PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: Nitondra valin-kafatra ho an’ny mpanohitra
“Miara-Manonja Tena Izy”, io no anaran’ny fandaharana nitondran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina, fanazavana sy famakafakana ny raharaham-pirenena, nanomboka omaly. Fandaharana izay niainga teny amin’ny Onjampeo Viva, ary niaraha-nampita tamin’ireo onjampeo tsy miankina maromaro, isan’izany ny FREE FM. Tamin’ny ankapobeny dia maro ireo niandry ity fandaharana ity, eo anatrehan’ireo serasera marobe ataon’ny avy amin’ny fanoherana izay manao ny fomba rehetra hanaratsiana endrika ny Fitondram-panjakana sy ny zotram-pifidianana ankehitriny, ary indrindra ireo rafitra mpikirakira ny raharaham-pifidianana, dia ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC).
Tany am-piandohana dia efa nitondran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fanamarihana manokana ny fiheveran’ny mpanohitra fa izy ireo ihany no manana ny marina, ka izay ambaran’izy ireo dia tsy maintsy ekena avokoa ary diso avokoa ny fanazavana ivelan’ny an’izy ireo. Izay indrindra, hoy izy, no anton’ny nanaovana io fandaharana io mba tsy hihaino feon-dakolosy tokana ny vahoaka fa mba handre ny fanazavana rehetra izay manampy azy ireo handanjalanja ihany koa ny zava-misy ka handray fanapahan-kevitra ao anatin’ny fahalalana ny marina. Nahitsy, araka izany, ity tomponandraikitra ity raha nilaza fa ny mpanohitra mihitsy no tena tsy mahazaka tsikera, ka raha vao tsikeraina dia lazaina fa tsy mandray lesona ny fitondrana na tsy mahazaka demokrasia.
Tsy mahay afatsy andininy faha-42?
Mbola voaresaka tao anatin’ny fandaharana omaly koa ny mahakasika adihevitra inian’ny mpanohitra rohitina momba ny zom-pirenen’andriamatoa Andry Rajoelina. “Lasa tsy mahalala lalàna ankoatra ny andininy faha-42 ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny zom-pirenena ny mpanohitra”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Izany foana no iniana resahina kanefa efa namoaka fanapahana ny HCC izany nanaiky firotsahan-kofidian’ny Filoha Rajoelina noho ny fananany ny zom-pirenena malagasy. Tao anatin’ny filazana ny antonantony tamin’izany fanapahan’ny HCC izany, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, dia efa voalaza fa nanontany ny Governemanta ny HCC raha toa ka efa nisy didim-panjakana nanafoana ny fananan’andriamatoa Andry Rajoelina zom-pirenena na tsia, dia hita fa mbola tsy nisy izany. Dikany, mbola manana zom-pirenena malagasy feno andriamatoa Andry Rajoelina, ka tsy misy antony mbola tokony hanaovana adihevitra izany intsony.
Araka ny lalàmpanorenana ny Governemanta ifarimbonana
Mazava ny tanjona, fa ny hanakorontana ilay zotram-pifidianana, araka ny fanazavana. Rehefa tsy nahomby mantsy ilay resaka zom-pirenena, dia nipoitra indray ny tsy fanekena ny fanapahan’ny HCC izay nanome ny fitantanana ny firenena ho an’ny Governemanta ifarimbonana, taorian’ny fandavan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny handray ny fahefana maha Filoham-panjakana. Haratsiam-panahy ny filazana fa tsy manaraka ny Lalàmpanorenana izany, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Ny fanapahana noraisin’ny HCC tamin’ny 2018, hoy izy, dia efa nampiasa ny andininy faha-52 tao amin’ny Lalàmpanorenana, fony ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina niala teo amin’ny Fitondrana fa nirotsa-kofidianana. Io fanapahana io izay lasa Didy fakan-tahaka (Jurisprudence) ka nampiasain’ny HCC ankehitriny ihany koa, ka nandraisan’ny Governemanta ny fitantanana. Rehefa ny HCC notendren’andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ve izany no mamoaka ny fanapahana dia mety, fa rehefa ny HCC ankehitriny dia olana?, hoy izy nametraka ny fanontaniana.
Misy didin’ny HCC ekena sy tsy ekena ?
Mbola nokianiny ihany koa ireo mpanohitra, indrindra ireo mpirotsa-kofidiana miisa 10 izay manenjika mafy ny HCC sy ny Ceni amin’ny fomba fiasan’izy ireo, kanefa manaiky ny fanapahana sy ny lamina avoakan’ireo rafitra ireo ihany. Tafiditra tao anatin’izany ohatra ny Didy navoakan’ny HCC momba ireo kandida ofisialy afaka mifaninana amin’ny fifidianana. Maninona no neken’ireo kandida ireo iny lisitra iny kanefa lazaina fa tsy azo atokisana ny HCC ? Sa rehefa didy mifanaraka amin’ny andrasan’izy ireo dia mety fa rehefa didy araka ny lalàna dia tsy mety? Toy izany ihany koa ny Ceni izay nikarakara ny fisarihana ny laharan’ny Kandida. Tonga teny avokoa ireo Kandida ary samy faly nahazo ny vokatry ny fisarihana, ary misy mihitsy aza efa mametaka ny laharany eny amin’ny haino aman-jeriny. Tampotampoka eo anefa dia lazaina fa tsy azo atokisana indray ny Ceni. Niantso ny vahoaka, noho izany, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy mba tsy hanaiky ho voarebirebin’ireo kandida izay miezaka manakorontana ny zotram-pifidianana kanefa sady manao fanomanana sy mitety faritra ihany ny sasany.




