PolitikaSongadim-baovao

FILOHAN’NY ANTENIMIERANDOHOLONA: Nolanian’ireo Loholona maro an’isa ny fanesorana an-dRazafimahefa Herimanana

Naharitra ora vitsy ny fanombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana niantsoana ireo Loholon’i Madagasikara, tetsy amin’ny Lapa maitso Anosy, omaly. Nivoitra tamin’izany kosa taorian’ny fahalanian’ny volavolam-pandaharam-potoana, ny fanesorana ny Filohany Razafimahefa Herimanana, taorian’ny latsa-bato nataon’ireo Loholona maro an’isa. Nosalorana samboady ny Loholona vaovao, Jeneraly Ravalomanana Richard…

Iray tamin’ireo volavolam-pandaharam-potoana nolanian’ny Loholon’i Madagasikara nandritra ny fanombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana niantsoana azy ireo, omaly, ny fandaniana ny fanesorana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana. Rehefa nandeha ny latsa-bato dia miisa 15 ireo Loholona tonga nanatanteraka ny adidiny, ary samy nanao “ENY” avokoa izy rehetra. Miisa telo ny Loholona tsy tonga nandatsa-bato, dia ny Loholona avy amin’ny antoko MMM izay niala ny trano fivoriana ihany koa, ary ny Loholona vavy tokana nametraka fialan-tsiny, ary mazava ho azy ny Filoha teo aloha, izay efa nandao ny fivoriana. Tsy nisy araka izany ny nanao vato maty na nanao “TSIA”. Talohan’izay no nanatanterahana ny fisalorana ny samboadin’ny Loholona vaovao, Jeneraly Ravalomanana Richard, ary anisan’ireo Loholona nandatsa-bato, ity farany. Raha ny vontoatin’io volavola fanovàna mambran’ny Birao maharitra amin’ny ampahany (proposition de résolution) sy ny fanesorana ity Filoha teo aloha ity, izay nolanian’ny Loholona avokoa, dia fantatra, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana nataon’ireo Loholona 14 avy amin’ny IRD, fa fisiana fanambarana tsy mitombina indroa miantoana nataon’Andriamatoa Razafimahefa Herimanana, teo amin’ny fandàvany tsy handray ny toeran’ny maha Filoham-pirenena mpisolo toerana, izay voalaza fa midika tsy fahamatorana, izay nadikan’izy ireo fa sarotra ny hiheverana ny hanankinana ny fitantanan-draharaham-pirenena amina tompon’andraikitra mivadibadi-dela toy izany. Notsiahivin’ny vakin’io volavola fanovàna io, araka izany, ny datin’ny 13 septambra 2023 nanamafisany ny fametrahany antontan-taratasy teny amin’ny HCC, ny 08 septambra 2023, izay nandavany ny fahefana maha Filoha mpisolo toerana azy nohon’ny antony manokana izay mbola namafisiny teo anatrehan’ireo Loholona sy novakiana ren-tany ren-danitra. Tsy nisy anefa, tao anatin’izany filazany fa voatery nanao io taratasy fandavana io ny tenany, noho io fandrahonana io, fa tamin’ny nahim-pony tanteraka. Ny 09 oktobra 2023 anefa, nivadi-dela ny lehilahy, iray volana taty aoriana, fa afaka mandray ny fahefana nomena azy indray, fa nohon’ny tsindry fandrahonana nahazo azy sy ny fianakaviany, antony nandefasany an-janany tany Frantsa. Voaporofon’ireo Loholona anefa, fa efa tamin’ny volana Aogositra teo io zanany io no efa nalefa tany ivelany hanohy fianarana.    

Nandà hatramin’ny farany ary nandao ny efitrano fivoriana

Fotoana fohy, izany hoe teo amin’ny 30 minitra nanombohan’ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana niantsoan’ny Governemanta ifarimbonana ny Antenimierandoholona, omaly, teny amin’ny Lapa maitso Anosikely io dia niala tao amin’ny efitrano fivoriana ny Filohany Razafimahefa Herimanana. Anton’izany dia nambarany, fa tsy afaka ny hisalotra samboady ny olona naneho teny tsy voahevitra taminy izy, arak’iny fanambaran’ny Loholona Jeneraly Ravalomanana Richard, ny harivan’ny alatsinainy teo, izay niresaka mpitandro filaminana. Toy ny mahazatra araka ny lalàna, anefa, dia notanterahina taorian’ny lanonam-panokafana ofisialy ny fandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana, ary lanin’ny maro an’isa fa ny fametrahana ny samboadin’ny Loholona vaovao no atao mialoha. Faharoa ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolana fanovàna mambran’ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona amin’ny ampahany, ary ny latsa-bato ho fanesorana ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Tsy nety nanaraka io lamina nolaniana io anefa, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana, fa nitady handingana. Tsy nanaiky izany anefa, ireo Loholona ka nangataka fivoriana mikaton-trano. Nandà izany koa ity Filoha teo aloha, ary nilaza fa tsy ara-dalàna io fivoriana tsy ara-potoana io. Teo koa ny filazany, fa tsy marary saina araka ny filazan’ireo Loholona azy ny tenany, mikasika iny fanambaran’ireo Loholona 14 afak’omaly iny. Nilaza koa ny tenany, fa tsy afaka hametraka samboady amin’ny olona nanao teny tsy voahevitra taminy ny tenany, dia ny Loholona jeneraly Ravalomanana Richard. Taorian’izay dia namarana ny fivoriana ny tenany ary nivoaka ny efitrano fivoriana. Nambaran’ireo Loholona sisa teo anefa, fa efa tapaka ny volavolam-pandaharam-potoana, ary nasaina nandray ny andraikiny ny vadintany. Novakiana ny voalazan’ny lalàna, ary nambara tamin’izany fa ara-dalàna ny fivoriana tsy ara-potoana mandeha amin’izao io, ary nitohy ny fivoriana izay notarihan’ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Atsimo, Rabemananjara Nicolas.  

Stan R.

Fermer