PolitikaSongadim-baovao

FAMPIELEZAN-KEVITRY NY KANDIDA FAHA-3 :  Hovahan’ i Andry Rajoelina ny tena manahirana ny vahoakan’i Brickaville

Nanatanteraka fampielezan-kevitra tany Brickaville sy Moramanga ny kandidà laharana fahatelo omaly. Marobe ny fotodrafitrasa efa vita tany an-toerana ary misy ireo mbola hotohizina. Hovahan’ny kandidà Andry Rajoelina manokana ny tena manahirana ny vahoakan’i Brickaville, toy ny resaka delestazy sy ny resaka bac. Fanadihadiana…

Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nandray azy ny tao Brickaville, omaly.  « Raha manana Kianja Manarapenitra ny ao Toamasina sy ny any Antananarivo, hatramin’izay hadino foana i Brickaville. Fa miaraka amin’i Prezidà Rajoelina tsy hadino Brickaville fa manana Kianja Manarapenitra », hoy ny kandidà Andry Rajoelina. « Tamin’ny izaho nanao fampielezan-kevitra, tsy nanana fotodrafitrasa ohatran’izao ianareo. Hadino foana i Brickaville hatrizay. Fa miaraka amiko akaikin’ny foko ianareo, ianao, tiako ianareo, ary tsy maintsy hampandrosointsika i Brickaville », hoy izy. Tao anatin’ny 5 taona nitondrako izay, hoy izy, 3 taona no tena marina satria roa taona isika nandalo krizy. Teo ny Covid sy olana maro samihafa. Telo taona no tena niasantsika. « Na nisy krizy aza, niezaka isika nampandroso sy nanao fotodrafitrasa marobe manerana an’i Madagasikara. Ary izao no zavatra tena nisy, raha i Brickaville dia faralahy, hadino foana hatramin’izay, fa nandritra ny fitondrako, tsy hadino intsony i Brickaville. Mba hahafaha-mahatratra ny fahatarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana, marobe ny fotodrafitrasa natao fa tsy vitsy koa ny tokony mbola hatao, izay hataoko amin’ny dimy taona manaraka », hoy izy nanazava.

Mila Filoha manana vina ny mitondra ny firenena. Mila manana filoha manakaiky vahoaka, naman’ny vahoaka ary tian’ny vahoaka. Maro no filohampirenena nifandimby fa iray ihany no naman’ny vahoaka, namanao, tia anao ary akaiky anao.  » Izaho nanolo-tena ho an’ny tanindrazana. Ny fifidianana filoham-pirenena, misy karazana roa ny kandidà. Misy ireo maniry hahazo voninahitra hoe filoham-pirenena. Tsy voninahitra na fahefana na vola no mahatonga ahy hanao filoham-pirenena. Fa noho ny  fitiavako ny vahoaka, ny  tanindrazana, hampandroso an’i Madagasikara ary indrindra ny ahafahako mitsinjo anao sy manampy anao », hoy ny kandidà laharana fahatelo.

Betsaka ny fotodrafitrasa vita. Fa amin’ny fe-potoam-piasana manaraka io, hoy izy, ny zavatra ho ataoko dia ny  hanampy ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, tena marefo, ny tsy an’asa tanora, ny fikambanam-behivavy,  ny vehivavy, hanampy ny Malagasy jiabijiaby. « Tsapako loatra ny fitiavanareo ahy, ny fanohananareo ahy, fa indrindra ianareo eto Brickaville. Tsy misy afaka hanasaraka antsika fa miaraka hatramin’ny farany isika hampandroso an’i Madagasikara », hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo.

Hojerena manokana ny vahaolana momba ny delestazy

Na betsaka aza ny fotodrafitrasa vita, misy  ny mbola tsy vita, ary misy ny tokony mbola hotanterahina. « Fantatro fa eto Brickaville, mbola mijalijaly isika amin’ny resaka Jirama. Ny olan’io Jirama io, rehefa mandefa solika miala any Antananarivo mandra-pahatonga aty. Raha mandefa ohatra 1000l , eny andalana efa misy mangalatra ny 100 na 200l. Dia 800 litatra sisa no tonga aty »hoy izy. Rehefa tonga aty, mila jerena ny fitantanana, satria matetika ny fitantanana ny  gazoala, Solika, masinina, misy olana be », raha ny fanampim-panazavany.  Ny zavatra ho ataontsika, hoy ny kandidà laharana fahatelo, afaka volana vitsy, satria efa mipetraka ao ny ankamaroany, dia ny hanamboarana « parc solaire » lehibe eto Brickaville, mba tsy hampiasa solika intsony, ary tsy ho tapatapaka intsony ny jiro.  « Mijoro eto anatrehanareo aho. Tsy maintsy vita ny hampahaleo tena an’i Brickaville amin’ny famokarana herinaratra. Amin’izay, na amin’ny andro antoandro mandra-paharivan’ny andro, tsy hisy jiro intsony ho tapatapaka eto Brickaville afaka volana vitsivitsy. Mazava, araka izany, fa « Parc solaire 1MW » no apetraka eto.

Olona mampitambatra ny Malagasy…

Malaza i Brickaville sy ny manodidina amin’ny resaka fizahantany. Efa namboarina ny lalana Manambato, mandra-pahatonga any Ambila Lemaitso, satria potika izy iny dia namboarina fa mbola lalantany. Mila zavatra maharitra ny vahoaka. Anisan’ny mba misintona mpizahatany iny tanàna iny. « Tsy ho pasohana dia ho atao lalantany intsony. fa hijery zavatra maharitra isika. Ho atomboka tsy ho ela ny lalana, mankany Manambato dia  avy eo mankany Ambila Lemaitso, atao rarivato », hoy izy nanamafy. « Betsaka ny filoham-pirenena fa iray ihany no hofidianao hanavotra an’ity Madagasikara ity. Io fifidianana io, ianareo no mahafantatra ny olona akaikin’ny fonareo, olona madio fo, olona mitory fitiavana. Satria misy kandidà mitory fankahalana, vao mivoaka ny vavany dia manaratsy ahy, manambany antsika. Tsy ekentsika izany », hoy i Andry Rajoelina.

Olona mampitambatra ny Malagasy no ilaina hitondra ny  Firenena. Tsy misy resaka hoe, avy any amin’ny faritra, fa fo iray ihany, Malagasy iray ihany isika rehetra, ka olona tia anareo no hofidiantsika. Na avadika ambony ambany, na  andeha hiankavia na hiankavanana, iray ihany no fidiantsika, raha ny fanampim-panazavany.

Nasongadiny fa Hojereny ny tena manahirana ny vahoaka,  ny tanoran’i Brickaville. Raha mikasika Brickaville, dia misy an’ilay Bac ao Fetraomby, izay tena nampijaly. Io bac io mampitohy Kaominina maromaro. « Efa azoko ilay fijalian’ny vahoaka, dia hoy aho hoe, alohan’ny nanaovako fametraham-pialana, tsy maintsy amboarina ny bac vaovao ary ho vita amin’ny 2024 izany lakana izany, izay telo mahazaka 12 taonina izany », hoy izy.  « Betsaka ny asa ataontsika sy mbola ho atao, fa mila anareo vahoaka aho, mba hanampy ahy, hahafahako manova tanteraka an’ity Madagasikara ity. Ny safidinao, ny fandraisanao anjara amin’ny fifidianana ny 16 novambra 2023 no hahafahana manova ny tantaran’i Madagasikara. Manohy ny asa izay natao, mba hahafahako manampy bebe kokoa anao, hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo.  Nanteriny fa mila maka kara-pifidianana ny rehetra. Mila mandeha mifidy amin’ny 16 novambra.

« Efa 84% no vato nomenareo Brickaville ahy ny fifidianana farany teo. Mino aho fa 90% farafahakeliny, ny 100% tsy ferana », hoy ny kandidà laharana fahatelo. Amin’ny andro sarotra no ahafantarana ny tena namana. Rehefa anaty fijaliana ianao dia eo no hahafantarana hoe :  « Iza no tena namana. Rehefa nandalo covid, rivodoza, betsaka no rava fivelomanana. Izay no nahatonga ahy tonga taty, nitondra fanampiana hitsinjovana ireo traboina. Tsy tonga taty fotsiny hoe ho avy ny fampielezan-kevitra, fa teo anilanareo foana, hoy izy tamin’ny vahoaka.

Rado Harivelo.

Fermer