
PolitikaSongadim-baovao
ZOTRAM-PIFIDIANANA: Tsy voasakan’ny savorovoro iniana volena
« Marisika ny olona hanatanteraka ny adidiny amin’ny fifidianana ho avy », hoy ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Andrianarisedo tao Vangaindrano, tamin’ity herinandro ity. Fotoana izay nanambarany ihany koa, fa tsy misy fiantraikany velively amin’ny asan’ny Ceni ny adihevitra politika manodidina ny fitantanana vonjimaika ny firenena ankehitriny, amin’ny maha mahaleotena azy ireo.
Tsy mahasakana ny firosoan’ny fikarakarana ny fifidianana ny savorovoro katsahin’ny sasany volena eto amin’ny firenena ankehitriny. Raha tsorina dia eto an-drenivohitra ihany no andairan’io tsaho sy fanakorontanana inian’ny sasany volena io. Any amin’ny Faritra hafa, tena mihazakazaka ny olona handeha handray ny karatry ny mpifidy. Tany amin’ny tapany Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny no nanaovan’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Andrianarisedo, fitsidihana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, ao anatin’ny dingana fizarana ny karatry ny mpifidy. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Ceni dia efa maherin’ny 80%-n’ny mpifidy no efa nahazo ny karatry ny mpifidy ho an’ny distrikan’i Farafangana. 70% kosa izany ho an’ny distrikan’i Vangaindrano. Amin’ny ankapobeny dia efa miandry ny datin’ny 09 novambra ny vahoaka any an-toerana. « Marisika ny olona hanatanteraka ny adidiny amin’ny fifidianana ho avy”, hoy ny Filohan’ny Ceni. “Tena vonona ary mazoto ny hifidy. Tena vonona fa aleo hiroso ny fifidianana. sady efa nahazo karatra”, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo olon-tsotra tany an-toerana.
Fandaharana manokana
Ankoatra izay, noresahin’ny Filohan’ny Ceni manokana ihany koa ny amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fampandraisana anjaran’ny kandida ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, amin’izao mialohan’ny fifidianana izao. Misy ny fandaharana vokarin’ny eo anivon’ny Ceni izay efa nampahafantarina ireo kandida 13, araka ny fanazavana. “Manainga ireo kandida mba ho tonga amin‘ireo fandaharana karakarain’ny ceni ao amin’ny haino amanjerim-pirenena ireo”, hoy ny Filohan’ny Ceni. Tsara marihana fa io fandaharana io dia vokatry ny fanajana any didy aman-dalàna ao amin’ny andininy faha-110 ao amin’ny Lalàna fehizoro laharana 2018-008 mifehy ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Voafaritra ao anatin’izany fa mandritra ny fotoana mialohan’ny fifidianana dia afaka maneho hevitra ny kandida, ka ny Ceni no manao ny andraikitry ny ANRCM.
Tetibola mitentina 2 lavitrisa Ariary
Mbola ao anatin’izay fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ny fampiasana ny tetibola mitentina 2 lavitrisa Ariary, izay efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolampanjakana taona 2023, hiantohana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminambahoaka mandritra ny vanim-potoana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.Natao handoavana ny tambi-karaman’ireo mpitandro filaminana rehetra miasa ao anatin’izay vanim-potoanan’ny fifidianana izay io tetibola io. Hanao didim-pitondrana avy hatrany ny Minisitera misahana ny tetibola, ahafahana mandefa ny vola any amin’ny Paositra Malagasy. Ka amin’ny alalan’ny “e-poketra” no handoavana ny tambikaraman’ireo mpitandro filaminana voakasika.



