PolitikaSongadim-baovao
ANDRO VOALOHAN’NY FAMPIELEZAN-KEVITRA : Naneho fahavononana hiara-dalana amin’i Andry Rajoelina ny Vahoaka
Nanomboka omaly, ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena hotontosaina amin’ny 09 Novambra ho avy izao. Nisy ny fitrotroana am-bavaka ny Kandidà Andry Rajoelina, kandidà laharana fahatelo, amin’izao fiatrehana ny fampielezan-kevitra izao, teny Mahatazana Akamasoa misy ny tobin-dry Mompera Pedro. Taorian’izay nihazo an’Antsiranana ny kandidà Andry Rajoelina. Naneho ny fahavononany iara-dalana amin’i Andry Rajoelina ny vahoaka, amin’io fifidianana tsy ho ela io…
Tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana teny Mahatazana Akamasoa misy ny tobin-dry Mompera Pedro no nanombohan’ny Kandidà Andry Rajoelina, laharana fahatelo amin’ny biletà tokana, ny fampielezan-kevitra omaly. Fotoam-pivavahana narahina hira fiderana niaraka tamin’ireo mpanakanto ara-pilazantsara. Nomena ny lohahevitra hoe : » Finoana ao anaty fandresena », izany fitrotroana am-bavaka ny kandidà laharana fahatelo izany. Vahoaka marobe teto Antananarivo sy ny manodidina no tonga nanotrona izany miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpanohana an’ity kandidà laharana fahatelo ity. » Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no handresy antsika ». Nisy ny lahateny nataon’ny kandidà Andry Rajoelina laharana fahatelo nandritra izany. « Na rehefa hisakafo aza dia tsy maintsy mivavaka aloha isika , mainka fa hanatanteraka izao adidy Masina izao, rariny raha hatomboka amin’ny vavaka izany. Ny vavaka an-tendrombohitra tahaka izao ataontsika ety Mahatazana Akamasoa izao dia misy dikany lehibe. Tsy maintsy henoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika ary mino aho fa tanterahany ny hetahetatsika. Raha Andriamanitra no momba antsika iza no handresy antsika ? Tsy maintsy mandresy isika, mandresy anaty fitiavana, ary i Madagasikara tsy maintsy mandresy », hoy izy. Ataoko ny fomba rehetra hanavotana an’ i Madagasikara. Tsy maintsy mandresy isika na iza na iza hisakana. Na iza na iza hiezaka andavo antsika dia tsy hahavoa antsika izany satria manana fiarovana lehibe isika dia i Jesosy kristy » hoy ny fanantitranterany.
Mpanangana fa tsy mpandrava…
« Na ny zavatra lavenona aza dia vitantsika ny nanangana azy. Ny zavatra nodorana aza, vitantsika ny nanangana azy. Ny sasany dia ny handrava, ny handoro, ny handrodana ka tsy mila izany intsony ny vahoaka malagasy. Tamin’ny 1972, nampirisihina ny mpianatra handoro ny Lapan’ny Tanàna. 36 taona taty aoriana, rehefa voafidy ho Ben’ny tanàna aho dia natsangako ny Lapan’ny tanàna », hoy ny kandidà laharana fahatelo.
Nisy nandoro indray ny Rovan’ i Madagasikara, may tao daholo ny Lapa rehetra. Maro ny mpitondra nifandimby fa isika no nanangana ny lavenona ka nijoro izany Lapa izany. Ny dikan’ izany, isika mpanangana fa tsy mpandrava, hoy ny Kandidà Andry Rajoelina tsy niolaka. Tsy maintsy ho vitantsika ny hanangana an’i Madagasikara mandroso, sy mamiratra ary ho an’ny Malagasy.
Tao anatin’ ny efa-taona sy valo volana nitondrako, dia maro ny mpianatra mianatra amin’ny tafolanitra, ambany ravinkazo. Isika izao no nanamboatra sekoly be indrindra teto Madagasikara miisa hatrany 4098 ny efitrano fianarana nataontsika, ka efa mihoatra ny 200 000 ireo mpianatra mianatra amin’ny Sekoly Manarapenitra.
Maro ireo zava-bita…
Nanomboka 1960 ka hatramin’ny 2019 dia hopitaly lehibe miisa 15 no nisy teto Madagasikara. Miisa 28 kosa, ny hopitaly nataontsika tao anatin’ny efa-taona monja. Nanao Oniversite maro manerana ny Faritra ka efa maro ny vita. Izay ny asa nataontsika, ka izay no hatahorany satria mahatsapa ny vahoaka. Raha miroso amin’ny Fifidianana isika, hoy izy, izaho manokana, tsy mbola resy aho tamin’ny fifidianana rehetra nataoko ary isika tsy maintsy mandresy. Ny ratsy dia te hanakorontana antsika. Amin’ izao fotoana izao no ahitana ny tena namana sy ny fahitsiana. Maro zava-bita fa maro koa ny tokony mbola hatao. Isan’izany ny famoronana asa, sy fanampiana ny renim-pianakaviana. Izay zavatra tsy vita tao anatin’ny dimy taona izay, dia ho vitaina ao anatin’ny dimy taona manaraka.
Ampiantsika dimy taona indray hanavotana an’ i Madagasikara. « Tsy maintsy mandresy isika, na valo, na sivy na 11 dia tsy maintsy mandresy isika. Ataontsika manakoako manerana an’ izao tontolo izao fa matanjaka isika ». Fangatahan’ny kandidà Andry Rajoelina « rehefa amin’ ny 6 ora, 10 mn fotsiny hoe : “ Jesosy Kristy, arovy Prezida ary ataovy mandresy izy”.
Tsy miala amin’ny Volomboasary Antsiranana…
Nisantaran’ny kandida laharana fahatelo ny fidinana an-kianja amin’ny fampielezan-keviny ny tao an-drenivohitry ny Faritra Diana. Vahoaka maro no tonga nitsena azy tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Arrachard, tao Antsiranana, omaly hariva. Fiara sy moto maro no nitanjozotra nanaraka azy hatreny amin’ny kianja manara-penitra tao an-toerana. Niravaka loko volomboasary tanteraka tao an-toerana.
Naharitra ora iray ny diany nihazo ny kianja. Tamin’ny 7 ora sy fahefany no nigadona nanoloana ireo vahoaka niandry azy, nanomboka tamin’ny telo ora tolakandro. Nahafaly ny mponin’Antsiranana ny nahita ny Filoha teo aloha mivady, niaraka tamin’ny zanany lahy, niakatra ny lapihazo, voaomana hanatanterahana ity fidinan’ny kandidà laharana fahatelo an-tsehatra voalohany ho an’ny fampielezan-keviny ity.
Fihodinana voalohany dia vita…
Natomboka tamin’ny fampahafantarana ireo mpanakanto ampolony nisafidy ny hanohana azy ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo. Mampiavaka azy ireo ny fifasamihafana, satria, voasolo tena avokoa ny ankamaroan’ireo faritra samihafa eto Madagasikara. Kandidà mandala fampiraisam-pirenena rahateo, Andry Rajoelina. Narahina ny hira faneva noventesin’ireo mpanakanto ireto izany. »Lany zato isan-jato ianao eto », hoy ny mpanakanto Dalvis. Olom-boafidy maro sy ireo minisitra roa vavy teo aloha no tonga nanatrika ity fisantarana ny fampielezan-kevitra tao Antsiranana renivohitra ity, omaly. Nambaran’ny filoha teo aloha dry Rajoelina, fa efa imbetsaka ny fihaonana nataony tamin’ireo vahoaka tao an-toerana , saingy tsy mbola nisy vahoaka maro toy izao teto Antsiranana. »Raha Antsiranana no jerena dia fihodinana voalohany dia vita. Tsy misy handresy antsika na iza na iza. Vao avy nivavaka aho hoe aiza no hanombohako ny fampielezan-kevitra dia hoy aho hoe ao amin’ny tendron’i Madagasikara, Antsiranana no tiako sy ato am-poko. Fantatrareo ny fitiavako anareo ary fantako ny fitiavanareo ahy », hoy izy sady nanamarika fa Antsiranana tsy miova loko ary volomboasary hatrany.
Isika tsy maintsy mandresy ary tsy misy maharesy antsika. Ny vahoaka ihany no masi-mandidy. Misy kandidà tsy manao afa-tsy manakorontana, kanefa isika dia mizara fitiavana hatrany. Midika izao fa tsy misy mandresy ahy, na iza na iza. Tsy miovaova loko fa volomboasary ihany, nandritra ny kabariny.
Rado Harivelo




