PolitikaSongadim-baovao
ZOTRAM-PIFIDIANANA : Nifanakalo hevitra ireo mpikamban’ny HCC sy ireo Kandidà
Kandida miisa 10 amin’ireo 13 nirotsa-kofidiana ho Filoham-pirenena no tonga teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) omaly nihaona tamin’ireo mpikambana ao amin’ity rafi-pitsarana ity. Mazava ho azy, manodidina ny raharaham-pifidianana izay hirosoan’i Madagasikara ankehitriny ny votoatin’ny dinika. Tsy nisy nanome ny antsipirian’ny fihaonana kosa, na ireo Kandida na ny Filohan’ny HCC taorian’ny fifampiresahana.
Raikitra omaly ihany ny fihaonana teo amin’ireo Kandida Filoham-pirenena sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Nanomboka tamin’ny 10ora sy sasany teo ho eo izany, ary naharitra ora iray sy sasany. Fivoriana nikato-trano no nataon’izy ireo, ka tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Rehefa vita koa ny dinika, tsy nisy nanao fanambarana ireo Kandida ho fanajana izay nifanarahan’izy ireo tao anatiny, araka ny fanazavana. Ny Kandida Jean Jacques Ratsietison kosa nilaza fa nizotra tsara ny fifampiresahana tamin’ireo mpikamban’ny HCC, ary mbola hitohy amin’ny fotoana tsy voafaritra.
Isan’ireo tazana teny an-toerana ny Kandida Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Tahina Razafinjoelina, Hajo Andrianainarivelo, Roland Ratsiraka, Andry Raobelina, Jean Jacques Ratsietison, Brunelle Razafintsiandraofa, Lalaina Ratsirahonana, ary i Paraina Auguste. Ny Loholon’i Madagasikara Tsiebo Mahaleo kosa no tonga teny an-toerana nisolotena ny Kandida Andry Rajoelina, raha toa ka tsy nandefa solontena mihitsy ny Kandida Siteny Randrianasoloniaiko sy Sendrison Daniela Raderaniaina.
Araka ny fomba fijerin’ny mpanara-baovao dia tombanana ho setrin’ilay fanambaran’ny Fianakaviambe iraisampirenena, andro vitsy lasa izay, izao fihetsika ataon’ireo Kandida filoham-pirenena izao. Fanambarana izay niantso ny tokony hanomezan-danja ireo tetiandrom-pifidianana sy ny fanajana ny Lalàmpanorenana, ary koa ny fanohanan’izy ireo feno ny zotram-pifidianana. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny fihaonana teo amin’roa tonta ity.
Raha tsiahivina, efa saika nisy ny fihaonana teo amin’ny HCC sy ireo Kandida ny zoma 15 septambra fa nahemotra noho ny antony maro samihafa. Ireo kandida 10 rahateo nanao fanambarana fa tsy hanaiky ny fihaonana noho ny tsy fatokisana ny HCC kanefa izy ireo ihany no nangataka io fihaonana io nandritra ny fisarihana ny laharana teny amin’ny Ceni. Tanjona, hoy ireo Kandida, ny mba hahafahan’ny HCC manome torolalana ho an’ny Kandida momba ny fomba fitoriana eny amin’ity rafi-pitsarana ity mba tsy hiverenan’ny hoe “Azo raisina fa tsy mitombina” mandritra izao zotram-pifidianana izao. Tsy raikitra ilay fihaonana tamin’ny 15 septambra, ka iny omaly 21 septambra iny indray vao nisy ny fihaonana.




