PolitikaSongadim-baovao
FAMPIELEZAN-KEVITRY NY KANDIDA ANDRY RAJOELINA : Manantena hahita 80 % avy amin’ny vahoakan’Ambanja
Nandray ny Kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina omaly, ny tanànan’Ambanja. Feno hipoka ny kianja fanaovam-baolina tao an-toerana. Nanambara ny kandidà Andry Rajoelina fa raha 68% no nomena azy tamin’ny fifidianana, ny taona 2018, mino izy fa farafahakeliny 80% no ho azony amin’ity fifidianana ho avy ity. Vonona hifanome tanana amin’ny Prezidà Andry Rajoelina i Ambanja….
Feno hipoka ny kianja fanaovam-baolina tao Ambanja, omaly, nandray ny kandidà Andry Rajoelina. Vao maraina dia nitanjozotra nihazo ny kianja ireo vahoaka marobe manohana ny Volomboasary, tonga hihaino ny fanolorany ny programanasa hotanterahiny mandritra ny 5 taona manaraka. « Misaotra anareo tonga marobe. Vahoaka mahay mankasitraka sy tia an’ny Prezidà Andry Rajoelina ny vahoakan’Ambanja. Tena hafaliana tokoa no ihaonako aminareo. Betsaka ny asa nataontsika satria tsy misy Distrika hadino intsony manerana an’i Madagasikara », hoy ny kabarin’ny kandidà laharana fahatelo. Nampijaly anareo ny RN6. Betsaka ny lalana nataontsika fa tsy hadino i Ambanja. Efa 30 taona lasa izay no tsy nisitraka lalana tsara isika izao. Efa vita hatrany aminy 70% ny RN6, raha ny fanazavany. Atao tara misosa tsy maintsy mandeha miaraka amin’i Andry TGV. Nasongadiny fa mila filoha manana vina matanjaka mavitrika ohatran’ny Prezidà Andry Rajoelina. Niara-niredona ny vahoaka teto fa i Madagasikara tsy maintsy mandroso. « Aminy fifidianana ho avy izao, i Andry Rajoelina tsy maintsy mandresy. Raha 68% no nomenareo ahy teto taminy 2018, mino aho fa farafahakeliny 80% no ho azoko amin’ity », hoy izy nanamafy.
Vonona hifanome tanana…
Vonona hifanome tanàna amin’ny Prezidà Andry Rajoelina i Ambanja. Marobe ny kandida fa iray ihany no tian’Ambanja ary tsy ananana maro fa tokana ihany. Niara-naneho ny fitiavany an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’Ambanja tonga marobe tao amin’ny Kianja. Notanisainy fa nanao ny RN 6 isika fa nisy lalana maro koa teto an-tampon-tanàna. Notsiahiviny ilay lalana « Mafipeky » na lalana « Mavo Ranjo » mirefy 9km. Efa vita ankehitriny. Nijaly koa tamin’ny tsena, saingy efa vita ny Tsena manarapenitra ao Ambanja. Efa vita koa ny lalana mampitohy ny Kaominina Marovato sy Marokorana. Efa nahazo Kianja manarapenitra avokoa ny Distrika maro. Ny ao Ambanja mbola tsy manarapenitra ka nampanantena ny kandidà Andry Rajoelina fa hamboarina ho kianja manarapenitra ny kianjan’Ambanja. « Tsy hiala aminao izahay », hoy ny vahoakan’Ambanja. Betsaka ny kandidà fa iray ihany ny mandresy iray ihany ny tanora fidian’Ambanja dia ny laharana fahatelo. Mahatoky ny vahoakan’Ambanja ny kandidà laharana fahatelo satria tsy maintsy atao mamirapiratra i Madagasikara. Notsiahiviny fa efa manao ny EPP manarapenitra ny ao an-toerana. EPP lehibe mahazaka mpianatra 600. Ankoatra izay, mamboly cacao ny ao Ambanja, raha 6000 ariary kilao tamin’ny 2019 dia 12000 ariary ny kilao amin’izao. Betsaka ny zavatra hatao, saingy tsy maintsy mirindra avokoa. Isan’izany ny fidiovina ny tanàna. Efa tonga eto ny fiarabe mpandroaka fako raha ny fanampim-panazavany.
Nahavita fotodrafitrasa betsaka indrindra…
Tsy niolaka izy nitanisa fa maro ny fotodrafitrasa natao sy vita. Anisan’izany ny fampidirana rano amin’ny alalan’ny tohodrano. Mbola ho avy koa ny fananganana ny « Parc solaire », izay efa 60% no vita. Isika no hitondra ny fahazavana hanafaka ny haizina ary hampandroso an’i Madagasikara. Tsy maintsy natao ny fotodrafitrasa marobe, ny fotodrafitrasa tokony ho natao teto hatramin’izay fa isika no nanao betsaka indrindra teto Ambanja. Mila tohizana ny ezaka, hoy izy, ary amin’izao, hanakaikikaiky kokoa ny tanora. izay tsy an’asa, ny tokantrano sahirana, hanampy ny vehivavy sy fikambanam-behivavy sy ireo vehivavy mananotena aho, izay no hataoko amin’ny « mandat »-ko manaraka. Madagasikara tsy maintsy mandroso. Asehontsika fa Ambanja miaraka amin’i Andry Rajoelina.
Rado Harivelo




