Songadim-baovaoSosialyToekarena

FITATERANA AN-TARIBY (TPC): Mandroso ny asa fanamboarana

Na dia eo aza ny fifantohan’ny firenena malagasy sy ireo mpisehatra samihafa amin’ny firosoana amin’ny fifidianana, dia mitohy hatrany koa ny Governemanta manatanteraka ireo tetikasa rehetra efa natomboka, isan’izany fitaterana an-tariby na teleferika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (senvh) omaly nijerena ny fandroson’ny asa fanamboarana.

Mitohy tsy tapaka ny asa fanamboarana ao anatin’ny tetikasa fitaterana an-tariby, apetraka eto an-drenivohitra. Heverina ny hidirana amin’ny andrana amin’ny fitaterana an-tariby mampitohy ny gara Anosy sy ny gara Soarano amin’ny volana febroary na martsa 2024, hoy ny solontenan’ny orinasa miandraikitra ny asa. Tafiditra ao anatin’ny zotra volomboasary ny gara Anosy mankeny amin’ny gara Soarano. Milina miisa telo no ampiasaina amin’ny fampihodinana ity zotra ity, araka ny fanazavana. Milina voalohany mampitohy an’Anosy sy Soarano, ny milina faharoa Soarano – La City Ivandry ary ny fahatelo La City mankeny Ambatobe. Tsiahivina fa 4 000Ar ihany ny saran-dalana amin’ny fitaterana an-tariby.

Araka ny fanazavana dia miandry ny fahavitan’ny gara Soarano ny fanombohan’ny andrana. Eo koa ny asa fametahana ny “cable” izay hitondra ireo “cabine”. Tsara ho fantatra, fa miisa 27 ireo “cabine” efa miantsona ao amin’ny gara Anosy ankehitriny. “Azo lazaina fa efa mandroso be kosa ny asa ho an’ny gara ao Anosy.” “ Pylone” roa no mbola tsy voapetraka ho an’ny gara Soarano makeny amin’ny La city. Ankoatra ny gara Soarano, efa manombaka ny fanamboarana ny gara eo amin’ny Coliseum, ny eo amin’ny La City Ivandry ary amin’ny alatsinainy no hanomboka ny ao Ambatobe”, araka ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH), Gérard Andriamanohisoa. Nambaran’ity farany fa anisan’ny antony tsy nahatratrana ny fahavitan’ny tetikasa tao anatin’ny Lalaon’ny Nosy, araka ny efa nambara mialoha, ny fahatarana tamin’ny fanatanterahan’ny orinasa ny asa. Teo koa ny fepetra 17 tsy maintsy arahina satria iankinan’ny ain’olona ny fampiasana izany, araka ny  fanazavana hatrany.

Fiovana Mpitondra?

Nanamafy ny Minisitra Gérard Andriamanohisoa omaly fa ny tetikasa teleferika dia misy famatsiambola efa neken’i Madagasikara, ary nandalo fankatoavana teny amin’ny Parlemanta. Noho izany, tsy azo everina ny ijanonan’ny tetikasa na iza na iza ho Mpitondra manaraka eo. Efa voafaritra, hoy izy, ny tetibola sy drafitra rehetra hanaovana ny asa dia manaraka an’izay fotsiny ny Mpitondra ho avy.

Notsiahiviny ny maha zava-dehibe ity tetikasa ity ho fanatsarana ny tontolon’ny fitaterana eto Antananarivo, izay efa tsy mifanaraka intsony amin’ny isan’ny mponina. Finiavana politika goavana, hoy izy, ny nametrahana ny tetikasa Teleferika, izay hanafaingana ny fifamezivezena eto an-drenivohitra, sy hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ary hiaro ny tontolo iainana. Firenena maro no efa mampiasa ity fitaovam-pitaterana ity, ary efa nahita tombony tamin’ny fampiasana izany. Ary tsy diso lalana i Madagasikara niditra amin’ny fametrahana ny teleferika ihany koa, raha ny fanazavany hatrany.

Fermer