PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA TAO MANDOTO: “Tsy misy maharesy antsika raha miray hina isika”
Tafiditra tao anatin’ny dian’ny Filoha tao amin’ny Faritra Vakinankaratra omaly ny fitokanana ny “Parc botanique” nampitondraina ny anarana Madagasikarantsika. Tao anatin’ny lahateniny no nanambarany fa taonan’ny fifaninanana ity 2023 ity, ka zava-dehibe ny firaisankina mba hahazoana fandresena.
Nanambara ny maha zava-dehibe ny firaisan-kina ny Filoha Andry Rajoelina omaly tao Mandoto. Nolazaina fa “rehefa miray hina isika dia tsy misy mahatohitra antsika na ny fahavalo rehetra, na ny mpifaninana rehetra”. Taonan’ny fifaninanana ity 2023 ity, hoy ny Filoha, ary taona hahazoana fandresena. Manaporofo izany ny efa fahombiazan’ireo atleta malagasy mandritra ny lalaon’ny Nosy ankehitriny. Mitarika vonjimaika amin’ny fahazoana medaly volamena i Madagasikara, ary ny lohahevitry ny Lalaon’ny Nosy rahateo dia hoe “Fandresena ao anaty firaisankina”. “Rehefa miray hina isika tsy misy maharesy antsika. Na nosy iza io na nosy iza. Na mpifaninana inona io na mpifaninana iza”, hoy hatrany ny fanambaran’ny Filoha Rajoelina. Nohamafisiny, noho izany, fa tsy maintsy mandresy rehefa miaraka amin’ny Filoha Rajoelina.
Mahakasika ny fahombiazan’ireo atleta, dia nilaza ny Filoha fa “tsy afaka lazaina am-bava fotsiny ny fitiavana azy ireo fa fantatr’ireo mpanao fanatanjahantena tsara fa ato am-poko izy ireo ary nampiako izy ireo”. Fotoana izay nitanisany ireo taranja nahazoantsika medaly volamena, dia ny judo, halterophilie, tennis de table, natation ary mbola miandry medaly volamena maro be isika amin’ny taranja hafa. “Tsy maintsy mandresy isika rehefa miray hina”, hoy hatrany fanambarana.
Olon’ny fitiavana…
Mahakasika izay resaka fifaninanana izay hatrany, nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy hisy olona manana fankahalana handresy ny olona manam-pitiavana raha mbola tany foana ny tany. “Ny hafa manenjika anao fa isika miasa ho anao. Ny hafa mamingana anao fa ny antsika mitsangana dia manarina ny firenena sy manangana zava-baovao”, hoy Andry Rajoelina.
Toy ny fanaony tao anatin’ireo fitsidiham-paritra maromaro nataony, dia nisy ny fampitaovana Moto ho an’ireo Ben’ny tanàna avy an-toerana. Vahoaka maro hatrany moa no tonga manotrona ny Filoha Rajoelina tamin’ireo hetsika natao tany amin’ny Faritra Vakinankaratra. Tany an-toerana ihany koa ny Minisitra Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra, Lalatiana Rakotondrazafy.
Ny Fanoratana.




