PolitikaSongadim-baovao
FOTODRAFITRASA MARO VITA TAO ANALAVORY SY SOAVINANDRIANA : Mafy orina ny fitiavan’ny vahoakan’Itasy ny kandidà Andry Rajoelina
Nifanao « dina » tamin’ny vahoaka, fa vonona hanova ny tantaran’i Madagasikara ny kandidà Andry Rajoelina, tao Analavory sy Soavinandriana Itasy, omaly, nandritra ny fampielezan-kevitra. Distrika isan’ny nanaovan’ny kandidà Andry Rajoelina laharana fahatelo fotodrafitrasa maro i Miarinarivo sy ny Faritra Itasy. Mihamafy orina ny fifamatorana eo aminy sy ny vahoakan’i Itasy. Anisany nanova tanteraka ny fiainan’ny tanora ao amin’ny Faritra Itasy ny Oniversite natsangana ao an-toerana, nandritra ny Fitondran’i Andry Rajoelina…
Analavory sy Soavinandriana Itasy no nanohizan’ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina ny fampielezan-keviny, omaly. Ranoelison solotenan’ny Mpihira gasy no nanome tsodrano azy nandritra ity fihaonana ity. Tanindrazana iaraha-manana ity, hoy izy, ary izay manenjika anareo tsy hahita rirany mihitsy. Efa azony tamin’ny nofy rahateo fa lany ny laharana fahatelo amin’ny 16 novambra. Maro dia maro ny vahoaka tonga teto amin’ny Kianja maitso Analavory naneho ny fanohanany an’i Andry Rajoelina na dia iray andro monja aza no nanapahan-kevitra ny ho avy eto. Noporofoin’Analavory omaly fa tia an’i Andry Rajoelina izy ireo. Maro ny nandeha tongotra lavitra dia lavitra. Maro ireo fikambanana sy fikambanam-behivavy naneho firaisan-kina sy firaisam-po. Tao anatin’izay dimy taona izay, nisafidy ny hanatratra ny fahatarana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny asa fampandrosoana isaka ny Faritra i Andry Rajoelina. Anisan’ny fanamby ny hoe : tsy hadino intsony Analavory, amin’ny alalan’ireo asa manakaiky vahoaka. Vita avokoa ireo fotodrafitrasa tsy vita tao anaty 30 taona. Efa betsaka ny asa natao fa mbola betsaka koa ny tsy vita. Ireo tantsaha mijaly amin’ny resaka zezika sy tany famokarana ary tsy fananana asa dia hanakaiky bebe kokoa azy ireo ny kandidà amin’izao fe-potoam-piasana manaraka izao.
Fotodrafitrasa maro…
« Namboarina ny Tranompokonolona eto. Isika dia mijoro hampandroso vahoaka. Ny tsena no ifaneraseran’ny olona. Misy ireo mitety tsena fa tsy manao tsena. Isika kosa nanamboatra tsena manarapenitra ho an’ny vahoakan’Analavory. Hatramin’ny naha Analavory azy, mbola tsy nisy Biraom-panjakana goavana teto ka dia nanao Biraon’ny polisy isika teto. Ny an’ny hafa mbola fikasana ny hanao no lazainy fa isika efa nahavita ary efa nanao », hoy hatrany ny kandidà Andry Rajoelina. Nanao Oniversite isika ao Itasy ary hisokatra alohany farany taona izany hianaran’ny zanatsika. Hatramin’izay filoha nifandimby, hoy izy, dia izao vao nisy fotodrafitrasa maro eran’i Madagasikara sy teto Analavory. Misy CSB II any Alatsinainikely, izay misy « fonds d’urgence » ahafahana mitsabo maimaimpoana. Tsapako ny fankasitrahana avy aminareo. Betsaka ny filoha nifandimby fa iray ihany ny safidinareo dia ny laharana fahatelo, raha ny fanampim-panazavan’ny kandidà laharana fahatelo. Nandalo ny Covid-19 fa izahay teo foana, nanampy anareo sy niahy anareo. Vahoaka mamboly sy mamokatra ary vonona hiavotra amin’ny fiainana ny eto Analavory fa mila olona mitsinjo sy manavotra », hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo.
Tetikasa hanampiana ny mponina…
Navoitran’ny kandidà laharana fahatelo fa « betsaka ny ady tany eto ka hametraka Tribonaly manokana hijery azy io. Izay ny nanaovantsika « Opération » karatany. Ny tany dia tsy maintsy omena ny Malagasy. 2 tapitrisa ny isan’ny karatany zaraintsika ». Efa nanomboka ary hitohy amin’ny herinandro ny fizarana izany eto Itasy sy Analavory. Efa nisy tetikasa nanampiana anareo mikasika ny zezika sy masomboly. Ireny tetikasa ireny dia hampitomboina avo 1000 heny mba ho isaky ny tokantrano dia omena zanak’akoho sy zezika avokoa. Eo koa ireo kaoperativa. Nisy ozinina napetraka hahafaha-manatsara ny vokatra « kafe arabica » fa mbola hisy ozinina hapetraka hahafaha-manao ny voatabia, papay. Ny hopitaly dia mbola hataontsika eto, hoy izy, satria efa vita ny sekoly sy ny Oniversite ary ny CSB II. Amin’ny fe-potoam-piasana manaraka, ho avy matetika aty aho hizara ny zezika sy hizara karatany ho anareo. Hampiakatra ny fari-piainan’ny tantsaha dia hovokarintsika eto an-toerana avokoa izay ilaintsika. Efa misy lalana nosoritan’Andriamanitra hampandrosoana an’i Madagasikara, raha ny fanampim-panazavany. Malaza amin’ny resaka fizahantany Analavory. Eo ny chute de la Lilly, ny Geyser sns. Ratsy dia ratsy ny lalana fa isika no nanao « pavé » ny lalana mankany. Maro ny asa fampandrosoana natao ary izay no atahoran’ny sasany fifidianana. Misy amin’izy ireo no efa nitondra teo fa tsy nahavita na inona na inona.
Tokony hitsinjo ny soa iombonana…
Ny asa tsy vita tao anatin’izay dimy taona izay, dia tsy maintsy hotohizantsika ary tsy maintsy isika no mamarana azy. Nanamafy ny vahoakan’Analavory fa vonona hifanome tanana amin’ny kandidà Andry Rajoelina. Mila an’i Andry Rajoelina ireo tanora eto Itasy. Misy « terrain mixte », misy toerana ho an’ny fampisehoana hiragasy. Na ny fasana ao Ampasamanatongotra Miarinarivo aza efa namboarina nilevenany Andriamisara efa-dahy. Hitan’ny vahoaka foana ny hoe : iza no tena nampandroso ? Nifanao velirano tamin’i Andry Rajoelina teto ny vahoakan’Itasy. Niara-nananga-tanana ary nifanao dina fa hiaraka hanova tantara.
Nasian’ny kandidà laharana fahatelo tsipy teny, fa tsy mety hoe : « misy olona napetraka ho raiamandreny ary napetraka ho filoha mitondra ny firenena, kanefa mitady korontana. Tokony mitsinjo ny soa iombonana sy ny tombontsoam-bahoaka. Tsy mila korontana sy fikatsahana tombontsoan’olom-bitsy intsony ny vahoaka malagasy ». Mangataka ry zareo hoe ravao ny governemanta ny HCC sy Ceni, andrim-panjakana ara-dalana ve raha harodana? Izaho matoky, hoy izy, fa ny asa nataoko dia nanasoa vahoaka ary nitsinjo vahoaka. Ny fanirian’ny kandidà laharana fahatelo, ao anatiny dimy taona manaraka, dia hiakatra ny faripiainan’ny Malagasy rehetra. Mba ho afaka miasa sy mamokatra ary mampiakatra ny faripiainany ny vahoaka.
Rado Harivelo




