PolitikaSongadim-baovao
SAVOROVORO INIANA VOLENA…: Tsy te hanao fifidianana, filam-boatsiary ny an’ireo Kandidà 11
Miroso i Madagasikara amin’ny fikarakarana ny fifidianana amin’ny 16 Novambra, amin’ny alalan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Etsy ankilany, mikiry biby amin’ny fanakatsakanana izany ireo Kandidà miisa 11, izay miseho mibaribary fa tsy te hiroso amin’ny fifidianana, ka lasa mamboly korontana etsy sy eroa mba entina hilaza fa anaty krizy politika ny firenena.
Mbola mitombina hatrany ilay fanambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, herinandro vitsy lasa izay, ny amin’ny hoe tsy misy krizy politika eto Madagasikara, fa fanakorontanana ny zotram-pifidianana no misy eto. Mbola mitohy hatramin’izao tokoa mantsy ny fidinana andalambe tanterahin’ireo Kandidà Filoham-pirenena miisa 11, izay ambara fa fitakiana ny ara-dalàna sy ny tany tan-dalàna. Mipetraka tokoa àry ny fanontaniana hoe fa inona moa no tsy ara-dalàna? Raha ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no ambara fa tsy ara-dalàna, dia efa notaterina teto ombieny ombieny fa nanaraka ny voalazan’ny lalàna avokoa ny nandrafetana ireo mpikambana rehetra ao anatin’izany rafi-pitsarana izany. Ny mahagaga dia lazain’ireo kandidà 11 fa tsy ara-dalàna ilay HCC kanefa mametraka fitoriana any foana isak’izay mahatsiaro! Ka ara-dalàna ve izany ilay rafitra sa tsia? Na ny Sata maha kandidà azy ireo aza, izay hireharehan’izy ireo etsy sy eroa, dia mbola io rafitra lazainy fa tsy ara-dalàna io no nanome azy. Ka mba aiza ho aiza amin’izany ny lojikan’ireo kandidà ireto?
Mitaky ny ara-dalàna kanefa tsy manaja lalàna?
Ankehitriny izy ireo midina eny andalambe manohintohina ny fifamoivoizana sy ny fahalalahan’ny hafa, dia tsy maintsy miditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana mba ho fanajana ny lalàna, izay mandrara ny famoriam-bahoaka ankalamanjana tsy nahazoana alalana. Ambara indray anefa fa manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra ny mpitandro filaminana ary tondroina ho hery famoretana mihitsy. Ka tsy ho ampiharina ary ve ny lalàna? Izy ireo no mitaky ny ara-dalàna sy ny Fanjakana tan-dalàna kanefa rehefa ampiharina indray ny lalàna dia lazaina fa fanohintohinana ny fahalalana maneho hevitra sy ny demokrasia. Marihina fa efa ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra isika izao, ary ny lalàna mifehy ny fifidianana dia mamaritra raha toa ka hanao famoriam-bahoaka ao anatin’ny propagandy ny kandidà iray dia manao fampahafantarana mialoha ny tomponandraikitra eo an-toerana fotsiny, ary tsy tokony ho voasakana. Ny hetsika ataon’ireo kandidà 11 anefa dia tsy propagandy fa fitakiana politika rano fotsiny, ary fitakiana fanonganana rafi-panjakana mihitsy aza, dia ny Governemanta ifarimbonana izany.
Ravaina ny Ceni?
Mbola tsy misy lojikany sy tohan-kevitra mazava ihany koa ny fitakian’ny Vondron’ny Kandidà 11 milaza ny tokony handravana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny endriny ankehitriny. Ambara ombieny ombieny fa hoe mitanila, kanefa mailaka ery tonga namaly ny antson’ny Ceni rehefa hoe hizara ny laharana ao anatin’ny bileta tokana. Rehefa inona izany ny Ceni no azo ekena dia rehefa inona no mitanila ? Tsara tsiahivina hatrany fa lalàna ihany koa no mamaritra ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny Ceni, ary ireo mpikambana ankehitriny ireo dia nanara-dalàna daholo no nahatongavany teo amin’ny toerany. Inona, araka izany, ny tohan-kevitry ny kandidà 11 hilazana fa tokony horavaina io Ceni ankehitriny io? Etsy ankilany, ny fomba fiasan’ny Ceni dia voaporofo hatreto fa ao anatin’ny mangarahara tanteraka, raha tsy hilaza afatsy ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy farany teo, izay nisiana fitsirihana indroa miantoana, nataona manam-pahaizana iraisampirenena (OIF), sy manam-pahaizana malagasy. Tsara tsindriana manokana fa nisy teknisianina avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) mihitsy no nanao ny fitsirihana, ary nilaza fa azo ampiasaina amin’ny fifidianana io lisitra io, ankoatra ireo fanitsiana vitsivitsy notanisainy tamin’izany fotoana. Tsy mitombina sy tsy lojika mihitsy, noho izany, ny fanenjehana ny Ceni ataon’ny Kandidà 11 amin’ny fomba fiasany sy ny fiampangana azy fa mitanila.
Fehiny, ny fifidianana ihany no ara-dalàna, ary teren’ny lalàmpanorenana isika hanatanteraka izany amin’ity taona ity. Ny ankoatra izay dia efa mivoaka amin’ny lalàmpanorenana. Ka na ny fianakaviambe iraisampirenena aza tsy manana fahefana hamoaka an’i Madagasikara hivoaka amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Isika rahateo tany manana ny fiandrianany…
Ny Fanoratana.




