PolitikaSongadim-baovao

FANAJANA NY LALÀMPANORENANA: Manome toky ny Governemanta fa hisy fifidianana amin’ny 09 Novambra

Nanamafy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, Ntsay Christian, omaly, fa tsy afaka ny hivoaka ny Lalàmpanorenana i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Efa nametra-pialana andriamatoa Andry Rajoelina, hoy izy, ny 09 Septambra, noho ny firotsahan-kofidiany indray, ka teren’ny Lalàmpanorenana isika hanatanteraka fifidianana 60 andro aorian’izay, dia ny datin’ny 09 novambra 2023.

Hevi-dehibe voalohany ifotoran’ny Governemanta ifarimbonana ankehitriny ny fanajana ny Lalàmpanorenana, araka ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Chritsian omaly. Rehefa nametra-pialana ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina ny datin’ny 09 septambra 2023 noho izy nirotsa-kofidiana indray amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, dia ambaran’ny lalàmpanorenana fa 60 andro aorian’ny fametraham-pialany no hanatanterahana ny fifidianana fihodinana voalohany. Tsy afaka ny hivaona amin’ny lalàmpanorenana isika, hoy ny Praiministra, izay namaly ireo adihevitra maro voizin’ny mpanohitra ankehitriny ny amin’ny mbola tsy tokony hanatanterahana indray ny fifidianana sy ny sisa. Tsy maintsy hirosoana, hoy izy, ny fifidianana amin’ny 09 novambra, araka ny tetiandro efa voafaritra. Ireo Mpiara-miombona antoka iraisampirenena amin’i Madagasikara ihany koa efa nanao fanambarana ny amin’ny tokony hanajana ny tetiandrom-pifidianana. Nanome toky, araka izany, ny Lehiben’ny Governemanta, fa hisy ny fifidianana, ary hiverina tanteraka amin’ny vahoaka ny fahefana mba hahafahany hifidy izay olona tiany hitondra azy indray ho an’ny dimy taona manaraka.

Mila hajaina ny Ceni sy ny HCC

Tao anatin’ny fandaharana manokana nataony omaly no niantsoan’ny Praiminisitra ireo mpisehatra politika isankarazany, indrindra ireo Kandida mba hanatsahatra ny fifampihantsiana sy ny korontana. Tsy misy krizy politika eto, hoy ny Praiminisitra, fa fanakorontanana ny zotram-pifidianana no misy. Fotoana izay namaliany ireo tsikera ataon’ny Kandida filoham-pirenena sasany izay maneho tsy fatokisana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) kanefa io rafi-pitsarana io ihany no nanaiky ny naha kandida azy ireo tamin’ny fomba ofisialy. Teo anatrehan’izany, niantso ny vahoaka malagasy, indrindra ireo mpirotsa-kofidiana ho Filoham-pirenena ny Praiministra mba hanome hasiny ireo rafitra mpikirakira ny raharaham-pifidianana, na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni) izany, na ny HCC. Adidin’ny Kandida sy ny Governemanta ary ny vahoaka malagasy rehetra ny fanohanana azy ireo, hoy ny Praiminisitra.

Nohantitranterin’ny Praiminisitra fa tsy mahasoa ho an’ny firenena intsony ny krizy. Ny vahoaka izay mbola marefo noho ny krizin’ny Covid-19 nandritra ny 3 taona, teo koa ireo rivodoza maro nifanesy izay namotika fiharian’olona maro. Fitoniana izao no ilain’ny Malagasy.  

51 Miliara ariary ho an’ny Ceni

Ankoatra izay, nambaran’ny Praiminisitra nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly koa fa mitontaly 51 miliara ariary ny famatsiam-bola narotsaky ny Fitondram-panjakana ho fanatanterahana ny fifidianana. Manodidina ny 12 miliara ariary koa ny fandraisana anjaran’ny mpiara-miombona antoka amin’ny alalan’ny Basket fund, izay 1 tapitrisa Euros avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, 1 tapitrisa Euros avy amin’i Frantsa ary 500 000 dollars avy amin’i Etazonia. Manodidina ny 17 miliara ariary, noho izany, ny vola mbola ilain’ny CENI, raha 80 miliara ariary ny tetibola napetraka.

Nohamafisin’ny ny Praiminisitra fa miroso ny fanatanterahana ny fifidianana. Ao anatin’ny fanontana ny bileta tokana isika izao, any Afrika Atsimo. Ny Pnud no mandray an-tanana ny fanontana ireo bileta tokana ireo, amin’ny alalan’ny Basket fund. Miandry ny hiavian’ny fifidianana ny olompirenena, hoy ny praiminisitra. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fampielezana tsaho . Anisan’izany ny fanelezana vaovao tsy marina momba ny fanontana ny bileta tokana izay lazain’ny sasany fa natsahatra, hoy hatrany ny fanazavany.

Fermer