Songadim-baovaoToekarena
FAHOMBIAZAN’NY VONDRONA “SODIAT”: Vokatry ny ezaka avy amin’ny mpiara-miasa tao anatin’ny 33 taona
Orinasa malagasy mamelona olona maherin’ny 4 000 ny Vondrona Sodiat. Nankalaza ny faha-33 taona nisiany ity Orinasa ity ankehitriny, izay nomarihina tamin’ny hetsika lehibe tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina, ny alahady teo. Nisy koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiara-miasa naharitra teo anivon’ny orinasa nandritra ny lanonana.
Ny taona 1990 no niforona ny orinasa Sodiat. Sehatra tokana no niseharany tamin’izany, dia ny tontolon’ny fitaterana. Misongadina anefa ny ezaka sy ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo mpiara-miasa rehetra tao anatin’izany 33 taona nisiany izay, ka ankehitriny dia efa misandrahaka amina sehatra maro ny Sodiat, izay lasa Vondrona orinasa Sodiat. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny Fizahantany, ny “Immobilier”, ny Asa fanaovan-gazety sy haino aman-jery, ny Fahasalamana, ny Fanondranana, ny fitaterana an’habakabaka, ny Asa vaventy sy ny fanamboarana trano, ny Transit, sy ny maro hafa.
Nambaran’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona orinasa Sodiat, andriamatoa Maminiaina Ravatomanga, nandritra ny lahateniny, fa raha toa ka mpiara-miasa nanodidina ny 3 no nanomboka tany am-piandohana, dia mpiara-miasa mihoatra ny 4 000 ankehitriny no misy ao amin’ny Sodiat. Niainga tamin’ny trano kely nofaina teo Ankadifotsy ny birao tamin’izany. Ankehitriny dia misandrahaka amin’ny Faritra maro toa an’Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, Boeny, ary Anosy.
Fiarahamiasa azo atokisana
“33 taona izany raha oharina amin’ny olombelona, efa anaty fahamatorana tanteraka”, hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Sodiat. Fotoana izay nanambarany ny maha zava-dehibe ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-miasa. Hoy indrindra izy, “Ny orinasa, toy ny tao-trano. Mila atao mafy orina. Ny mpiara-miasa tsirairay no singa mandrafitra azy. Rehefa tsy azo itokisana ny iray dia ny trano rehetra no mitongilana. Noho izany, ny fiaraha-miasa azo itokisana no nahamafy orina ny Sodiat nandritra ny 33 taona”, hoy hatrany izy. Azo ambara, araka izany, fa ny asa sy ny ezaka avy amin’ny olona maro no tsy ambaratelon’ny fahombiazany.
Tao anatin’izany ihany koa no nankasitrahan’ny PDG Maminiaina Ravatomanga ny fiaraha-mientan’ireo mpiara-miasa rehetra. “Ianareo mpiara-miasa ireo no anisan’ny fototra naha-Sodiat ny Sodiat”, hoy hatrany izy. Ny tenany izay nanamarika tamin’ireo mpiara-miasa izay tonga maro be tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, fa fahatokisana no ilaina fa tsy tahotra. Tsy misy atahorana, hoy izy, rehefa manao ny marina. Ary tsy misy atahorana rehefa manao ny asany araka ny tokony ho izy, sy manaja ny teny nomena. “Samihafa tanteraka ny manaja sy ny matahotra. Aza atahorana aho. Mifanaja isika fa tsy mifankatahotra”, hoy izy tamin’ireo mpiara-miasa teo anivon’ny Vondrona Sodiat.
Mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiara-miasa 270
Nandritra ny lanonana natao ny faran’ny herinandro teo koa no niarahaban’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Sodiat ireo mpiara-miasa miisa 270 izay isan’ny naharitra tao anatin’izay 33 taona nitsanganan’ny orinasa izay. Nisy ny fanolorana medaly sy mari-pankasitrahana azy ireo ka ireo izay naharitra nihoatra ny 25 taona teo anivon’ny Orinasa dia nisitraka mari-pankasitrahana manodidina ny karama enim-bolana eo ho eo. Ireo naharitra nihoatra ny 20 hatramin’ny 25 taona kosa dia notolorana mari-pankasitrahana sahabo eo amin’ny karama efa-bolana. Ary ireo mpiara-miasa izay efa naharitra 15 hatramin’ny 20 taona, dia nahazo mari-pankasitrahana sahabo eo amin’ny karama telo volana.
Ireo mpiasa-miasa rehetra tsy ankanavaka kosa dia nisitraka “panier garni” ahitana Vary, Menaka, Savony, Paty, Sira sy siramamy. Teo am-pamaranana dia tsy nohadinoan’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Sodiat, andriamatoa Maminiaina Ravatomanga ny nisaotra ireo mpikambana teo anivon’ny Comité de Direction an’ny orinasa.
Ny Fanoratana.




