Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

TAMBIN-KASASARANA – LALAON’NY NOSY 2023 : 5 Tapitrisa Ariary avy ho an’ireo atleta nahazo medaly volamena

Nahatanteraka ny teny nomeny ny Filoha Rajoelina. Tontosa omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanomezana ireo tambin-kasasarana na  “prime” ho an’ireo atleta nandromboka medaly tamin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teo, izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Vola mitentina 5 tapitrisa ariary no azon’ireo nahazo medaly volamena, 3 tapitrisa ariary kosa ho an’ny medaly volafotsy, ary 2 tapitrisa ariary ho an’ny medaly alimo.

Na ny Solontenan’ireo federasiona, na ny solontenan’ireo atleta malagasy dia samy nanasongadina ny maha zava-dehibe ny tohana sy ny fanampiana avy tamin’ny Fitondram-panjakana tao anatin’ny fiatrehana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 natao teto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. Notsindrian’i Muriel, kapitenin’ny Ankoay, ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja basikety, fa raha tsy teo ny Filoha Rajoelina dia tsy nisy ny lalaon’ny Nosy, ary tsy nisy ihany koa ny vokatra izay azo ankehitriny. Mbola nanamafy io fisaorana sy ny fankasitrahana ny Filoham-pirenena io ihany koa ny Filohan’ny federasion’ny fibatana fonjamby tamin’ny fahatrarantsika ny fanamby.

Ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina kosa, tetsy ankilany, dia nidera ny ezaka rehetra nataon’ireo atleta tsirairay avy nahafahan’i Madagasikara nahazo ny laharana voalohany aty amin’ny Ranomasimbe indianina tamin’ny lalaon’ny Nosy. “Atleta mamiratra, miavaka, nandresy ary mpandresy ianareo”, hoy ny Filoha tamin’ireo atleta. Maro zava-bita tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny Lalaon’ny Nosy no montsan’ny atleta malagasy nandritra iny andiany natao teto amintsika iny,  raha tsy hilaza afatsy ny fandrombahana medaly volamena miisa 121, izay voalohany teo amin’ny tantara. Eo anatrehan’izany, araka ny fanamby efa nambaran’ny Filoha nandritra ny fitsofan-drano ireo atleta nialohan’ny niatrehana ny lalaon’ny nosy, dia nisy tambin-kasasarana na “prime” nomena ireo atleta mahazo medaly. Tsy niandry ela, araka izany, fa omaly ihany dia efa niroso tamin’ny fizarana izany ny Filoha Rajoelina. Ka nisitraka 5 Tapitrisa Ariary avy ireo nahazo medaly volamena, 3 Tapitrisa Ariary kosa ho an’ireo medaly volafotsy, raha toa ka 2 tapitrisa ariary ho an’ireo medaly alimo. Raha tsiahivina, nitentina 3 tapitrisa ariary no azon’ireo nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny taona 2019, lalaon’ny nosy andiany faha-10.

Sata manokana

Nandritra ny lanonana ofisialy natao teny Iavoloha omaly no nanaovan’i Muriel, solontenan’ireo atleta, fangatahana ny hanomezana sata manokana ireo atleta matihanina, izay manao ny ezaka rehetra hiarovana ny voninahi-pirenena. Betsaka, hoy izy, ireo atleta matihanina no mbola sady manenjika asa hafa nefa mandray anjara amin’ny fifaninanana lehibe. Tsy niandry ela fa omaly dia novalian’ny Filoha Rajoelina izany, ka nambarany fa hojerena ny hahafahana mametraka io sata manokana io ho an’ny atleta matihanina, mba ho afaka handray karama dia hivelona amin’ny taranja hiseharany izy ireo.

Omaly ihany koa no nanambaran’ny Filoha fa ho atolotra ny federasion’ny atletisma ny kianjan’Alarobia izay efa vita fanavaozana, mba hahafahan’ireo atleta manao fanazarantena sy manamafy ny fahaiza-manao amin’izany taranja izany.

Fermer