PolitikaSongadim-baovao

LALANA MIFEHY NY SERASERA: Afa-po ny Minisitera tamin’ny fanapahan-kevitry ny HCC

“Tena afa-po”. Io no tenin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, omaly, raha naneho hevitra mahakasika ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, momba ny Lalàna mifehy ny Serasera. Nambarany fa anisany niadian’ny minisitera mafy, teo anatrehan’ireo parlemantera ny mahakasika ny andininy faha-19 ao amin’ity lalàna ity, izay mametra ny fahafaha-mamoaka vaovao avy tamin’ny fivoriana mikato-trano. Nanao izay ho afany ny minisitera teo anatrehan’ny solombavambahoaka sy ny Loholona, ny mba hanesorana io andinin-dalàna io. Niaraha-nahita anefa fa tsy naharesy lahatra ireo parlemantera izany ka lany niaraka tamin’io andininy faha-19 io ihany ny lalàna. Afak’omaly, namoaka ny fanapahan-keviny ny HCC ary nanamafy fa tokony hoesorina ao anatin’ny lalàna io andininy io, mba hahafeno ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ity rafi-pitsarana ity izay nanipika mazava fa tsy misy fivoriana tokony hatao  mikato-trano, raha tsy misy tena antony manokana. “Marina fa nisy fanamarihana sy ny fanitsiana vitsivitsy nataon’ny HCC, saingy tsy nanova ny tena votoatin’ny lalàna izany”, hoy Andriatongarivo Lalatiana, omaly. Izany hoe, teo amin’ny endriky ny fehezanteny no nasiam-panintsiana. Nisy koa ireo andininy nitondran’ny HCC fanamafisana bebe kokoa, mba tena hifanojo amin’ny Lalampanorenana. “Fandresena ho an’ny asa fanaovan-gazety iny fanapahan-kevitra iny.”, hoy ny fanazavany. Fanapahan-kevitra izay nifanojo indrindra tamin’ny fivoahan’ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana.

Fermer