PolitikaSongadim-baovao

TAHOTRA AN’I ANDRY RAJOELINA: Mirona mankany amin’ny fanakorontanana ireo Kandidà 10

Miha mibaribary hatrany ankehitriny ny tahotra sy ny teti-dratsy tsy hirosoana amin’ny fifidianana ketrehin’ny avy amin’ny fanoherana sy ireo Kandida folo ampiraisin’ny fankahalana an’andriamatoa Andry Rajoelina. Na izy ireo aza efa miaiky fa raha amin’ny alalan’ny fifidianana dia tsy misy mihitsy herijika ananan’izy ireo handresena ny Kandida Rajoelina. Fifidianana irery ihany anefa no dingana ara-demokratika voafaritry ny Lalàna hahazoana fahefana, ny ankoatra izay fanakorontanana…  

Hatrany am-piandohana dia efa tsikaritry ny mpanara-baovao ny teti-dratsy ataon’ireo mpanao politika vitsivitsy nirotsa-kofidiana, izay ampihavanin’ny fankahalana an’andriamatoa Andry Rajoelina ankehitriny. Mbola vao tany amin’ny fotoana fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana dia efa nanao fanambarana ireto Kandida ireto fa mitsipaka ny fahafahan’andriamatoa Andry Rajoelina mirotsa-kofidiana, noho ny filazan’izy ireo fa tsy manana zom-pirenena malagasy intsony ny tenany. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fanaovana tsindry sy ramatahora ny mpitsara mba tsy hamoaka ny taratasy fanamarinana fananana zom-pirenena malagasy ho an’andriamatoa Andry Rajoelina. Tsy izay anefa no nitranga fa araka ny lalàna dia nisitraka io taratasy fanamarinana io ihany i Andry Rajoelina, ka nahafeno ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana.

Vao tafapetraka indray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidian’andriamatoa Andry Rajoelina dia nanao fanambarana niaraka indray ireo olona valo hafa izay nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ihany koa, ary niantso ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) mba tsy hanaiky ny dosie an’i Andry Rajoelina. Ary raha toa ka hankatoavin’ny HCC ny dosie an’i Andry Rajoelina dia nilaza ny hanatsoaka ny firotsahan-kofidiany izy ireo. Rehefa nivoaka anefa ny lisitra ofisialy avy amin’ny HCC ny sabotsy 09 septambra 2023, dia tao anatin’izany andriamatoa Andry Rajoelina. Tsy nisy niresaka momba io fanapahan’ny HCC io ireo kandida nanao fanambarana teo aloha, ary ny iray tamin’ireo valo nanao Sonia voalohany ihany no nanatsoaka ny firotsahan-kofidiana ho fanajany ny Sonia nataony. Ny alatsinainy 11 Septambra teo dia niara-nihazakazaka namaly ny antson’ny Ceni amin’ny fanaovana ny fisarihana ny laharana ao amin’ny Bileta tokana ireo Kandida 13 na ny Solontenany. Fihetsika izay toa efa naneho fankatoavana sahady ilay fanapahan’ny HCC ary fahavononana hiroso amin’ny zotram-pifidianana ho avy.

Tampoka teo anefa, ny andron’io 11 septambra io ihany dia nandefa taratasy tany amin’ny Ceni indray ireo Kandida 10 nilaza fa mitanila ny HCC ary tsy matoky intsony ireo mpikambana ao aminy izy ireo. Mbola nohamafisin’ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo omaly izany, ka niantsoany ny FFKM sy ny herivelona rehetra ary fikambanambe iraisampirenena mba hijery ny zava-misy eto Madagasikara. Anton’izany fanambarana izany, araka ny fanazavana, ny fanapahana navoakan’ny HCC momba ny fahafahan’andriamatoa Andry Rajoelina nirotsa-kofidiana, sy ny fanapahana nataon’ny HCC izay nanome ny fitantanana ny firenena ho an’ny Governemanta ifandrimbonana. Very tanteraka, noho izany, ny mpanara-baovao ny amin’ny tetikadin’ireto Kandidan’ny fanoherana ireto. Milaza izy ireo fa vonona amin’ny fifidianana kanefa izy ireo ihany no mamorona olana tsy hirosoana amin’izany isan’andro. Tsotra ny azo amakiana izany, dia ny tahotra an’i Andry Rajoelina izay ironan’ny fifandanjan-kery ankehitriny. Ny vahaolana ho azy ireo anefa dia ny firosoana amin’ny fifidianana ihany ka mametraka paikady tsara handresena lahatra ny mpifidy, na ny fialana andaharana amin’ny maha kandida. Ny ivelan’izay dia efa fanakorontanana ny firenena…  

Ny Fanoratana.

Fermer