PolitikaSongadim-baovao

FIAINAM-PIRENENA : Ny Governemanta Ntsay no miara-mitantana vonjimaika

Ny Sabotsy 09 septambra 2023 teo no nametra-pialana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, taorian’ny fankatoavan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny maha kandida azy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, ny 09 novambra 2023 ho avy izao. Araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andininy faha-52, “aorian’ny fametraham-pialàna, fandaozana ny fahefana na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona, fahafatesana, ny tsy fahafahana miasa tanteraka na ny fanonganana nambara, ny fahabangan’ny toeran’ny Filohan’ny Repoblika dia hozahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fototra. Raha vao hita fototra ny fahabangan’ny toeran’ny Filohan’ny Repoblika, dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny asan’ny Filoham-panjakana…. Raha misy tsy fahafahana miasa manjo ny Filohan’ny Antenimierandoholona hita fototry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia iarahan’ny Governemanta manontolo misahana ny asan’ny Filoham-panjakana”.

Araka izany, ny Filohan’ny Antenimierandoholona no tokony hisahana ny andraikitra maha filoham-panjakana vonjimaika amin’ny kihon-dalana toy izao, arak’io andininy io. Nanda tsy handray ny fitantanana ny firenena, anefa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tamin’ny alalan’ny taratasy napetraky ny teo anivon’ny HCC ny 8 septambra. Araka ny fanapahana  araka ny fanapahana laharana faha 12-HCC/D3 ny 9 septambra 2023 noraisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), noho izany, dia ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian no miara-mitondra vonjimaika ny firenena. Amin’ny alalan’ny maro an’isa no andraisana ny fanapahan-kevitra mandritra izany.

Fermer