PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA AMIN’NY 09 NOVAMBRA: Manao sesilany fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana
Tsy araka ny resabe niniana naely tany aloha fa dia mbola manao tohivakana ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Filohan’ny Repoblika etsy amin’ny Biraon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) Ambohidahy ankehitriny. Raha ny hita dia tsy sakana ho an’ireo olona manam-pikasana hitondra ny firenena mihitsy ny nandoa ilay 200 Tapitrisa Ariary anto-bola izay novoizin’ny sasany fa fanakanana ny kandida hafa tsy handray anjara. Hatramin’ny omaly alatsinainy 04 septambra dia tafakatra 14 ireo kandidà filoham-pirenena nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidina teny an-toerana. Miisa 09 ny lehilahy raha 05 kosa ny vehivavy. Heverina ny mbola hiakaran’io isa satria tsy latsaka ny efatra ireo efa nanao fanambarana fa ho kandidà tsy mbola nandrotsaka ny antontan-taratasy. Mbola misy hafa ivelan’izany koa tombanana ho kandidà fa tsy mbola nanao fanambarana hatreto.
Anisan’ireo andrasana fatratra amin’ity herinandro ity ny firotsahan-kofidian’ny Filoha Rajoelina, izay mbola tsy nanao fanambarana ofisialy mihitsy hatreto, na dia efa maro aza ireo antoko politika sy fikambanana samihafa izay niantso ny fandraisany anjara indray amin’izany fifidianana izany. Tsara ho fantatra fa mifarana rahampitso 06 Septambra 2023 izay fanaterana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana izay. Ary ny sabotsy 09 septambra 2023 izao no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo ekena ho isan’ny kandida ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.




