PolitikaSongadim-baovao

FIKAMBANANA « CS-ANR » : « Tsy vahaolana ny fidirana amin’ny Fitondrana Tetezamita »

Eo anatrehan’ireo asa vitan’andriamatoa Andry Rajoelina sy andalampahavitana ary izay rehetra mbola hotanterahina eto amin’ny firenena, ny fikambanana CS-ANR dia velom-panantenana sy matoky ho an’ny fandrosoana, koa manohana ny Kandida Laharana faha-3 dia Andriamatoa Andry Rajoelina amin’ny fifidianana ho filohampirenena hoavy izao, ho fanohizana ireo asa fampandrosoana ny Firenena maro izay efa notanterahiny. Kihon-dalana vaovao indray no lalovan’ny firenentsika, satria hiatrika fifidianana Filoham-pirenena ny vahoka Malagasy. Manoloana izany fikambanana CS ANR dia misarika ny sain’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka mba tsy ho voarebireby ny mpanao politika sasany ka ho voasintona any amin’ny lalana diso. “Tsindrinay fikambanana CS-ANR fa tsy vahaolana hoan’ny firenena sy hoan’ny vahoaka Malagasy ny Korontana sy ny fidirana amin’ny fitondrana Tetezamita. Ny Fikambanana CS-ANR dia manohana ny zotram-pifidianana izay misy ankehitriny ary miantso ny olompirenena rehetra mba hiandry ampitoniana ny fifidianana izay ho tontosaina ny faha 9 Novambra 2023 hoavy izao, sy hanaiky ny valimpifidiana ofisialy avoakan’ny tompompahefana amizany », hoy ny fanambarana.

Manentana ireo kandida hifaninana sy ny mpanohana azy ireo ny CS ANR mba hampanjaka ny fifanajana araka ny soatoavina maha Malagasy, ka hampitsahatra ny fifandrangitana sy fifandrafesana satria tombontsoa ny vahoaka no banjinina ary Tanindrazana iombonana i Madagasikara.

Fiovana maro no hita

Hitan’ny fikambanana fa maro ny fiovana teto amin’ny firenena tao anatin’ny 5 taona lasa, Fotodrafitrasa maro no nitsangana izay mipetraka ho fananana imbonana sy hijanona holovain’ny taranaka Malagasy. Tsapan’ny fikambanana ny fitsinjarana tsy nitanila ireo asa fampandrosoana notontosaina teto amin’ny firenena ary hita fa tsy nisy ny faritra natao ankilabao fa nitovy lanja avokoa ny rehetra. Iarahan’ny vahoaka Malagasy rehetra manaiky, fa na dia nandalo fotoan-tsarotra aza ny firenentsika dia tsy nitsanga-menatra ary tsy nandohalika toy firenena maro hafa manerana izao tontolo izao i Madagasikara fa nahatontosa antsakany sy andavany ny andraikitra izay nankininy vahoaka taminy ny Mpitondra.

« Tsy azo afenina fa nahazo fitokisana avy amin’ny vondrona iraisampirenena ny fanjakana Malagasy. Porofon’izany ny fanaovan-tsonia ireo tetikasa maro sy goavana toy ny: lalambe migodana, ny lalam-pirenena faha-44, faha-13, faha-5A, faha-9, faha-10, ny tetikasa Sahofika, Volobe II ho famokarana angovo sy ny maro hafa », hoy ny fanambarana.

Fermer