PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Hampandany ny Kandidà Rajoelina ny ARMADA
Nisy ny fanambarana iombonana nataon’ireo Antoko Politika lehibe miisa 13 mivondrona ao amin’ny « Alliance Républicaine de Madagascar – ARMADA» omaly, tetsy Antaninarenina, izay naneho fanohanana ny Kandida laharana fahatelo ao amin’ny Bileta tokana, Andry Rajoelina. Tafiditra ao anatin’izany Antoko Freedom, izay isan’ireo efa nanao fanambarana voalohany ho fanohanana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
“Ny “ARMADA” dia nanapa-kevitra ny hanohana sy hampandany ny kandida laharana fahatelo ao amin’ny bileta tokana, dia andriamatoa Andry Rajoelina, satria miteny ho azy ny zava-bitany tao anatin’ny fepotoam-piasany voalohany ka heverinay fa mendrika hotohizana”, hoy ny fanambarana iombonan’ireo Antoko politika 13 omaly. Nambaran’izy ireo fa na teo aza ny olana maro nolalovan’i Madagasikara sy izao tontolo izao, tao anatin’ny 3 taona nifanesy izay, dia maro dia maro ny fanovana, fanavaozana, fampivoarana nentin’ny fitondran’Andriamatoa Andry Rajoelina, ka nahavitantsika dingan-dava teo amin’ny sehatra maro nanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana tao anatin’ny taona maro.
Nolazain’izy ireo ihany koa fa tsy azo odian-tsy hita ireo ezaka maro be nampivoarana ny fiainan’ny mponina andavanandro, ny fananganana toby miaramila sy zandary tany amin’ny faritra mena nentina niady amin’ny halatr’omby sy ny asan-dahalo, sekoly, toeram-pitsaboana sy hopitaly, tribonaly manakaiky vahoaka, orinasa isaky ny distrika, lalana pavé any anatin’ny distrika sy faritra isan-karazany, kianja manarampenitra, biraom-panjakana isan-tokony tonga hatrany amin’ny kaominina rehetra, fotodrafitrasa ara-tsosialy, ara-panatanjahan-tena sy ara-kolontsaina maro be, fotodrafitrasa ara-pambolena sy fiompiana, fizarana karatany hiantohana ny maha-tompo-tany ny malagasy, fizarana « titre vert » ho an’ny fianakaviana tantsaha, fitodihana manokana tany amin’ny faritra atsimo mba hiadiana amin’ny kere, fananganana fantson-drano goavana, fanaovana tetikasam-pambolena midadasika, fampidirana mpiasam-panjakana maro teo amin’ny sehatry ny fampianarana, fahasalamana, fandriam-pahalemana, fitsinjovana ny tena marefo tamin’ny alalan’ireo fandaharanasa ara-tsosialy maro be tahaka ny vatsy tsinjo, tsena mora, tosika fameno sns…
Lesoka mila arenina
Tetsy ankilany, niaiky ireto antoko politika ireto fa mbola maro ny lesoka mila arenina sy hahitsy. Nosinganin’izy ireo manokana tamin’izany ny fanatevenana ny ezaka rehetra mila hatao mikasika ny vesatry ny sondro-bidim-piainana sy ny fihenan’ny fahefa-mividy ho an’ny vahoaka malagasy, ny olan’ny angovo mampikaikaika ny sarambabem-bahoaka sy ny sehatra tsy miankina, ny famoronana asa indrindra ho an’ny tanora, ny fanohizana ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, ny fampitomboana ny tetikasa mahakasika mivantana ny tantsaha mpamboly sy mpiompy, ary indrindra ny fanalefahana ny fiantraikan’ny krizy ara-toekarena maneran-tany amin’ireo mpiray tanindrazana tena marefo.
Fanohizana ireo tetikasa lehibe
Isan’ny antony lehibe mahatonga ny ARMADA manohana ny Kandida Andry Rajoelina koa ny tokony hanohizana ireo tetikasa lehibe efa natomboka nandritra ny fepotoam-piasana voalohany. Anisan’ny goavana indrindra amin’ireny ny lalambe migodana na “autoroute” voalohany eto Madagasikara mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny “pipeline” any Efaho, ny “téléphérique” hampivoarana ny fitaterana eto an-drenivohitra ka hamahana ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny asa fambolena vary midadasika amin’ireo lemaka lehibe samihafa eto Madagasikara. Ilaina koa ny hanaovana ezaka manokana hamitàna izay rehetra nampanantenaina nefa mbola tsy tanteraka.
Savorovoro politika
Eo anatrehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny kosa, miantso ny tokony hanajan’ny rehetra ny tetiandro efa voafaritry ny Ceni ny ARMADA, dia ny fihodinana voalohany amin’ny 09 novambra 2023. Ireto antoko politika 13 ireto, araka izany, dia manameloka tanteraka ny fitadiavana savorovoro politika eto Madagasikara na fandatsahan-drà izay hamono ny firenena ary manindry mafy fa tsy mendrika iaina korontana na krizy politika iniana volena intsony ny vahoaka malagasy.
Miantso ireo kandida efa nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny ARMADA mba hifantoka amin’ny fifidianana, hany fomba tokana hahazoana miakatra eo amin’ny fitondrana ny firenena. “Tsy fahavalonareo akory ny kandida Andry Rajoelina fa namana mpifaninana aminareo ihany”, hoy ny fanambaran’izy ireo.
IREO ANTOKO POLITIKA 13:
- ADN
- AKFM
- AKFM FANAVAOZANA
- AVANA
- AVI
- FREEDOM
- GFFM
- HIARAKA ISIKA
- LIARAIKE
- MAITSO
- MDM
- RPSD
- TGV
- ary ireo mpikambana avy amin’ny antoko LEADER FANILO


