PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FIAROVANA ENY AMIN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA: Tsy nanao afatsy nitaky ny zony teny amin’ny Fitsarana ny “Amarante” sy “SPSS”

Ny “Madagascar Airlines”  hatrany no nandray tamberimbidy (Redevance) mahakasika ny fiarovana eny anivon’ny seranam-piaramanidina aloan’ireo mpandeha amin’ny alalan’ny tapakila jifainy, izay tokony hirotsaka any amin’ny orinasa Amarante sy “Société Professionnelle de surêté et de sécurité – SPSS” izay manao ny asa. Nanomboka ny taona 2021 anefa, tsy nanao ny fanefana an’io tamberimbidy io tany amin’ny Orinasa Amarante sy SSPS ny “Madagascar Airlines”, ka tafakatra maherin’ny 3 380 000 000 Ariary izany tsy voaloa izany. Efa nisy ny fifanarahana nataon’ny roa tonta ho an’ny fanefana ny vola, saingy tsy voahaja, araka ny angom-baovao.

Nitondra ny raharaha teny anivon’ny Fitsarana ny orinasa “Amarante” sy SSPS ho fampanajana ny zony. Vokany, namoaka didy hitsivolana (OSR) ny Fitsarana momba ny varotra mba hahafahana manefa manontolo ireo vola tsy voaloa. Nahazo toromarika, noho izany, ireo banky amin’ny anaran’ny “Madagascar Airlines” mba handrotsaka vola 750 000 000 Ariary isam-bolana mandrapahefan’ireo 3 miliara mahery ireo. Diso, araka izany, ny fanambarana miparitaka any amin’ny tambazotran-tserasera izay milaza fa asaina mandoa 750 tapitrisa ariary isam-bolana hatramin’ny fotoana tsy voafaritra amin’ny orinasa “Amarante” sy “SPSS” ny “Madagascar Airlines”.

Fermer