PolitikaSongadim-baovao
SAMPANDRAHARAHAM-PANJAKANA: Nanohy ny asany andavanandro avokoa
Raha toa ka omaly no nambara fa hiroso amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasa mivondrona ao amin’ny Valaben’ny Firaisankina sendikaly eto Madagasikara (SSM), niara-nahita ny rehetra fa nitohy tamin’ny asany andavanandro avokoa ireo sampandraharaham-panjakana sy ireo departemanta minisiterialy isan-tokony. Tafiditra ao anatin’izany ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy.
Samy nanara-maso avokoa ny rehetra omaly teo anatrehan’ny fanambarana fitokonana faobe nataon’ny Valaben’ny Firaisankina sendikaly eto Madagasikara (SSM), izay tokony nanomboka tamin’io omaly io. Ny fampikatsoana ny raharaham-panjakana rehetra moa no tanjon’izy ireo tao anatin’izany, noho ny fitakiana fihaonana an-databatra boribory eo amin’ireo mpisehatra rehetra politika handaminana ny zava-miseho ankehitriny. Fanontaniana napetraka teto ombieny ombieny ny hoe mbola tafiditra ao anatin’ny fitakiana sendikaly ve izany? Tsy mahagaga, noho izany, raha toa ka nandamoaka ny hetsika satria ilay fitakiana dia tsy mitodika mankany amin’ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny mpiasa, izay tokony ho antom-pisian’ny sendika. Raha ho an’ny tontolo andron’ny omaly dia nisokatra sy nanohy ny asany andavandro avokoa ireo sampandraharaha rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy, izay novoizina hatrany hatrany fa hanao fitokonana faobe ireo mpiasa.
Lalàna mifehy ny mpiasam-panjakana
Omaly, nanazava ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest, fa ny Fadintseranana malagasy dia niezaka foana manatsara ny fomba fiasa (modernisation, informatisation, scanner…) nandritra ny fotoana maro. Tsy mitsahatra ihany koa manatsara ny tombotsoan’ny mpiasa mba ahafahana mahazo vokatra tsara. Notsindriany fa raha misy fitakiana atao dia manaraka rafitra sy izay voalazan’ny sata sy ny lalàna mifehy ny mpiasa-panjakana izany, ary misy dingana betsaka vao tonga amin’ny resaka fitokonana. “Tsy azo ekena ny fanambarana izay nataon’ny SSM ho an’ny Fadintseranana satria tsy rafitra ato anatiny SEMPIDOU ary tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny mpiasan’ny Ladoany satria mahatonga savorovoro sy manaitra ny maro”, hoy ny fanambarana omaly.
Ho an’ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy manokana dia efa nisy ny fepetra noraisina tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao navoaka. Ary koa, nisy ny fampitandremana ireo mpiara-miasa mba tsy ho voasarika amin’ny adilahy politika. Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana fa ny mpiasan’ny Fadintseranana dia mpiasam-panjakana, ary voafehin’ny lalàna amin’ny “obligation de neutralité et de réserve” anatin’ny toeram-piasana. Ity tomponandraikitra ity izay nanentana ireo mpiara-miasa hatrany mba ho mailo amin’izao toe-draharaha izao sy hanohy ny asa ampitoniana. Toy izany koa ireo mpiara-miombona antoka izay nomeny toky manokana fa mitohy ny asa rehetra.
Minisitera maro nanao hetsika
Ankoatra ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy, dia isan’ireo Minisitera tazana nanao hetsika omaly koa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay nandray ny famaranana ny hetsika Tohivakan’ny boky sy vaky boky (Caravan’îles – Caravane du livre et de la lecture de l’Océan Indien) andiany voalohany, izay nanomboka ny 2 oktobra teo, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Toy izany koa ny Minisitera’ny Fahasalamam-bahoaka izay nankalazana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika “Octobre Rose” volana ho an’ny ady amin’ny homamiadan’ny Nono tetsy amin’ny AKAMASOA. Tolotra ara- pahasalamana maimaim-poana maro samihafa, fizahana nono , fitiliana vih , fitiliana diabeta , fanalana nify , fandrindram-piterahana sns… no nentina nanamarihana ny hetsika.




