PolitikaSongadim-baovao

DEPIOTE FETRA RAKOTONDRASOA : « Tsy misy lojikany ny fanehoan-kevitr’ireo Firaisankinan’ny Kandida »

Nahitsy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa, omaly, raha naneho hevitra mikasika ny fihetsiky ny mpanohitra ankehitriny. Nambarany fa tsy misy lojikany mihitsy ny fanehoankevitr’ireo firaisankinan’ny kandida manohitra indray ny hirosoana amin’ny fifidianana raha tsy misy fepetra maromaro. Isan’izany ny fanovana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ary ny tomponandraikitra sasantsasany. « Raha mihaino isika ny fanehoankevitry ny mpanohitra tamin’ny herintaona lasa sy ny amin’izao fotoana izao, dia mifanipaka tanteraka. Tamin’izany izy ireo niteny fa tsy hanao fifidianana io Fanjakana io, ary tsy hametra-pialana io Filoha Rajoelina io, fa hitariny araka izay mampety azy eo ny fitantanana. Ankehitriny, izy ireo indray no tsy manaiky ny hisian’ny fifidianana raha tsy misy fepetra maro. Mifanohitra  tanteraka izany ary tsy misy lojika”, hoy ny fanehoankeviny.

Ankoatra izay, tsy lojika koa fanehoankevitry ny fanoherana milaza fa tsy hanao fifidianana raha tsy miova ny HCC. Nambaran’ny Depiote Fetra Rakotondrasoa fa ny lalàna mandrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia lalàna hatramin’izay, toy izany koa ny Ceni. Ka tsy anjaran’ny mpilalao no miteny hoe mpitsara iza no mety aminay, fa efa misy lalàna ary manaraka an’io daholo ny mpifaninana rehetra raha te hilalao ao anatin’ilay fifaninanana. Nosinganiny manokana tamin’izany ingahy Hajo Andrianainarivelo izay efa minisitra tao anatin’ny Fitondrana kanefa tsy nilaza mihitsy tamin’izany fa tsy azo atokisana ny HCC. Mbola tsy lojika ihany koa ny fangatahana fananganana ny rafi-pitsarana manokana momba ny fifidianana na ny “Cour électorale spéciale (CES)”. Notsiahiviny fa ny nananganana ny CES teto Madagasikara dia taorian’ny krizin’ny 2009, ka nidirana tao anatin’ny fifidianana, taorian’ny fanasoniavana ny tondrozotra izay nametraka ny CES. “Isika izao dia ao anatin’ny Lalàmpanorenana. Tamin’izany fotoana dia fepetra manokana no nametrahana ny CES satria ivelan’ny lalàmpanorenena isika , fa tsy hoe isaky ny hanao fifidianana isika dia andeha hanangana CES kanefa misy ny lalàmanorenana hampiharina eto Madagasikara”, hoy ny fanazavany.

Mpanao politika mitady seza

Novakiany bantsilana ihany koa fa maro amin’ireo kandida ireo no efa mahafantatra fa tsy ho lany. Misy, hoy izy, vao roa volana monja no niomankomana teo. Isan’izany ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny Antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM). Nandritra ny dimy taona dia tsy nisy hetsika politika nataon’ny HVM. Toy izany koa i Hajo Andrianainarivelo, efa nitsapatsapa nandritra ny volana maro, ary tsapany fa tsy ho lany. Fomba iray hahafahan’ireo mpanao politika mahazo seza fotsiny ny nirotsahan-kofidiana, ka rehefa mandeha ilay zotram-pifidianana dia mijoro hosakana mba hahafahana manao fifanarahana ivelan’ny lalàmpanorenana hahazoana seza.

Nolavin’ity olom-boafidy ity ihany koa ny filazana fa amboletra ny fifidianana atao ankehitriny. Zavatra iray tsy tokony hatao nefa atao no antsoina hoe amboletra, hoy izy. Ny fifidianana anefa dia ny lalàna no mamaritra azy fa amin’ity taona ity no tsy maintsy atao. Nambarany, noho izany, fa tsy tombontsoa ho an’ny vahoaka mihitsy ny fisian’ny korontana, fa kosa tombontsoa ho an’ny mpanao politika izay mitady toerana, sady matahotra fifidianana.  

Fermer