PolitikaSongadim-baovao
ANIVORANO NORD -SIRAMA AMBILOBE : Tsy mivadi-belirano amin’ny Kandidà Andry Rajoelina ny vahoaka
Nifantoka tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy ny fampielezan-kevitra notontosain’ny kandidà laharana fahatelo, omaly. Tao Anivorano Nord, Sirama Ambanja sy Ambilobe. Tsy mivadi-belirano amin’ny Kandidà Andry Rajoelina ny vahoaka ary vonona ifaneho fitiavana aminy ny vahoakan’Anivorano Nord sy Sirama Ambilobe. Tsy mihemotra izy na dia maro aza mpanenjika…
Nifantoka tany amin’ ny tapany avaratry ny Nosy ny fampielezan-kevitra notontosain’ny kandidà laharana fahatelo, omaly. Nafana dia nafana ny fandraisana ny kandidà Andry Rajoelina tao Anivorano Nord, Sirama Ambanja sy Ambilobe. Vahoaka maro dia maro no niara-naneho ny fanohanany an’ny kandidà Andry Rajoelina. Maro ny zava-bita tao anatin’ny dimy taona ary tsapa sy hita maso ny fiovana nentin’ny fitondrana Andry Rajoelina tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Tanteraka ny velirano natao manoloana ireo fotodrafitrasa vita mikasika ny lalana, ny sekoly, ny Hopitaly sy ny Kianja manarapenitra. Tsy mivadi-belirano amin’ny kandidà Andry Rajoelina ny vahoaka, noho izany, ary naneho ampahibemaso fa ny laharana fahatelo no harotsak’izy ireo aminy 9 novambra ho avy izao.
Ho an’ny kaominina Anivorano Nord, Distrikan’i Diego II, mbola ao anatin’ny Faritra Diana, nasongadina fa nahazo fotodrafitrasa maro, ny tany an-toerana, ka ao anatin’izany ny Biraon’ny polisim-pirenena, ny Hopitaly manarapenitra, ny Biraon’ny Minisiteran’ny Mponina, ny lalana rarivato eo an-tampon-tanàna mandeha mankany amin’ny Hopitaly ary ny CEG Manarapenitra miisa roa, izay andalam-pahavitana ankehitriny. Nitorajofo tanteraka ny kianja rehefa nigadona ny kandidà Andry Rajoelina, izay notronin’ny vadiny Mialy Rajoelina sy ny zanany lahy llona Andrialy Rajoelina. « Telo ny laharana mahazo », hoy ny mponina tao an-toerana.
Hanohana ny kandidà laharana fahatelo…
Nifampitafa sy nifanao velirano ny kandidà laharana fahatelo sy ny vahoakan’Anivorano ka hifampitantana, hiaraka sy tsy hisaraka, mba hizotra ho any amin’ny fampandrosoana. Nilanja sorabaventy avokoa ny olona teo, izay manambara fa hanohana ny Kandidà
laharana fahatelo. Nihoraka ny rehetra fa telo ihany ary telo hatramin’ny farany. Betsaka ny filoha nifandimby fa tsy mbola nisy nahavita ny vitan’i Andry Rajoelina, raha mbola tao amin’ity kaominina kely anatin’ny distrikan’ Antsiranana faharoa ity. « Mikasika ny lalana dia efa betsaka ny vita teto raha tsy hilaza afa-tsy ny lalana Ambilobe – Vohémar, izay natao telo andro ka efa vita adiny roa sy sasany amin’izao. Faly ny vahoaka satria anisan’ny fampanantenana nataon’ny Filoha izany ary tanteraka soa aman-tsara. Ambilobe – Ambanja koa dia efa 80 % ny asa no vita amin’zao. « Isika tsy maintsy mandroso. Isika tsy maintsy manao ary misosa sady tsy mifandao», hoy ny nambaran’ny kandidà Andry Rajoelina. Anisany nambarany tamin’ny lahateniny fa hasiana CSBII ao aminy kaominina Ramena, distrikan’i Diego II. Ny lalan’i Ramena moa dia efa vita rakotra tara ary efa notokanana. Ny ao Anivorano koa dia hamboarina rarivato ny lalana ratsy ao an-tampon-tanàna. Ny tena manahirana ny olona ao kosa, dia ny tsy fisian’ny rano fisotro madio ka ho vitaina tsy ho ela izany. Hisy koa ny famatsiana masomboly 15 taonina ho an’ireo tantsaha izay mpamokatra vary « Madame Rose » mampalaza iny faritra iny. Io fanapahan-kevitra io moa dia noraisina tamin’ ny Filankevitry ny minisitra farany notarihin’i Andry Rajoelina, fony izy filoha. « Na avadibadiko tsy mbola nisy karaha anao ». Io hiran’ny mpanakanto Caesar io no nampitana ny hafatra fa ny vahoaka ao Anivorano dia vonona hifanome tanana amin’ny kandidà laharana fahatelo.
Nifaneho fitiavana…
Tao amin’ny Kaominina Ankaratra, Sirama Ambilobe no toerana faharoa notsidihany, omaly. Vao maraina, feno hipoka ny kianja tao an-toerana. Rakotry ny loko volomboasary ny tanàna iray manontolo. Efa hatry ny ela no nangataka ny hotsidihan’i Andry Rajoelina izy ireo. Nivaly izany fangatahana izany ankehitriny ary nifaneho fitiavana ny kandida laharana fahatelo sy ny vahoakan’i Sirama Ambilobe. Ny nahavita ny lalana Ambilobe – Vohémar no anisanl ny nanosika ny mponina teto ho raiki-pitia amin’i Andry Rajoelina. Nanova tanteraka ny fiainan’izy ireo izany, satria taloha natao telo andro fa ankehitriny kosa, adiny roa sy sasany no anaovana io lalana io. Maro ny Filoham-pirenena nampanantena hanao azy io fa i Andry Rajoelina no nahavita azy. « Betsaka ny olana iainanareo eto. Izaho efa miteny hoe tsy misy Distrika hadino intsony », hoy ny nambarany talohany nitanisa ireo asa maro vita, toy ny sekoly sy ny hopitaly marobe manerana an’i Madagasikara. Nambarany fa amin’izao « mandat » manaraka izao, satria isika tsy maintsy ho lany, dia hanampy be be kokoa ny tanora, ireo tsy an’asa, ny vehivavy mananotena, ny lehilahy ny tenany. « Ato am-poko ianareo ary hanampy anareo aho », hoy ny kandidà laharana fahatelo. Notsindriany koa fa mila filoha tia an’i Madagasikara, mila Prezidà manakaiky vahoaka sy tia vahoaka i Madagasikara. » Iray ihany ny Prezidà mahavita azy sy mavitrika. Ka na avadibadika io dia io ihany « , hoy ny vahoaka. Nanamafy ny mponin’ny Sirama Ambilobe fa vonona hifanome tanana amin’i Andry Rajoelina. « Betsaka ny manenjika ahy ankehitriny fa ny mpanenjika tsy any aloha fa any afara foana. Ilaina koa ny mahay manavaka ny maizina », hoy ny kandidà laharana fahatelo nahitsy.
Rado Harivelo



