PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA LAHARANA FAHA-3 TAO ATSIMONDRANO :  « Ny fanaratsiana ahy vao mainka manamafy antsika », hoy ny kandidà Andry Rajoelina

Ny distrikan’Atsimondrano eto Antananarivo indray no nanohizan’ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina ny fampielezan-kevitra omaly. Nasongadiny nandritra ny kabariny fa ny fanaratsiana rehetra azy, vao mainka manamafy azy sy hitiavan’ny vahoaka azy…

 Rakotra loko volomboasary ny kianjan’Ambohimamory satria dia vahoaka marobe no tonga naneho ny fanohanan’izy ireo an’i Andry Rajoelina. Nafana ny fihaonana na dia alakamisy, andro fiasana aza no nanatanterahina azy. Nanome tsodrano ny kandidà laharana fahatelo ireo Raiamandreny avy ao Atsimondrano hahazo hery sy tanjaka hatrany ary ho tafita amin’ny tanjona irina, araka ny teny filamatra hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso ». « Efa teo ianao nampandroso ary mbola hampandroso mandrakariva an’i Madagasikara. Mahaleova mahalasana ». hoy izy ireo. Niantso koa ny olom-pirenena rehetra feno 18 taona no ho  miakatra izy ireo, mba handatsa-bato sy hifidy ny laharana fahatelo. Nanambara ny kandidà Andry Rajoelina fa : « betsaka ny tany notsidihako fa misy mampiavaka an’Itaosy. Satria tena manohana amin’ny fo ary tena tia an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’Itaosy. Tena tia amin’ny fo manontolo ary tiako amin’ny foko manontolo ihany koa. Fantatry ny vahoakan’Itaosy hoe :  Iza ny olona tia ary iza no tsy hivadika, iza no hanavotra sy hampandroso azy ?  Ny asa natao dia asa natao hanakaiky vahoaka sy ilain’ny vahoaka ». Notsiahiviny fa  tamin’ny taona 1904 no nisy hopitaly natao tao Itaosy. Ny mponina anefa mitombo. Tokony izay fotodrafitrasa rehetra atao ao Antananarivo dia tokony hatao eto Itaosy avokoa. 18 ny hopitaly naorina teto Madagasikara hatramin’ny fahaleovantena fa isika tao anatin’ny 5 taona, na dia nisy Covid-19, dia hopitaly 28 no nataontsika manerana an’i Madagasikara. « Efa 40% ny asa fanamboarana hopitaly eto Itaosy. Zavatra tsy nisy nanao hatrizay no ataontsika amin’izao. Haratsiana sy lotoina Rajoelina, fa vao mainka tian’ny vahoaka satria ny vahoaka tsy bado. Misy kandida manao fampielezankevitra any na ny endrika na ny fomba fiteny dia fankahalana fanaratsiana fanambanimbaniana sy fanarabirabiana no ataony. Ao anaty kabary iray in-13 izy mitonona ny anarako. Tonony ihany fa vao mainka malaza. Na iza hanaratsy, na iza hanakiana dia fantatro ary matoky aho fa « Itaosy Unis » miaraka amin’i Andry Rajoelina. Ny fanaratsiana rehetra vao mainka manamafy antsika », hoy izy.

Fitoriana fitiavana ny vahoaka malagasy…

 Ataovy mijoro milahatra eo fotsiny dia hita hoe iza no tsara fanahy iza no ratsy fanahy ?  Iza no mankahala ary iza no manam-pitiavana ?  Izaho tsy hanenjika olona ary tsy hanaratsy olona fa ny ahy fitoriana fitiavana ho an’ny vahoaka malagasy no ataoko, hoy nanazava. Ao amin’ny Romana faha 12 milaza hoe :  « Aza mety ho resin’ny ratsy fa reseo aminy soa ny ratsy ». Na iza na iza hanaratsy sy hanenjika antsika resentsika amin’ny soa ny ratsy, resentsika amin’ny fitiavana ny fankahalana. Be dia be ny filoha sy mpitondra fanjakana nifandimby fa marobe koa ny zanantsika mbola mianatra tsy misy dabilio.  Izay no nanaovantsika laharam-pahamehana ny lafiny fampianarana sy ny fanaovana sekoly.

Milaza ry zareo fa tsy ilaina ny « béton », ny sekoly, ny kianja. Mety tsy ilainareo fa ilain’ny vahoaka. Izaho miasa ho an’ ny vahoaka fa tsy miasa ho an’ny mpanao politika. Eto Atsimondrano dia nahavita EPP misy efitra 24 isika, mahazaka mpianatra 1200 eny Ampitatafika. Nanao CEG eny Fenoarivo, Ambohidrapeto, Antsahadinta. Nomentsika bisikileta daholo ireo ankizy telo voalohany ary hotohizantsika izany.

Noho ny resaka Covid-19…

Ny mampalaza an’i Itaosy dia anisan’ny tanàna nitombo betsaka indrindra ny mponina. Mampalaza azy ny fitohanana. Lasa tsy ampy ny rano. Izany no nahatonga antsika nanao fotodrafitrasa maro. Mba hahafahana manala ny fitohanan’ny fiarakodia, dia hasiantsika « fly over » eny Anosizato, hoy ny kandidà laharana fahatelo. Efa tokony ho nanomboka ny asa fa noho ny Covid-19 dia tsy nanomboka. Efa ao ny famatsiam-bola, efa vita ny antso tolo-bidy, ary amin’ny volana janoary farafahatarany dia manomboka. Izay lazaiko tsy maintsy tanterahiko. Izay atombotsika dia tsy maintsy isika no mitokana azy. Noho izany, ampio aho hahafahako manampy anareo bebe kokoa. Lalana tokana ihany no hahafahantsika manao izany, amin’ny 16 novambra isika rehetra mila fandrosoana dia hanao « raz-de-marée » hifidy ny laharana fahatelo».

Hijery akaiky ireo marefo sy sahirana…

Niara-nananga-tanana ny vahoakan’Itaosy fa hifidy an’i Andry Rajoelina. Ity farany izay nanohy hoe : « Betsaka ny zanatsika izay mijaly noho ny fandraisana zava-mahadomelina. Izay no nametrahantsika hopitaly mitsabo an’ireo zanatsika ety Itaosy. Iantohanay mivady maimaimpoana ny fitsaboana amin’ity volana ity. Hatao « goudron »avokoa ny lalana simba eto. Misy fotodrafitrasa maro tokony hataontsika eto Itaosy. « Ny hataoko manaraka dia hampiakatra ny fari – piainan’ny Malagasy. Hijery akaiky ireo marefo sy sahirana ary ataoko tonga isan-tokantrano ny fandrosoana. Amin’ny andro sarotra no ahalalana ny tena namana. Rehefa marary ianareo dia marary aho, mijaly ianareo dia mijaly aho, tsy misy kajikajy politika ny ahy, hoy izy nanamafy. Mazava, araka izany, raha izao ny habetsahany olona eto na dia andro alakamisy ary tsy nisy nomena vola. Tokatrano 41 000 no nomena fanampiana tosika fameno sy vatsy tsinjo taminy Covid-19. Tsy maintsy mifampitsinjo isika ary i Andry Rajoelina akaiky ny vahoaka sahirana ary mbola hanampy. 40 tapitrisa dolara no fanampiana nomena ny tany Atsimo, izay no niadivako taminy Banky iraisampirenena. Vitako ny mamorona asa be dia be, namorona ozinina, manome asa ao anatin’ny 5 taona manaraka. Alohan’ny nifaranan’ny fe-potoam-piasana dia niresaka tamin’ny Banky iraisampirenena aho. « Efa vita sonia fa manomboka aminy janoary ary mandritra ny telo taona dia mahazo vola 250 tapitrisa dolara hozaraina eto Antananarivo. Ianareo rehetra izay manohana dia misoratra anarana avokoa ianareo ka rehefa tonga ny fotoana dia homena karatra misy « QR code » avokoa », hoy ny kandidà Andry Rajoelina. Tsy ho mpijery  intsony ianareo fa tena mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy misy intsony ny ailika fa tsy misy hadinoina ny kely na ny lehibe miaraka aminy Andry Rajoelina. Aminy 16 novambra.

Vahoaka tia fandrosoana…

Tsy misy mahasakana ny fampandrosoana hatao eto, hoy izy. Izay tia fiovana sy fandrosoana tsy maintsy mandroso miaraka amin’i Andry Rajoelina. Reseo lahatra ny ao an-trano hifidy filoha tia ny vahoaka ary tia fandrosoana. Rehefa mandresy dia mandresy fa tsy misy medaly omena fotsiny izany. Aminy 16 novambra dia hirarakopana ny medaly ho azon’i Andry Rajoelina. Mino sy manantena aho fa hanao « record » Itaosy amin’ny 16 novambra, 70 % . Fantatro fa mijaly isika amin’ny resaka fahatapatapahan-jiro. Isika nomen’Andriamanitra masoandro ahazoana angovo. Ataontsika mahaleotena ny famokarana herinaratra ho an’Itaosy dia hametraka « parc solaire » lehibe sy « centrale hybride » isika ho an’Itaosy. Mijaly  koa isika amin’ny rano efa nanao « forage » isika tao Ampitatafika, Ambaniala Itaosy, Antsahamasina, Imerimandroso fa tsy maintsy misy tetikasa mitondra fantsona vaovao dia ilay « tetikasa Tana Water Free ». Tsy maintsy ho vitako io.

Na iza manao na iza tsy manao isika efa « top départ ». Mbola tanimena ny kianja eto Ambohimamory. Manao velirano amin’ny vahoakan’Itaosy aho, fa rehefa mandresy isika dia hataontsika manarapenitra ity kianja ity. « Raha Itaosy dia efa vita ny fifidianana ary efa mandresy isika », raha ny fanambaran’ny kandidà laharana fahatelo.

Fitiavan-tanindrazana…

Omaly folakandro,  tao amin’ny kianjan’i Tongarivo Tanjombato no nifamotoana ireo mpanohana ny kandidà Andry Rajoelina tao amin’ny Distrikan’Atsimondrano. Fampisehoan-kery tanteraka no azo ilazana ny fihaonana satria dia rakotry ny loko volomboasary tanteraka ny kianja izay malalaka dia malalaka tokoa.

 « Premier tour dia vita », hoy ny vahoakan’Atsimondrano. Raha nandray fitenenana ny kandida Andry Rajoelina dia nanambara fa :

« Feno fihetseham-po sy fitiavana ny fihaonako aminareo vahoakan’Atsimondrano androany. Mieritreritra hoe alakamisy ny andro. Roa andro no nilazana hoe ho avy eto. Betsaka ny notsidihako fa Atsimondrano tena tia an’i Andry Rajoelina. Izao fitiavana asehonareo izao no manosika ahy mbola hiroso hatrany. Izay malaina mifangaro dia very any.

Raha ny mpanao politika no jerena dia efa ela aho no nijanona. Ny antony mampijoro ahy dia ny vahoaka, ny fitiavan-tanindrazana », hoy izy. 4 taona sy valo volana ny fe-potoam-piasana niasana fa ny roa taona covid. Roa taona sy valo volana no niasa. Efa ho vita ny « train urbain » eto Antananarivo. Hihena ny fitohanana. Efa mandeha koa ny « téléphérique ». Izay tsy mahavita no mitsikera. Hatao amin’ny 2024 ny fitokanana an’ireo. Isika no nanomboka, isika no hitokana, hoy hatrany ny kandidà Andry Rajoelina.

Tsy ho mpandatsa-bato fotsiny fa ho mpisehatra. Hijery anareo tsy an’asa, ireo marefo. Ataoko tonga isan-tokantrano ny fampandrosoana. Na iza hanaratsy, fantatro fa i  Andry Rajoelina ihany no fidinareo.

Be dia be ny filoha teto, hoy izy, ny filoha Tsiranana no nanao ny cité 67ha Ampefiloha, isika no nanao building trano mora, mbola tohizantsika ireny. « Hanampy ny marefo ao anaty 100 andro voalohany amin’ny fe-potoam-piasana vaovao », hoy izy nanamafy. Amin’ny fe-potoam-piasana manaraka dia zaraiko daholo izay azo zaraina : tany, fanampiana, sy ny maro hafa.

Nisy ny fijoroana vavolombelona nataona raim-pianakaviana iray nahazo tany eny Tsiafahy. Avy eo nanohy ny kabary ny candidat laharana fahatelo. Hoy izy «  Rwanda tena mandroso. Madio ny tanàna satria misy fitsipi-pifehezana.  Faniriako hahazo tany hanorenana ny Malagasy rehetra. 1,2 tapitrisa ny karatany nozaraina. Mbola hitohy izany. « Aleo isika hanova tantara an i Madagasikara. Taomy ny olona hifidy. Mino aho fa 70% farafahakeliny eto Atsimondrano, hoy izy. Nampanantena i Andry Rajoelina fa hanampy bebe kokoa ny tanora. Toy ny tamin’ny lalaon’ny Nosy, hoy izy, dia hahazo medaly volamena marobe avy amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny vato omena azy amin’ny faha 16 Novambra izao.

Nangonin’i Rado Harivelo

Fermer