PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA ANDRY RAJOELINA: Laharana faha-3 ao amin’ny Biletà tokana

Tao anatin’ny fangaraharana tanteraka no nanatanterahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny antsapaka momba ny filaharana ao amin’ny Bileta tokana ampiasaina amin’ny fifidianana, sy ny filaharana amin’ny fidirana ao amin’ny Haino aman-jerim-panjakana. Nanatrika izany Kandida Andry Rajoelina, izay nahazo ny laharana fahatelo.

Araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-123 amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha-2018/008 tamin’ny 11 Mey 2018 mikasika ny Fitondrana ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka, sy ny andininy faha-18 sy 19 amin’ny didimpanjakana laharana 2023/865 tamin’ny 11 jolay 2023 mamaritra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, dia atao amin’ny alalan’ny antsapaka ataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) eo anatrehan’ny mpilatsaka hofidiana na ny solontenany ny filaharan’ny fanolorana ireo mpilatsa-kofidiana na lisitry ny mpilatsaka hofidiana ao anatin’ny taratasin-datsabato tokana. Raha toa ka misy ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filoha, dia tazonina ary ampiharina amin’ireo mpirotsa-kofidiana roa izay nahazo vato be indrindra tamin’ny fihodinana voalohany ny vokatry ny antsapaka.

Omaly, araka izany, no tontosa teny amin’ny foibe toeran’ny Ceni Alarobia ny antsapaka natrehan’ireo Kandida na ny Solontenany. Niara-niaiky ireo kandida tonga teny an-toerana fa tao anatin’ny mangarahara tanteraka no nanaovana ny fisarihana, ary isan’ireo nanatrika izany ny Kandida Andry Rajoelina. Ity farany izay nahazo ny laharana faha-3 taorian’ny antsapaka natao. “Tsy misy kisendrasendra ny nahazoana ny laharana fahatelo. Trinité masina: Ray, Zanaka, Fanahy. Rehefa atao am-pinoana ny zavatra iray dia tsy maintsy mandresy. Toko telo no mahamasa-nahandro ary indrindra indrindra isa masina ny 3”, hoy ny fanehoan-keviny. Notohizany tamin’ny tenin’ny soratra masina hoe « Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny Finoana, ny Fanantenana, ny Fitiavana: fa ny Fitiavana no lehibe amin’ireo. »

Fanontana ny Bileta tokana

Nampahafantarin’ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, omaly ihany koa ireo asa hirosoan’izy ireo ao anatin’ny zotram-pifidianana, taorian’ny antsapaka natao omaly. Araka ny fanazavana dia omaly hariva ihany dia efa niainga nihazo an’i Afrika Atsimo ny delegasion’ny Ceni notarihin’ny Filohany nitondra ny lasitry ny bileta tokana, handamina sy hijery miaraka amin’ny mpanota printy ny fanontana sy ny fandefasana ireo bileta tokana ara-potoana. Etsy ankilany, araka ny andininy faha-30 ka hatramin’ny 33 amin’ny lalàna 2015-020 mifehy ny Ceni dia miantso ireo kandida ny ceni hanendry izay ho solontena iara-hivory amin’ny ceni mba hanara-maso ny zotram-pifidianana, ny 18 septambra izao no fivoriana voalohany. Hanomboka ihany koa ny fizarana ny karatry ny mpifidy eny anivon’ny Fokontany. Hisy ny fitetezana tokantrano ataon’ireo vaomieram-pifidianana sy ny sefo fokontany. Azo alaina mivantana eny anivon’ny Fokontany ihany koa ny karam-pifidianana. Hisy koa ny fampiofanana ireo mpanara-maso fifidianana nahazo fankatoavana, ny 12 Septambra 2023.

Amin’ny 22 Septambra 2023 kosa no hisy indray ny sehatra ifanakalozan-kevitra fahefatra karakarain’ny Ceni manodidina ny tohin’ny zotram-pifidianana. Isan’ireo horesahina mandritra izany ny mahakasika rejisi-pifidianana sy ny birao fandatsaham-bato. Ho voaresaka ihany koa ny fizotry ny fampielezan-kevitra, indrindra ny andraikitry ny ANRCM ( Autorité Nationale de Régulation de la communication médiatisée) izay tsy mbola tafatsangana, ka ny Ceni no manao ny asany.  Hodinihina mandritra io fihaonana io ihany koa ny mahakasika ny fikirakirana sy ny fiarovana ny voka-pifidianana. Isan’ny dingana miandry ihany koa fanamafisana ny fanentanana ny olom-pirenena handrotsa-bato, hatramin’ny 07 novambra 2023. Niantso fiaraha-mientana ho fahatrarana izany tanjona izany ny Filohan’ny Ceni. Nampahatsiahivin’ny Filohan’ny Ceni omaly ny tokony hanendren’ny Kandida mpitambolan’ny fampielezan-kevitra na “Trésoriers de campagne » ho fampiharana ny andininy faha-65 ao amin’ny lalàna 2018-008.

Lisitr’ireo Kandida mifanaraka amin’ny laharany avy:

LAHARANA ANARAN’NY KANDIDA
1 Tahiana Razafinjoelina
2 Hajo Herivelona Andrianainarivelo
3 Andry Nirina Rajoelina
4 Iarovana Roland Ratsiraka
5 Marc Ravalomanana
6 Auguste Richard Paraina
7 Andriamalala Andry Tsiverizo Raobelina
8 Jean Brunelle Razafintsiandraofa
9 Lalaina Harilanto Ratsirahonana
10 Hery Martial Rajaonarimampianina
11 Sendrison Daniela Raderanirina
12 Jean-Jacques Jedidia Ratsietison
13 Siteny Thierry Randrianasoloniaiko

Fermer