PolitikaSongadim-baovao
FANDRAHONAN’NY FIVONDRONAN’NY SENDIKA HITOKONA : Resaka politika tanteraka , tsy mitovy hevitra ireo samy sendika
Nanaitra ny mpanara-baovao ny fanambarana nataon’ny Valaben’ny firaisankina sendikaly eto Madagasikara (SSM), omaly. Izy ireo izay manambana ny hampiato ny asa, ary hiroso ao anatin’ny fitokonana faobe, raha tsy miverina an-databatra boribory ireo rehetra voakasiky ny olana ara-politika izay ambaran’izy ireo fa miseho ankehitriny. Manome 72 ora ireo rehetra voakasik’izany ny SSM, ary mampirisika ny FFKM, ny Fianakaviambe iraisampirenena, ary ireo mpitandro filaminana itarika izany fifampidinihana izany izy ireo. Fihaonana izay ambaran’izy ireo fa tokony ahitana ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana, sy ireo kandidà rehetra. Nolazain’ny SSM fa tsy miandany amin’iza na iza ireo sendika, fa miantso kosa ny hivorian’ny rehetra an-databatra boribory mba hivahan’ny olana misy.
Mampametra-panontaniana ihany ity fanambarana ity, satria tena hanao endrika fitakiana toy izany tokoa ve no antom-pisian’ny Sendika? Raha ny fitakiana ataon’ireo mpitarika sendikaly ireo mantsy dia resaka politika tanteraka fa tsy misy idiran’ny tolona sendikaly mihitsy. Eo anatrehan’izany, maro amin’ireo sendika eto amintsika no tsy mankasitraka ny fampifangaroana ny fitakiana sendikaly sy ny fitakiana politika izay mety ho hevitry ny mpiasa manokana kanefa lasa mialokaloka ao ambadik’ ilay maha sendikalista. Isan’izany ohatra ny fanambarana nataon’ny Vondron’ireo sendika eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola (SMMV), ny herinandro lasa teo, izay tsy nankasitraka ny fanaovan’i mpitarika ny SSM ankehitriny fitaovana politika ny sendika. Notsipihin’ireo mpitarika sendika mazava tsara fa amin’ny anaran’ny mpikambana na amin’ny anaran’ny sendika tsirairay avy no tokony hanehoany hevitra politika fa tsy tokony hamatotra ny Fivondronamben’ny sendika.
Ny Fanoratana.



