PolitikaSongadim-baovao
TIKO ANDRANOMANELATRA: Nakatona noho ny tsy fanarahan-dalàna
Ny 27 Aogositra teo no fe-potoana farany nomen’ny teo anivon’ny Sampandraharahan’ny hetra ny orinasa Tiko AAA Andranomanelatra, hanitsiana ireo karazana tsy fanarahan-dalàna misy amin’ny lafiny hetra, misy ao amin’ity orinasa ity. Toy ireo orinasa AAA tany amin’ny toeran-kafa, antony nanakatonana ity orinasa ity ny tsy fananana kara-ketra na “carte fiscale” tsy maty paikandro. Ankoatra izay, araka ny voalazan’ny andininy faha 20.05.03, andalana fahefatra, ao amin’ny lalàna ankapoben’ny Hetra, tokony hanao “déclaration d’existence” any amin’ny Ivon-ketra misy ny toeram-pitrandrahana, ny orinasa manana birao ivelan’io toeram-piasana io. Tsy voahajan’ny orinasa AAA anefa izany, ka nahatonga ny tompon’andraikitra niroso tamin’ny fanakatonana ny toerana. Ary farany, nisy koa ny tsy fanajana ireo adidy ara-ketra rehetra tokony aloan’ity orinasa ity. Feno tanteraka, noho izany, ny fepetra hahafahana manakatona azy. Voaporofo, araka izany, fa tsy misy hidiran’ny resaka politika ity raharaha fanakatonana ny Orinasa AAA ity. Fampiharana ny lalàna velona izay misy eto amin’ny tany sy ny Firenena no atao, mba tsy hisy intsony olona ho ambony lalàna.




