PolitikaSongadim-baovao

FIAINAMPIRENENA – FILOHAN’NY HCC : “Manaraka ny Lalàmpanorenana ny fiaraha-mitantan’ny Governemanta”

Fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny mpanara-baovao ny hoe nahoana ny Filohan’ny Antenimierandoholona no tsy notendrena Filoham-panjakana mpisolo toerana, araka ny Lalàmpanorenana ? Tsy fomban’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) loatra ny mitondra fanazavana ampahibemaso ny antonantony nahatonga ny didy fanapahana izay ataon’izy ireo, saingy manoloana ny raharaham-pirenena dia nisafidy ny hitondra fanazavana omaly ny Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, nandritra ny fanatrehany ny antsapaka teny amin’ny Ceni Alarobia. Nanazava ny Filohan’ny HCC fa tonga tany amin’izy ireo ny taratasy fandavana ny andraikitra tokony horaisiny nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona noho ny antony manokana. Izany hoe, tsy afaka ny handray ny toeran’ny Filoham-panjakana ny tenany. “Izahay dia tsy niantso azy na nanadihady azy, hoe inona no antony amin’ny maha hoe antony manokana azy… Ny zavatra fantatray dia hoe tsy azonay terena, na ny Lalàmpanorenana terena ny olona izay mametra-pialana na manao “renonciation” amin’ny zavatra izay omen’ny Lalàmpanorenana azy”, hoy ny fanazavana.

Notsiahivin’ny Filohan’ny HCC fa ny tsy fahatomombanan’ny Lalàmpanorenana tany aloha no nahatonga ny firenena malagasy niditra tao anatin’ny tetezamita nandritra ny dimy taona nanomboka ny 2009, satria rehefa nametra-pialana ny Filoha am-perinasa tamin’izany fotoana, dia nanolotra ny fahefana tamina Jeneraly, ary io indray avy eo no nanome ny fahefana olona izay tsy voalazan’ny Lalàmpanorenana. Rehefa novolavolaina, noho izany, ny Lalàmpanorenana ny taona 2010, dia napetraka ao amin’ny andininy faha-46 sy ao amin’ny andininy faha-52 fa raha toa ka misy tsy fahafahana na fandavan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona io andraikitra io, rehefa mametra- pialana ny Filohan’ny Repoblika, dia ny Governemanta no miara-mitantana vonjimaika ny firenena. Mba tsy hivoahana koa amin’ny lalàmpanorenana dia voalaza ao amin’ny andininy faha-52 fa raha misy tsy fahafahan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia ny Governemanta no miara-mitantana ny firenena. “Raha vao miala amin’ny fiaraha-mitantan’ny Governemanta dia miala amin’ny Lalàmpanorenana isika”, hoy ny fanampim-panazavana nataony.

Fermer