PolitikaSongadim-baovao

FANERENA SY FANDRAHONANA HO FATY : Nodisoan’ny Governemanta ifarimbonana ny fanambaran-dRazafimahefa Herimanana

Samy tsy nisy nanampo avokoa ny mpanara-baovao afak’omaly hariva raha nahita ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa, tao amin’ny fahitalavitra vahiny iray. Nambarany tao anatin’izany fa noterena sy norahonan’ny mpikambana vitsivitsy ao anaty Governemanta ho faty izy mba tsy handray ny andraikitra maha-Filoham-panjakana mpisolo toerana azy. Notsindriany mihitsy fa fombana mafia no natao azy. Ary tsy maintsy nalefany tany Frantsa ny zanany vavy mba ho fitandroany ny ainy. Nivoaka tao anatin’izany fanadihadiana izany koa ny anaran’ny olona roa izay voalaza fa nanery azy tsy handray ny toeran’ny Filoham-panjakana, ary hametra-pialana tsy ho Loholona mihitsy ka hotendrena ho masoivoho any ivelany.  Tao anatin’ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety malagasy omaly, dia mbola nohamafisin’andriamatoa Herimanana Razafimahefa avokoa ireo nambarany ireo.  

Omaly maraina, namoaka fanambarana ofisialy ny Governemanta Ifarimbonana, tarihin’i Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Atoa Christian Ntsay omaly. “Manameloka amin’ny heriny manontolo ny filazana lainga nataon Atoa Herimanana Razafimahefa, Filohan’ny Antenimierandoholona, ary manamafy fa tsy nisy mpikambana ao anaty Governemanta, nanao tsindry taminy na nivantana na ankolaka mikasika ny fandraisany ny toeran’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, na taloha na nandritra ny andron’ny 08 septambra 2023”, hoy ny fanambarana.

Sarotra inoana…

Raha tsiahivina, ankoatra ilay taratasy nalefany, ny 08 septambra 2023, tany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay nandà ny fandraisana ny toeran’ny Filoham-panjakana, dia niarahan’ny Malagasy rehetra nahita koa ny fanambarana an- tsoratra nataon’Andriamatoa Filohan’ny Antenimieran-doholona, izay nohamafisiny am-bava teo anatrehan’ny loholona maro ny andron’ny 13 septambra 2023 nilazany fa nanao io taratasy fandavana an-tsitrapo nankany amin’ny HCC io tokoa ny tenany, tsy handray an’io andraikitra mpisolo toerana io, noho ny antony manokana. Sarotra, araka izany, ny inoana raha iray volana aty aoriana dia mitsipaka tanteraka ny zavatra nambarany ampahibemaso indray izy. “Ny Governemanta iray manontolo dia tahaka ny vahoaka Malagasy rehetra ihany. Ny fanapahana laharana faha 12-HCC/D3 tamin’ny faha 9 septambra 2023 navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana no nahalalany fa izy no voatendry hanatanteraka ny asan’ny Filoham- panjakana mpisolo toerana”, hoy ny fanambarana.

Fanakorontanana ny fifidianana

Nanamafy ny teo anivon’ny Governemanta fa ny fanambarana niniana natao ankatoky ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia midika ho fanakorontanana ny saim-bahoaka tsy hifantoka any amin’izany fampielezan-kevitra izany. Ny Governemanta Ifarimbonana dia mitsipaka marindrano ny fomba rehetra ataon’ny mpanao politika sasany ankehitriny tsy hirosoana amin’ny fifidianana. Ankoatra izay, manamafy ny Governemanta fa tsy misy lalana ivelan’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, afatsy ny firosoana amin’ny fifidianana. “Manao ny fomba rehetra ny Governementa Ifarimbonana izorana ho amin’izany ary manome toky ny vahoaka Malagasy rehetra fa miasa tsy mitsahatra hiantohana ny filaminana sy ny fitoniana manerana an’i Madagasikara, ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana filoham-pirenena izao, ary manohy ny asany ho fampandehanana ny fiainana andavanandron’ny mponina”, hoy ny fanambaran’ny Governemanta ifarimbonana omaly.

Tsara ho fantatra fa nametraka taratasy fahavononana handray ny toeran’ny Filoham-panjakana indray teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), andriamatoa Razafimahefa Herimanana, omaly. Mampametra-panontaniana ihany hoe lasa atao toy ny kilalaon-jaza toy izany ve ilay fiainam-pirenena ? Didin’ny HCC rahateo dia voalaza ombieny ombieny fa didy tsy azo ivalozana, ka andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha…

Ny Fanoratana.

Fermer