PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA ANDRY RAJOELINA TAO MAHAJANGA : « Mbola vonona hametraka fotodrafitrasa maro ho an’ny 5 taona manaraka »

Velom-panantenana indray ny vahoakan’i Mahajanga, nandritra ny fandalovan’ny kandidà laharana fahatelo tao an-toerana, nanatontosa ny fampielezan-kevitra, ny sabotsy lasa teo. Vahoaka marobe no tonga nanoina ny antso. Faly ny mpanohana rehefa nahare ny tetikasa goavana, izay ho atao ao an-drenivohitry ny Masoandro ity. Amin’ny fitondrana vaovao na ny 5 taona manaraka dia ho betsaka ny fotodrafitrasa goavana hotanterahina. « Mbola hanampy anareo ary hanampy anareo hatrany aho, ry tanora, izay tsy an’asa sy ny vehivavy. Nandalo ireny ny valanaretina covid, nisy ny tosika fameno sy ny Vatsy tsinjo. Izaho dia hiasa ho anareo isan-tokantrano ao anatin’ny 5 taona manaraka. Tsy mbola nisy nanao hopitaly teto fa isika Andry Rajoelina no nampijoro izany. Hasiana dobo filomanosana na ny piscine olympique eto ary efa ho vita izany », hoy ny kandidà laharana fahatelo. Notsiahiviny fa i Mahajanga hatramin’izay hadino foana. « Normal » vé raha tamin’ny 1924 no nisy hopitaly naorina farany teto Mahajanga?

Raha hopitaly fotsiny no resahina.  Nisy filoha anankiroa ao mbola milatsa-kofidina, tsy nisy nanao hopitaly teto izany, fa i Andry Rajoelina nanao hopitaly tao Mahavoky Atsimo. Hain’ny vahoaka tsara ankehitriny hoe :  « iza no olona tia tanindrazana? iza no tia ny vahoaka? », hoy izy nanantitrantitra.

Fotodrafitrasa maro…

Maniry hanana trano fonenana ny rehetra. Efa nataontsika ny « building » marobe, ny trano mora ary ny fanomezana tany. Ho an’ny vahoakan’i Mahajanga, hisy ny fisoratana anarana hatao eto momba izany, ka hisy ny fisarihana, mba hahazoana tany, ho anareo vahoaka. Ary hanome izany ny tenako. Hasiana « cimenterie » ngeza indrindra eto Mahajanga, izay hataontsika amin’ny taona manaraka, mba hanomezana asa ho an’ny vahoaka ihany koa. Eto Mahajanga dia misy masoandro ary izany dia hahazoana angovo. Efa miala any ny fitaovana mba hametrahana « Parc solaire » 5 Mégawatt, izay hapetraka eto Mahajanga, ka tsy ho tapaka intsony ny jiro eto, hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo.

Filoha manakaiky vahoaka…

Raha resaka fampianarana indray, efa tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany no nisy fanamboarana Lisea sy EPP teto Mahajanga. Amin’izao vao nanamboatra EPP sy Lisea isika ao Amborovy, CEG Mahabibo ary EPP Antanambao Sotema. Misy ordinatera ao anatin’izany. Tsy maintsy nataontsika ireo mba hahafahantsika manatratra ny fahatarana, raha ny fanazavan’ny Kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Isika tsy maintsy ho lany, mbola tsy nisy naharesy antsika teto Mahajanga hatramin’izay. Mahajanga tsy miova loko, hoy izy tsy niolaka.

Hita soritra teny amin’ny endrika sy ny horakoraka nataon’ireo vahoaka vory tao amin’ny Kianja Rabemananjara fa anisany fotodrafitrasa ilain’izy ireo no nambaran’ny kandidà laharana fahatelo hotontosaina. Nanamafy i Andry Rajoelina fa filoha manakaiky vahoaka, tia tanindrazana no ilaina. Nanentana izy fa raha 66% ny isam-bato azony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo aloha, manantena izy fa raha 80% farafahakeliny no ho azony ao Mahajanga amin’ny 16 Novambra ho avy izao. Nilaza koa izy fa isika tsy hanaiky ny sakantsakana fa tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy no hojerena.

Rado Harivelo

Fermer