PolitikaSongadim-baovao

FANOMANANA NY FIFIDIANANA: Mandeha ny fizarana ny karatry ny mpifidy, mitohy ny fanontana ny bileta tokana

Miroso hatrany i Madagasikara amin’ny fanomanana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika hotontosaina ny 09 Novambra 2023 izao. Efa nanomboka ny herinandro lasa teo ny fizarana ny karatry ny mpifidy, izay tsy maintsy ilaina rehefa andron’ny fifidianana. Efa mandeha ihany koa ankehitriny ny fanontana ny Bileta tokana atsy Afrika Atsimo ka hatramin’ny omaly dia efa maherin’ny iray tapitrisa ireo voatonta.

Ny fiandohan’ny herinandro lasa teo no nanomboka ny fizarana ny karatry ny mpifidy manerana ny Nosy, araka ny tetiandro napetraky ny teo anivon’ny Vaomierampirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Ezahana ny hizarana izany ara-potoana, araka ny fanamby napetraky ny tomponandraikitra. Raha ny lamina napetraka kosa dia misy ireo tomponandraikitra eny ifotony izay mizara ny karatra isan-tokantrano. Etsy ankilany, azo atao ihany koa no manatona mivantana ny biraom-pokontany miankina amin’ny fandaharam-potoan’ny olom-pirenena tsirairay. Mizotra mankany amin’ny hanatontosana ny fifidianana araka ny tokony ho izy sy ny tetiandro napetraka isika, hoy hatrany ny talen’ny kabinetran’ny Ceni.

Famantarana manokana

Ankoatra izay, maherin’ny 1 tapitrisa hatramin’ny omaly ny bileta tokana efa voatonta atsy Afrika Atsimo, araka ny tatitry ny delegasionina malagasy avy tany an-toerana. Mitohy ny fanontana ary, misy ny famantarana manokana izany mba hialana amin’ny mety ho hosoka. Miara-miasa amin’ny fanaraha-maso izany any an-toerana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny PNUD, hoy ny talen’ny kabinetran’ny Ceni Andriamifidy Jean Louis. Notsindriany fa vita any Afrika Atsimo avokoa ny fikirakirana sy famonosana ny bileta tokana. Fitsinjarana izany isaky ny biraom-pifidianana sisa no ataon’ny Ceni rehefa tonga eto Madagasikara.

Tsiahivina fa ny 9 novambra izao no hatao ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. 13 ny kandida nahafeno fepetra hifaninana, ary efa vita ny 11 septambra teo ny fisarihana ny laharana entin’ny kandida tsirairay. Midika izany fa miroso hatrany ny zotram-pifidianana ho an’i Madagasikara. Ny Praiminisitra Ntsay Chritsian, tamin’ny alalan’ny OMC Nasionaly efa nanome toky fa hiantoka ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao anatin’izao fiatrehana ny fifidianana izao.

Fermer