Songadim-baovaoToekarena
TSENA SY FAMOKARANA : Mila asiana fenitra mazava ireo vokatra vita malagasy
Izay te haneho vokatra vita malagasy ankehitriny dia afaka manao izany avokoa na inona na inona kalitao sy hatsaran’ilay vokatra. Ilaina anefa ny fametrahana fenitra mazava ho an’izay tena vokatra vita malagasy tokoa, araka ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Analamanga (CCIA). Tokony hisy mihitsy, hoy izy, fehezan-dalàna arahina amin’ny famokarana an’ireo vokatra vita malagasy, mba hanaraka ny fenitra. Mba hanosehana sy hanampiana ireo orinasa madinika sy salantsalany mamokatra vokatra malagasy izay indrindra no antom-pisian’ny varotra fampirantiana “Voatra” , izay miditra amin’ny andiany fahafolo ankehitriny. Nambaran’ny teo anivon’ny CCIA fa maro amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany eto amintsika no tsy mbola be mpahafantatra, ka izay indrindra no hanosehana azy ireo.
Notsindrian’izy ireo fa tsy voatery hanana fahafahana mampiranty ny vokany ireo orinasa madinika sy salantsalany. Betsaka tamin’izy ireny no efa nampian’ny CCIA ary mbola mandray anjara amin’izao Voatra andiany faha-10 izao. Marihina fa misy tamin’ireo nampiana hatramin’izay no efa tonga amin’ny sehatra fanondranana vokatra any ivelany. “Fanampiana sy fanohanana ihany no ataon’ny CCIA fa miankina betsaka amin’ny mpandraharaha sy ilay tompon’nny orinasa no mampandeha na tsy mampandeha ny orinasa sy ny varotra ary ny famokarana ataon’izy ireo. Na izany aza, ny CCIA dia mbola manampy amin’ny alalan’ny fanofanana, mialoha sy aorian’ny Voatra, ary manaraka ireo Orinasa madinika mba hahafahany mamokatra araka ny fenitra izay takian’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany”, hoy hatrany ny Filohan’ny CCIA. Tsara ho fantatra fa amin’ny 25 hatramin’ny 28 oktobra 2023 izao no hanaovana ny Voatra andiany faha-10 eny amin’ny Kianja Barea. Manodidina ny 47 eo ireo orinasa madinika sy salantsalany hampiranty ny vokany mandritra ireo andro vitsivitsy ireo. Isan’ny masontsivana napetraka tamin’ireo orinasa handray anjara moa ny famokarana vokatra vita malagasy, ary ny fahaiza-mamorona ao anatin’ny famokarana.




