PolitikaSongadim-baovao

IRAY VOLANA MIALOHAN’NY FIFIDIANANA: Vonona ny Ceni, 63%-n’ny karatry ny mpifidy no efa voazara

Nanamafy ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Andrianarisedo, omaly, fa tsy sakana velively amin’ny fomba fiasan’ny Ceni ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana nampihemotra ny fifidianana ho amin’ny 16 Novambra 2023. Namehotra mifanaraka amin’izany, hoy izy, ireo tetiandro rehetra amin’ny fanapariahana ireo fitaovana rehetra hanatanterahana ny fifidianana.

Fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao taorian’ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny herinandro lasa teo, ny hoe tsy tokony ho ny Ceni ve no manolotra daty raha toa ka hahemotra ny fifidianana? Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, omaly. Nambarany fa nihemotra amin’ny 16 novambra izao ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, araka ny fanapahan’ny HCC. Notsindriany fa ny Ceni dia tsy manana fahefana hampihemotra ny fifidianana. “Ny manao soso-kevitra amin’ny voalohany ihany no anjaran’ny ceni. Rehefa tapitra ny fepotoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika dia amin’iny no manao soso-kevitra ny Ceni”, hoy ny fanazavany. Nampahatsiahivin’ny Filohan’ny Ceni omaly koa fa ny HCC dia manana ilay fahefana mandrindra, ka afaka manapa-kevitra amin’ny fanemorana ny fifidianana.

Na eo aza anefa izany fanemorana izany, dia nanamafy ny Ceni omaly fa vonona amin’ny fikarakarana rehetra. Tsy sakana mihitsy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny fanemorana, hoy ny fanazavana, ary ny fitsinjarana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fifidianana dia ampanarahana fotsiny amin’ny fanemorana natao.

Mbola manana hatramin’ny 25 Oktobra…

Nampahafantarin’ny Ceni omaly fa efa vonona tanteraka ny lisitry ny mpifidy vita fitsirihana indroa miantoana, izay ho ampiasaina mandritra ny fifidianana. Efa nirosoana ihany koa, hoy ny Filohan’ny Ceni, ny fampidirana ireo antontan-kevitra rehetra toy ny rejisitry ny mpifidy anatina “Disque dur”, araka ny fangatahan’ny Kandidà, mba hahafahan’ireto farany manara-maso sy mijery izay tena zava-misy marina ao anatin’izany antontan-kevitra izany. Mbola kandidà roa ihany anefa no tonga nandray izany teny anivon’ny Ceni, ary ilay kandidà tena nangataka azy indray no mbola tsy tonga, araka ny fanampim-panazavana.

Mahakasika ny karatry ny mpifidy kosa indray dia efa ny 63%-n’ny karatra no efa voatsinjara, hoy hatrany ny Filohan’ny Ceni. Nomarihany fa tsy tokony hampisy ahiahy mihitsy ny mbola tsy fahazoana ny karatra maha mpifidy amin’izao fotoana ho an’ny olom-pirenena sasany satria mbola manana hatramin’ny 25 Oktobra 2023 izy ireo hahazoana izany. Marihina fa fomba roa no hahafahana mahazo ny karatra, na alaina mivantana eny anivon’ny Biraom-pokotany, na miandry ireo tomponandraikitra mizara isan-tokantrano. Nampahafantarina omaly koa fa raha sendra misy anarana misy diso tsipelina kely any amin’ny lisitra na karatra dia tsy sakana velively izany  hahafahany mifidy.

Etsy ankilany, efa vonona ihany koa ny Ceni, izay manao ny asan’ny ANRCM, amin’ny fandaharana eo anivon’ny Haino aman-jerim-panjakana. Miandry ny fahavononan’ny Kandidà fotsiny, araka izany, ny Ceni. Mbola ho fampitoviana lenta kandidà rehetra ihany koa dia efa nandraisana fepetra manokana momba ny fampidirana angidimby eto Madagasikara, amin’izao ankatoky ny fampielezan-kevitra izao.

Eo anatrehan’ny zava-misy ara-politika misy ankehitriny, nanambara ny andriamatoa Dama Andrianarisedo, fa manaja ny fanehoan-kevitra ny Ceni, saingy kosa ny lalàna ihany no mifehy azy ireo sy ny asany, ka tokony hohajain’ny rehetra izany.

Fermer