PolitikaSongadim-baovao
TANJAKA ARA-POLITIKAN’NY KANDIDÀ : « Ny fifidianana ihany no andrefesana izany », hoy ny Filohan’ny Ceni
Notontosaina omaly teny Foiben’ny Ceni Alarobia ny sehatra ifanakalozana mahakasika ny fikarakarana ny fifidianana andiany fahefatra. Nitarika ny fihaonana ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, izay niantso ireo Kandidà mba tsy hanao kabary mivoy fankahalana sy fihantsiana, ary tsy hiandrandra zava-kafa ankoatra ny fifidianana ihany. Manaja ny fanehoan-kevitra ny Ceni, hoy izy, saingy ny fifidianana ihany no hahafahana mandrefy ny tanjaka ara-politikan’ny Kandidà iray.
Amin’izao ankatoky ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika izao, nanatontosa sehatra ifampizaram-baovao sy ifanakalozan-kevitra mahakasika ny fikarakarana ny fifidianana ny CENI. Mpilatsa-kofidiana, solotenan’ny mpilatsa-kofidiana, solotenan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny avy amin’ny mpanao lalàna, firaisamonimpirenena ary solotenan’ny hainovakijery no nandray anjara tamin’izany.
Nambaran’ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, nandritra izany, fa mandala ny fifanakalozan-kevitra ny ceni, ary manaja ny fanehoan-kevitra amin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana. “Ny hany takinay dia mba atao ao anatin’ny fifanajana sy lavitry ny fihantsiana sy ny fifandrangitana ny fanehoankevitra izay atao. Ary ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ary ireo fifanarahana iraisampirenena izay nankatoavintsika”, hoy ny Filohan’ny Ceni. Notsindriany anefa fa tsy tokony hisy ankolafin-kery na ankolafin’olona afaka ny hilaza fa tompon’ny fahamarinana tanteraka amin’ny fanehoankevitra izay ataony. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny sehatra ifanakalozana toy ny omaly mba ifampihainoana.
Fifehezana ny mpanohana…
Andro vitsy mialohan’ny fampielezan-kevitra isika ankehitriny. Nisy ny hafatra manokana nomen’ny Filohan’ny Ceni omaly. Ny tanjona dia ny hisian’ny zotram-pifidianana miteraka filaminana, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana, izay ao anatin’ny mangaraharaha sy andraisan’ny rehetra anjara. Nampahatsiahy an’ireo kandidà 13 ny Ceni fa mpifaninana izy ireo fa tsy mpifandrafy na mpifahavalo. “Aoka ny kabary mba tsy hivoy fankahalana na fihantsiana, fa tokony hiompana amin’ny fampahafantarana ny programanasa, ary izany no andresena lahatra ny vahoaka. Samy manana olona manohana ianareo. Ka aoka mba samy hahay hifehy ny mpanohana anareo avy, mba hitandro hatrany ny filaminana”, hoy ny fanambarana. Nohamafisiny fa zava-doza no miseho raha sanatria ka hifampihantsy ny mpomba ny kandidà tsirairay. Ary tomponandraikitra amin’izany ireo kandidà. “Aoka ny vokatry ny latsabato amin’ny 09 novambra no andrefesana ny tanjaka ara-politika ananan’ny kandidà tsirairay”, hoy hatrany ny Ceni.
Tamin’ny ankapobeny dia niray feo ny amin’izay tokony hirosoana amin’ny fifidianana izay ireo mpandray anjara tamin’ny sehatra ifanakalozana omaly, izay nokarakarain’ny Ceni, niaraka tamin’ireo mpiara-miomboka antoka ”PNUD”.




