PolitikaSongadim-baovao

ANDRY RAJOELINA TAO AMIN’NY “FRANCE 24”: “Mitady irika hisakanana ny fifidianana amin’ny Novambra ny mpanohitra”

Iray volana mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena ho atao ny 16 novambra 2023 izao, dia nanao fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavitra France 24 sy ny RFI ny Kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Fotoana izay niresahany ireo raharaha mafana samihafa eto amin’ny firenena ankehitriny. Novakian’i Andry Rajoelina bantsilana tao amin’ireto haino aman-jery vahiny ireto fa manao ny ezaka rehetra tsy hisian’ny fifidianana ny mpifanandrina ara-politika aminy, satria fantatr’ireto farany fa tsy maintsy ho lany fanindroany Rajoelina. Misisika amin’ny tsy hirosoana amin’ny fifidianana, noho izany, ny mpanohitra, ary mba hirosoana amin’ny tetezamita. Izany fanaovana politika izany no nanimba ny firenena hatramin’izay, araka angom-baovao. Andry Rajoelina dia manameloka izay fihetsika rehetra mampisaraka ny malagasy. Madagasikara rahateo tsy mila krizy politika intsony, izay hampisara-bazana indray ny Malagasy.

Isan’ireo fanontaniana napetraky ny mpanao gazety vahiny tamin’ny Kandidà Andry Rajoelina koa ny mahakasika ny resaka zom-pirenena frantsay izay mahabe resaka mandrak’ankehitriny. Nampahafantariny fa eken’ny fehezan-dalàna mifehy ny zom-pirenena malagasy ny fisitrahana zom-pirenena roa samihafa. Nambarany tao amin’ny France 24 koa efa namoaka ny heviny ny HCC momba ny firotsahan-kofidian’ny Filoha. Dikany, tokony efa hifarana eo iny adihevitra diso iny. Mbola nohantitranteriny tao anatin’ny fandaharana fa tsy nafeniny akory iny zom-pirenena vahiny ananany iny, fa tamin’ny fotoana nahazoana izany tamin’ny taona 2014, noho ny fiahiana ny hoavin-janany, dia efa nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika frantsay ny didim-panjakana manambara izany. “Ny mpanao politika no mametraka olana amin’io fa ny vahoaka tsy mametraka olana mihitsy. Ary koa, tsy hanala ny ra mikoriana ao amiko, ny fitiavako tanindrazana, na koa ny fahavononako hampandroso ny fireneko iny taratasy iny”, hoy ny fanazavana hatrany.

Tetsy ankilany, nandà ny fiampangana azy sy ny ekipa ho nanao fandrahonana ny Filohan’ny Antenimierandolona ny Kandidà Rajoelina, izay Filoham-pirenena nametra-pialana noho ny mbola firotsahan-kofidiany indray. “Manova olona ny fahefana, ka betsaka ny olona no te ho eo amin’ny toerako, ka izay no mahatonga ny fisarahana ao anatin’ny antoko misy ahy”, hoy Andry Rajoelina.

Marihina fa isan’ireo voaresaka tao anatin’ny fandaharana koa ny momba ny tomban’ezaky ny asa vitan’ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Kandidà Rajoelina.

Ny Fanoratana.

Fermer