Araka ny tarehimarika dia 9% monja amin’ny harembakoka manerantany no aty Afrika. Izany hoe, ny 91% dia any amin’ny firenen-kafa avokoa, indrindra any Eoropa. “Olana efa hatramin’ny 1994 io no tsapan’ny Unesco. Rehefa nojerena ny zava-misy, 29 taona aty aoriana mbola mlitovy ihany ny fanontaniana. Misy zavatra mila miova, tsy aty amintsika ihany fa manerantany mihitsy. Tanjona ny mba hisian’ny fifandanjana eo amin’ny firenen-drehetra manerantany amin’ny fananana Harembakoka”, hoy ny fanazavana.
Marihina fa ho tohin’ny fifanakalozana omaly dia hisy ny fivoriana teknika iarahan’ny Unesco sy ny avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina amin’ity anio ity, mba hijerena tsirairay ireo tolo-kevitra nataon’ireo manampahaizan’ny Unesco izay tonga teto Madagasikara nijery ny Eglizy Katolika Ambodifotatra, ny volana jolay teo.



