KolontsainaSongadim-baovao
FIVAHINIANANA ETO MADAGASIKARA : Nitsidika ny “Rovan’i Madagasikara” ny Filoha maorisianina
Tonga nitsidika ny Rovan’i Madagasikara ny Sabotsy 26 Aogositra teo ny Filohan’ny Repoblikan’ny nosy Maorisy Andriamatoa Prithvirajsing Roopun sy Ramatoa vadiny. Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy no nandray azy mivady sy nitarika azy ireo sy ny delegasiona nanaraka azy. Liana tokoa ary naneho ny hafaliany sy fahafaham-pony tanteraka ny Filoha maorisianina satria nilaza fa nahazo fahalalana sy zavatra maro momba ny tantaran’i Madagasikara, araka ny tatitra. Nambaran’ny Filoha maorisianina fa tsy afaka ny hahalala an’i Madagasikara mihitsy raha tsy fantatra aloha ny tantarany sy ny lasany. Tsara ho fantatra fa firenena manana tantara maro iombonana amin’i Madagasikara ny nosy Maorisy.
Nanambara ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa tafiditra anatin’ireo toerana mahaliana izay ampoizina fa ho maro mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara mandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Ary hita fa tena maro dia maro ny mpizahatany teratany sy vahiny tonga mitsidika ary tena liana avokoa, araka ny tatitra hatrany. Notsindrian’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa voninahitra lehibe ho antsika ny fanomezan’ny vahiny lanja ny toerana mana-tantara tahaka ny Rovan’i Madagasikara. Ity farany izay vao nanaovan’ny Minisitera tomponandraikitra asa fanarenana, ary nisokatra ho azon’ny daholobe tsidihana nanomboka ny volana jona tamin’ity taona ity.
Mandritra izao lalaon’ny Nosy izao, noho izany, dia tombanana ho mbola maro ireo vahiny hihazo ny Rovan’i Madagasikara. Ary miankina amin’ny fandaharam-potoan’ireo Filoham-pirenena hafa eto an-toerana kosa ny fitsidihany ny Rova na tsia.




