PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Nahemotry ny HCC amin’ny 16 novambra ny fihodinana voalohany
Taorian’ny fangatahan’ny Kandidà Andry Raobelina, izay voalaza fa mbola mitsabo tena ankehitriny, sy ireo Vondron’ny Kandidà ny hanemorana ny fifidianana dia namoaka fanapahana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana omaly, nanemotra ny fifidianana fihodinana voalohany ho amin ‘ny 16 novambra izao. Tsy voakitika kosa ny datin’ny 20 desambra ho an’ny fihodinana faharoa.
Azo raisina ary mitombina ny fangatahana napetraky ny Kandidà Andry Raobelina sy ny Antoko Anjomara sy Rivo-Baovao (ARB), niaraka tamin’ireo Vondron’ny Kandidà 11, mahakasika ny fanemorana ny fifidianana noho ny mbola fitsaboan-tena ataon’ity kandidà ity, hoy ny HCC na ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Nolavin’ny HCC kosa ny filazana fa anton-javatra tsy azo anoharana no mahazo ny Kandidà Andry Raobelina raha toa ka naratra ny tenany. Nilaza mantsy ny HCC fa safidiny sy tamin’ny nahim-pony no nirotsaka an-dalambe tsy nahazoana alalana. Ary efa fantatra fa tsy maintsy handray fepetra amin’ny fanaparitahana izany ny tomponandraikitra, araka ny efa fampahafantarana nataon’ny Prefektioran’Antananarivo. Noho izany, tsy mitombina ny filazana fa zavatra tsy azo anoharana no mahazo ny Kandidà Andry Raobelina.
Namoaka fanapahana laharana 14-HCC/D3, araka izany, ny HCC omaly hariva izay milaza fa ahemotra amin’ny 16 novambra ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana voalohany izay saika natao ny 09 novambra teo. Voatazona kosa ny fihodinana faharoa amin’ny 20 desambra. Tapaka ihany koa fa miitatra herinandro ny fotoan’ny fampielezan-kevitra, ary tsy mifarana raha tsy amin’ny 15 novambra amin’ny misasak’alina. Niantso ny Governemanta ifarimbonana sy Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) handray ny fepetra rehetra mifandraika amin’io fanapahana io ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Kandida Andry Rajoelina : « Tsy mety amintsika ny fanemorana ny fifidianana »
Manoloana ny fanapahana navoakan’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly, fa mihemotra amin’ny 16 novambra izao ny fifidianana ho filoham-pirenena. Naneho ny heviny momba izany ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, tao Ambanja. « Ny fifidianana dia miteny hoe : « à vos marques, prêts, partez » efa nanome ny « top départ » ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, isika tonga dia vonona », hoy izy. Nasongadiny fa misy kandidà maromaro any tsy mbola vonona fa matahotra antsika. Isika efa mihazakazaka, ry zareo mbola variana mifampijerijery. Nanemotra fifidianana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy mety amintsika izany. « Miteny amin’ny HCC isika hoe : » tsy tokony hanao an’izany satria efa voafaritra hoe 9 Novambra ny fifidianana, araka ny lalampanorenana », hoy izy. Nanteriny fa « isika tsy mijanona intsony satria efa vonona tanteraka amin’ny fifidianana, ary ny mpomba azy dia mandala ny ara-dalàna hatrany. Tiana ny manamarika fa ny kandida Andry Rajoelina dia manohy ny fanaovana ny fampielezan-kevitra. Ho amin’ny anio, andrasana any Port Bergé izy, ary ny rahampitso sabotsy kosa, any Fianarantsoa.
LR sy Rado Harivelo.




