Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

LANONAM-PANOKAFANA NY LALAON’NY NOSY: Seho niavaka, nanamafy ny firaisan-kinan’ny Malagasy

Afaka mirehareha i Madagasikara fa nahavita nanatanteraka lanonam-panokafana Lalaon’ny Nosy niavaka sy seho tsy fahita teto amintsika hatramin’izay. Olona maro, araka izany, no nilaza fa afa-po tamin’ny fanatrehana iny lanonana omaly hariva iny. Isan’ireo naneho ny heviny mahakasika izany ihany koa ireo atleta avy amin’ny Nosy rahavavy.

16 taona aty aoriana! Tontosa teo Mahamasina omaly indray ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-11 amin’ny Lalaon’ny Nosy, raha toa ka tamin’ny taona 2007 no nandray farany izany lanonana izany io kianja io. Lalaon’ny Nosy fahatelo tanterahina eto Madagasikara, araka izany, io natomboka omaly io, taorian’ny fampiantranoantsika izany tamin’ny taona 1990 sy 2007.
Niavaka, tsy fahitata teto Madagasikara, nahafahana namelona indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana tamin’ny alalan’ireo seho nanandratra ny maha malagasy, nandrehitra ny afon’ny firaisan-kina… ireo amin’ny ankapobeny no azo hamintinana io lanonam-panokafana omaly io. Tonga maro nanome voninahitra io fotoana io, noho izany, ny vahoakan’Antananarivo.

“Nahafinaritra”. izay avokoa no fanehoan-kevitr’ireo olona sendra anay avy nanatrika ny lanonam-panokafana ny Lalaon’ny Nosy. Ankohonana, izany hoe ray aman-dreny sy zanaka, ny ankamaroan’izy ireo ka nambaran’i Onja sy Rado, ohatra, fa zava-dehibe ho an’ireo zanany ny manatrika ny lanonana tahaka ireny. “Tsy isan’andro no mahita an’izao. Mba tianay hahita zavatra vaovao ihany koa, sady fampianarana azy ireo dia tsy maintsy entina”, hoy ny fanazavan’izy ireo. Ho an’i Andry Samuel izay raim-pianakaviana iray ihany koa dia nanambara fa sambany ho azy mianakavy ny fahafahana manatrika lanonam-panokafana tahaka izao ka izay no antony tsy maintsy itondrany ireo zanany miandahy. Niraisan’ireo mpanatrika rehetra moa ny hoe ny seho tamin’ny alalan’ireo jiro maroloko, lazer, ary “drones”, no tena nandravaka ny hetsika. Miampy ny dihy mirindra tsara homana.

06 ora latsaka fahefany hariva, nigadona tao amin’ny Kianjan’ny Barea ny Filohampirenena mivady. Nanomboka, araka izany, ny lanonam-panokafana ny andiany faha-11 amin’ny Lalaon’ny Nosy. Ny fampisehoana talenta nataon’ireo mpitso mozikan’ny Tafika no nanombohana izany. Narahin’ny fampirantiana ny saina Malagasy sy ny hika maredon’ny “Ry Tanindrazanana malala ô”. Nirosoana indray taorian’ireo ny diabe nataon’ireo atleta isaky ny Nosy. Niditra ny kianja voalohany ry zareo avy atsy amin’ny Nosy La Réunion izay nahitana delegasiona maro. Nanaraka ny avy atsy amin’ny Nosy Maurice, Comores, Maldives, Mayotte, ary Seychelle. Namarina ny diabe kosa ireo atleta avy eto an-tanindrazana izay noraisin’ny vahoaka tao anatin’ny horakoraka sy haravoana. Tamin’izany no nahatsapana ny firaisan-kinan’ny Malagasy, vonona hanohana hatrany ny an’ny tenany.

08 ora latsaka fahatelo alina, nidedaka teny amin’ny tendron’ny Kianjan’ny Barea ny afo tsy matin’ny Lalaon’ny Nosy rehefa avy namakivaky ny kianja. I Eric Herman, atleta sangany ao amin’ny  taranja fibatana fonjamby no nandrehitra izany.
Isan’ny nanamarika io lanonana omaly hariva io ihany koa moa ny fihanihanan’ny solotenan’ireo atleta sy mpitsara lalao. Izany dia fepetra iray mba ahafahan’ny lalao mizotra antsakany sy andavany, ary ao anatin’ny filaminana. Ny fihaninana ihany koa no natao dia mba hanjakan’ny toe-tsaina mpanao fanatanjahantena na “fair-play”.

Feon’ireo atleta

-Rakotoandriniaina, kapitenin’ny ekipa malagasin’ny volleyball

“Mahoraka be. Mahafinaritra ny fitiavan’ny Malagasy manohana ny atleta… Samy manana ny hanitra ho azy ny ekipa rehetra. Isika eto an-toerana manatombo amin’ny fisian’ny mponohana satria anisan’ny mampavitrika ny atleta ny fanohanan’ny vahoaka ny ekipa”.

-Soalili Molida, mpitsara amin’ny taranja fibatana fonjamby avy any Comores

“Nosy mahasarika tokoa raha i Madagasikara. Amin’ny alalan’ireo kolontsaina hitako eto izao dia tena miteny aho fa kanto tokoa ity Nosy ity. Mahafapo ny fandaminana rehetra amin’ny fandraisana amin’ny ankapobeny saingy eo amin’ny fitohanana eny an-dalambe no olana kely matetika. Fitohanana hita rehefa mivezivezy mankany amin’ny toeram-pisakafoana, na toeram-panazaran-tena”.

-Nice Lauce, atleta handball avy atsy La Réunion

“Tsy mitovy ny any La Réunion. Voalohany ho ahy ny mandray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy fa hita tena hoe mahafinaritra ary mahaliana tokoa izany. Ireo vahoaka mpanatrika ihany koa tena mahafinaritra. Tsy ato amin’ny kianja ihany fa na hatreny an-dalana izy ireo dia manohana hatrany”.

Sarobidy Sidonie.

Fermer