PolitikaSongadim-baovao
ZOTRAM-PIFIDIANANA: Manamafy ny fanohanany ny Fianakaviambe iraisampirenena
Namoaka fanambarana omaly ireo Masoivoho maromaro sy mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Nohamafisin’izy ireo tao anatin’izany ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny tetiandrom-pifidianana. Notsipihan’izy ireo hatrany ihany koa ny fanohanany ny żotra-pifidianana mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, izany hoe mangarahara, azo antoka, mampiaty ary milamina.
Nasongadin’ireo Mpiara-miombona antoka iraisampirenena amin’i Madagasikara omaly, tao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo fa manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha mifandray amin’ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny Delegasion’ny Vondrona Eoropeanina, ny Solontenan’ny Fikambanan’ireo firenena miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF), ny Masoivohon’ny Alemana, Masoivoho Amerikanina, ny Masoivoho Frantsay, ny Masoivohon’i Japon, ny Masoivohon’i Royaume-Uni, ary ny Masoivohon’i Suisse.
Manamafy ny maha zava-dehibe ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny tetiandrom-pifidianana izy ireo ary manipika hatrany ny fanohanany ny żotra-pifidianana mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, izany hoe mangarahara, azo antoka, mampiaty ary milamina, araka ny fanambarana natao omaly. “Singa manan-danja mitondra amin’ny faneken’ny rehetra ny voka-pifidianana sy miantoka ny fitoniana eto Madagasikara ny fahatokisana an’izany dingana izany”, hoy ny fampitam-baovao. Ankoatra izay, nampahatsiahy ny fanajana ny fahalalahana fototra izy ireo, anisan’izany ny zo hivory sy hanao fihetsiketsehana am-pilaminana, ary koa ny lanja mitovy omen’ny Fitondram-panjakana sy ny haino aman-jery an’ireo kandidà rehetra, mifanaraka amin’ny foto-kevitra demokratika izay efa neken’i Madagasikara. Nanamafy ny ireo Mpiara-miombona antoka fa hanohy ny fifanakalozan-kevitra mirindra miaraka amin’ireo mpandray anjara rehetra.
Tsiahivina fa efa naneho ny fahavononan’izy ireo hatrany hanohana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara ireo Mpiara-miombona iraisampirenena tamin’ny alalan’ny fandrotsahana vola ao anatin’ny kitapom-bola iombonana na ny “Basket fund”, hanatanterahana ny fifidianana. Isan’izany ny Vondrona Eoropeanina, ny Frantsay, ny Alemana. Efa nanome fanampiana ara-bola koa firenena japoney. Marihina ny fandaharanasan’ny firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana no mandrindra io kitapom-bola iombonana io.



