PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Manamafy ny fanohanany an’i Andry Rajoelina ny Antoko Freedom
Nanamafy ny tapaky ny kongresin’ny Antoko Freedom tamin’ny taona 2022 ireo mpikatroka, tarihin’ny Filoha nasionaliny, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly, izay naneho fanohanana feno an’andriamatoa Andry Rajoelina amin’izao fandraisany anjara indray amin’ny fifidianana Filoham-pirenena izao. Lehibe sy goavana, hoy ny Antoko Freedom, ny zava-bitan’ny Filoha Rajoelina tao anatin’ny efa-taona sy valo volana, ka rariny ny mbola hanohanana azy indray.
Ny Antoko Freedom no antoko politika voalohany niantso ny firotsahan-kofidian’ny Filoha Rajoelina indray amin’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity, ny volana Aprily 2022. Voavaly izany fangatahan’ny Antoko Freedom izany, satria efa nanao fanambarana ofisialy ny maha kandida azy indray andriamatoa Andry Rajoelina, ny alarobia teo. Omaly, nisy ny fihaonana nataon’ny Birao politika nasionalin’ny Antoko Freedom, niaraka tamin’ireo mpiara-dia amin’izy ireo, tetsy Soarano izay nanaovana fanambarana nanamafisana ny fanohanana ny Filoha Rajoelina. Nasongadin’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom fa maro ireo zava-bitan’ny Fitondrana notarihin’i Andry Rajoelina tao anatin’ny efa-taona sy valo volana, ary azo arovana tsara izany. “Misy milaza fa hoe potika ny firenena. Te hanontany aho hoe inona teto amin’ny firenena no potika sy simba?”, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy, Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom. Notsiahiviny fa nisedra fahasahiranana lalina ny firenena nandritra ny roa taona noho ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19, izay nisian’ny fihibohana ka nampikatso ny fihariana maro sy ny famokarana tamin’ny ankapobeny. Mbola olana nosedrain’ny firenena ihany koa ny fandalovan’ireo Rivodoza miisa dimy ny taona 2022. Manampy an’ireo ny fiantraikan’ny ady any Okraina. Na dia teo aza anefa ireny tranga tsy azo ihodivirana ireny dia tsy nitazam-potsiny ny Fitondrana Rajoelina fa niatrika, ary nitondra vahaolana ho an’ny firenena. Ary ireny dia tsy nahasakana ihany koa ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana maro natao teto amin’ny firenena, indrindra ny fananganana fotodrafitrasa.
Tsy ilaina ve ny sekoly sy hopitaly?
“Misy afaka milaza ve fa tsy ilaina ny sekoly ? na koa ny hopitaly?”, io no fanontaniana napetraky ny Filoha nasionalin’ny antoko Freedom manoloana ireo mpitsikera ny zava-bitan’ny Fitondrana ankehitriny. Tato anatin’ny efa-taona sy valo volana monja, hoy izy, dia efa hopitaly miisa 28 no tafatsangana any amin’ny Faritra maro, ary CSB anjatony any anivon’ny Kaominina. Misongadina ihany koa ny fahavitan’ireo efitranon-tsekoly anarivony izay nahafahana namerina an-tsekoly indray ireo mpianatra malagasy anhetsiny. Tsy nijanona hatreo anefa ny Fanjakana fa mbola nanao tetikasa ihany koa ho fampivelarana ny fampisakafoana an-tsekoly, ka ankehitriny dia efa mpianatra manodidina ny 1 tapitrisa no misitraka izany.
Etsy ankilany, nihena ny asan-dahalo tato anatin’ity Fitondrana ity noho ny fametrahana ireo tobim-pamaharana maro nahafahana niady tamin’izany. Ho an’ny tontolon’ny fandraharahana dia isan’ny nanampy tanora maro hampivelatra ny tetikasany ny Fandaharanasa Fihariana, izay tetikasan’ny Filoham-pirenena. Ankoatra izay, tsy nitsanga-menatra ihany koa ny sehatry ny Kolontsaina nandritra ny Fitondran’andriamatoa Andry Rajoelina. Manaporofo izany ny fahavitan’ny Rovan’i Madagasikara izay ravan’ny afo tany amin’ny 28 taona lasa, kanefa tsy nisy nahavita nanarina azy ireo fitondrana nifandimby. Tsy latsa-danja amin’izany koa ireo fotodrafitrasa natsangana manerana ny Faritra maro ho fampiroboroboana ny kolontsaina. Mahakasika ny fanamboaran-dalana kosa indray dia maro ireo lalana tsy nisy nanarina nandritra ny taona maro kanefa vitan’ny Fitondrana notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, raha tsy hitanisa afatsy ny Lalam-pirenena faha-44 sy ny lalam-pirenena faha-5A. Ampahany ihany ireo voatanisa ireo. “Na inona na inona ambara dia nahavita zavatra ny fitondrana Andry Rajoelina”, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy.
Lesoka mila arenina!
Na eo aza anefa ireo asa vita maro natao tao anatin’ny efa-taona sy valo volana, dia niaiky ny teo anivon’ny Antoko Freedom fa nisy ny lesoka tao anatin’ny fitantanana ny firenena, ka tokony hahitsy rehefa tafaverina indray eo amin’ny Fitondrana. Isan’ny nambarany tao anatin’izany ny mahakasika ny fisafidianana ireo mpiara-miasa ao anatin’ny Fitondrana izay nolazainy fa misy tsy ampy traikefa ara-politika. Nisy koa ireo tsy naharaka mihitsy ny hafainganam-pandehan’ny Filohan’ny Repoblika. Isan’ny lesoka hitan’ny Antoko Freedom ihany koa ny tsy fahampian’ny fepetra noraisina tamin’ireo nanao ny tsy nety tao anatin’ny Fanjakana. Lesoka toy izany ihany koa ny tsy nandraisana fepetra tamin’ireo Solombavambahoaka izay lany tamin’ny vovonana IRD kanefa nivadika firehana. Manampy ireo rehetra ireo ny olan’ny famatsiana herinaratra izay mbola mampikaikaika ny maro ankehitriny ka ilàna fanapahan-kevitra politika goavana, araka ny nambaran’ny Filoha nasionalin’ny Antoko. Etsy ankilany, mila hamafisina ihany koa ny fijerena ny lafiny sosialim-bahoaka rehefa hiditra amin’ny fepotoam-piasana faharoa. Mila hampiana, hoy izy, ny olona hamokatra fa tsy fahanana isan-tokatrano, ary jerena koa ny tokony hatao mba hahafahan’ny vahoaka mihary.
Minisitera notantanan’ny Freedom: Tsy nanana olana mihitsy!
Nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpikatroka Freedom omaly no nanambaran’ny Filoha nasionalin’ny Antoko fa ny departemanta minisiterialy notantanan’ny Antoko Freedom no anisan’ireo Minisitera tsy mba nandrenesana olana na trangana fanodinkodinam-bola izany mihitsy. Niasa tao anatin’ny fahitsiana ireo mpiasa rehetra, ary nisongadina ihany koa ireo asa vita rehefa natao ny tomban’ezaka. Manaporofo izany ny nahavoatazona hatramin’ny faran’ny fepotoam-piasana ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy teo amin’ny toerana maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina azy. Ary tsy niova departemanta ihany koa. Nambarany fa vonona hatrany ny Freedom handray ny andraikiny eto amin’ny firenena, ary manana olona azo atolotra ho amin’izany.




