PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHAM-PIRENENA: Nangataka fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana maika ireo Loholona maro an’isa

Manoloana ny toe-draharam-pirenena ankehitriny, izay nisiana fanambarana tsy mitombina indroa miantoana nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, dia nandray fanapahan-kevitra ireo Loholona maro an’isa miisa 14 ao anatin’ny Vondrona IRD, nangataka fivoriana tsy ara-potoana maika tamin’ny Governemanta ifarimbonana, handinihan’izy ireo sy handraisany fepetra ao anaty fotoana faran’izay haingana mikasika io zava-misy io.

Tsy kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena, hoy ireo Loholona 14 ao anatin’ny Vondrona IRD raha nanao fanambarana omaly manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Midika tsy fahamatorana ireny fihetsika nasehon’Andriamatoa Razafimahefa Herimanana, Filohan’ny Antenimierandoholona ireny, izay voalaza fa mampametra-panontaniana ny amin’ny fahasalamany ara-tsaina. « Ho sarotra tokoa ny niheverana nanankinana ny fitantanana ny raharaham-pirenena amina tompon’andraikitra mivadibadi-dela tahaka izany », raha ny fanampim-panazavana. Notsiahivin’ireto Loholona 14 anaty vondrona IRD ireto, fa raha ny 13 septambra 2023 dia nanao fanambarana an-tsoratra ny Filohan’ny Antenimierandoholona, nanamafy fa nametraka taratasy teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tokoa ny tenany, ny 08 septambra 2023, nilaza ny fandavany tsy handray ny andraikitra maha Filoha mpisolo toerana azy noho ny antony manokana. Namafisiny ampahibemaso izany, teo anatrehan’ireo Loholona miisa 09, ary novakiany ho ren-tany ren-danitra, ary tsy nisy mihitsy tao anatin’izay fotoana nilazany tamin’izy ireo, na marika nentiny nilazana fa voatery ny tenany nanao io taratasy fandavana io, fa tamin’ny nahim-pony tanteraka no nandraisany fanapahan-kevitra. Ny 09 oktobra 2023 anefa, izany hoe iray volana taty aoriana, dia gaga ireo Loholona rehetra, satria nivadika tanteraka tamin’izay nambarany izy, raha niresaka tamina fahitalavitra vahiny, fa tsy sitrapony indray ny fanapahan-kevitra fandavana noraisiny, fa nisy tsindry fandrahonana nahazo azy sy ny fianakaviany. Nambaran’io fanambarana io hatrany, fa rehefa nanao fanadihadiana ireo Loholona maro an’isa voalaza, dia tsy mitombina ny zavatra nambaran’ity Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny ity. Ankoatra izay, ny tompon’andraikitry ny fiarovana eo anivon’ny Antenimierandoholona, dia nambaran’izy ireo fa tsy nahalala izany fandrahonana voalaza izany, ary tsy nisy fepetra manokana noraisina hiarovana ity Filohana Andrimpanjakana iray ity, na ny fianakaviany. Nabaribarin’ireo Loholona 14, fa ny zanany vavy 15 taona voalazany iny ihany koa dia efa tamin’ny volana Aogositra 2023 no niala teto Madagasikara nihazo an’i Frantsa, noho ny fanohizany ny fianarany any ivelany, fa tsy araka izay nambaran-dRainy fa nampandosirana tsy akory.

Eo anatrehan’izany, dia nandray fanapahan-kevitra ireo Loholona maro an’isa miisa 14 ao anatin’ny Vondrona IRD, nangataka fivoriana tsy ara-potoana maika tamin’ny Governemanta ifarimbonana, handinihan’izy ireo sy handraisany fepetra ao anaty fotoana faran’izay haingana mikasika io zava-misy io.

Stan R.

Fermer