PolitikaSongadim-baovao

FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA: Filoham-panjakana mpisolo toerana ny Jly Ravalomanana Richard

Nivoaka omaly ny fanapahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) laharana faha-19 – HCC/D3 nametraka ny Jly Ravalomanana Richard, Filohan’ny Antenimierandoholona, ho eo amin’ny toeran’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana. Filoha mpisolo toerana ihany koa, araka izany, no mitantana vonjimaika ny Antenimierandoholona, mandrapisian’ny Filohan’ny Repoblika vaovao lany ara-dalàna.

Namoaka fanapahana omaly ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) fa azo raisina ary mitombina ny taratasy napetraky ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Jly Ravalomanana Richard, mahakasika ny fahavononany handray ny toeran’ny Filoham-panjakana. Ho fanajana ny andininy faha-46 ao amin’ny Lalàmpanorenana, araka izany, dia nomena ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Jly Ravalomanana Richard, ny fiantsorohana ny andraikitry ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, sy ary ireo anjara asan’ny Filoham-pirenena andavanandro voafaritra tao amin’ny fanapahan’ny HCC laharana 12-HCC/D3 tamin’ny 09 septambra 2018. Etsy ankilany, ny fitantanana ny Antenimierandoholona dia sahanin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana koa mandrapisian’ny Filohan’ny Repoblika voafidy ara-dalàna.

Didy tsy azo ivalozana?

Tsara tsindriany fa na nilaza ny fahavononany hiantsoroka ny toeran’ny Filoham-panjakana vonjimaika aza ny Filohan’ny Antenimierandoholona vaovao, ny Jly Ravalomanana Richard, dia tsy afaka nanaiky izany fotsiny amin’izao ny HCC. Nanontanian’ity farany ny hevitry ny Governemanta ary ireo mpikambana rehetra teo anivon’ny Governemanta ifarimbonana dia tsy nisy nisakana ny fandraisan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny fitantanana ny Firenena. Izany hoe neken’izy ireo ny ho fiantsoroan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny andraikitry ny Filoham-panjakana mpisolo toerana. Mazava ho azy, noho izany, fa tsy mipetraka intsony ny andininy faha-120 ao amin’ny Lalàmpanorenana, izay manambara fa didy tsy azo anoharana ny didin’ny HCC, satria ireo voakasika amin’ilay fitantanana vonjimaika ny Firenena no nifanaraka fa haverina amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny andraikitry ny Filoham-panjakana vonjimaika.

Tsiahivina ihany koa fa noho ny antony manokana aminy no nandavan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha ny tsy iantsorohany ny andraikitry ny Filoham-panjakana vonjimaika. Noho izany, raha misy Filohan’ny Antenimierandoholona vaovao vonona hiantsoroka ilay andraikitra dia tsy misy misakana izany, raha toa ka manaiky ny Governemanta ifarimbonana izay voatendry ho Filoham-panjakana vonjimaika ny hamerina ny fahefana amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona vaovao.

Fermer