PolitikaSongadim-baovao
FOTODRAFITRASA SY ZAVA-BITA MARO : Tsy miala amin’i Andry Rajoelina ny vahoakan’i Toliara
Tanaty hafaliana sy firavoravoana tanteraka no nandraisan’i Toliara ny kandidà Andry Rajoelina mivady, ny sabotsy lasa teo. Maro ireo distrika manerana ny Nosy fa i Toliara tsy nanaiky resy tamin’ny fandrosoana hoy ny kandidà laharana fahatelo, tamin’ireo fotodrafitrasa maro vita. Nahitsy ny vahoaka nanambara fa tsy miala amin’ny kandidà Andry Rajoelina noho ireo zava-bita maro tany an-toerana. Fanadihadiana…
Nigadona tao amin’ny Kianja Maître Kira Andaboly, afakomaly, tamin’ny 7 ora sy sasany, ny diabe lava dia lava notarihin’ny kandidà Andry Rajoelina mivady sy ireo vahoaka maro dia maro nitsena azy, teny amin’ny seranam-piaramanidina nialohan’ny fihaonany tamin’ireo vahoakan’i Toliara izay efa niandry azy nandritra ny ora maro. Anisan’ny toerana notsidihany matetika, hoy izy, i Toliara, na tamin’ny andron’ny tetezamita izany ary indrindra tanatin’ny fotoana nitondrany ny Firenena. « Hatramin’izay naha Toliara an’i Toliara, tsy mbola nisy fotodrafitrasa betsaka natao teto an-toerana, anisany efa natao ny fanamboaran-dalana. Maro ireo lalana nokasaina natao sy mbola hatao raha ny eto Toliara », hoy i Andry Rajoelina. Fotodrafitrasa goavana natao koa ny lalana RN 9 mampitohy an’i Toliara-Ifaty-Ankililaoka-Befandriana Sud-Ankatsakatsaka-Bevoay. Mbola tamin’izao fitondrana izao ihany, no nitady famatsiam-bola nahafaha-nanamboatra ny lalana ratsy be hatao tara na « goudron » hatrany Ambovombe -Toliara. Toliara no hatao ivon’ny fampandrosoana, rehefa nangataka famatsiam-bola tamin’ny Banky Iraisampirenena. Nanontany ny tena filana maika aho, hoy i Andry Rajoelina, dia tsy nanadino velively ny fampandrosoana ny faritra Atsimo sy Atsimo andrefana, fa indrindra ny eto Toliara. Anisany goavana koa ny lalana RN 10 izay lalantany hatramin’izay ka dia hatao goudron, mampitohy an’i Toliara-Andranovory-Ampanihy-Beloha-Tsihombe. Tsy nisy filoham-pirenena nanao asa maro toy izany teto hoy hatrany ny kandidà Andry Rajoelina.
Resaka hopitaly indray, efa tamin’ny 1904 no nisy hopitaly lehibe farany natao teto, noho ny fitsinjovana ny vahoaka anefa, nanangana hopitaly maro isika, hoy i Andry Rajoelina, ary tsy hadino i Toliara tamin’izany.
Tsy ilaina ny fampizarana ny samy Malagasy…
« Maro ireo distrika manerana ny Nosy fa i Toliara tsy nanaiky resy tamin’ny fandrosoana », hoy i Andry Rajoelina. Nisaorany manokana ireo olom-pirenena, ireo Raiamandreny Tokobe Telo, izay nanome tsodrano sy nanamafy ny firaisan-kina. Vonona aho, hoy ny kandidà Andry Rajoelina hanakaiky hatrany ny vahoaka, indrindra fa ny eto Toliara.
Rehefa tena fitiavana dia fitiavana no atao sy aseho, hoy izy, fa tsy miaro fihatsarambelatsihy. Nisaotra manokana ny solombavambahoaka Behaja ny kandidà Andry Rajoelina tamin’ny fanohanany ary nisaotra ireo solombavambahoaka rehetra tany Atsimo koa izy sy depiote 111 miaraka amin’i Andry Rajoelina.
« Tsy ilaina ny fampizarana ny Malagasy, tsy ekena ny fampisarahana sy ny fankahalana, fanavakavahana fa mamotika ny Firenena izany, izay voizin’ny sasany ankehitriny. Filoham-pirenena mampiray sy mampitambatra ny Malagasy no ilaina ary tokana dia ny kandida Andry Rajoelina no hametraka izany », hoy izy. Iray ihany ny Malagasy ary samy manana ny hasiny isika hoy i Andry Rajoelina. « Tsy fanavahana ara-poko, loko, fiaviana na finoana no hampandroso ny firenena. Malagasy manao fotodrafitrasa sady mampiray ny vahoaka no ilain’ny vahoaka. Nasehon’i Andry Rajoelina ny vahoakan’i Toliara i Olgina mivoy ny hira tsy manavaka ary nihirany ilay hira maneho tsy fanavahana. Mifono hafatra lehibe », hoy i Andry Rajoelina, iny hira iny ary mila mifankatia isika. Adidin’ny rehetra ny miala amin’ny fankahalana. Amin’izao fampielezan-kevitra izao, misy kandidà no manaratsy, kanefa adidin’ny mpitondra ny mampiray ny rehetra. Hijoro hampitambatra sy hampiray ny kandidà Andry Rajoelina ary hataony mamiratra sy mandroso i Toliara.
Fotodrafitrasa maro…
Betsaka ny zaza Malagasy ny mandeha tongotra rehefa mandeha mianatra. Nasongadiny fa nanamboatra efitranon-tsekoly 400 izy, hanampiana ny zaza tao Toliara, 2555 kosa ny mpampianatra noraisina ho Mpiasam-panjakana. Raha tamin’ny taona 2018, 84,55% ny vato azon’i Andry Rajoelina, amin’ity 2023 dia hirariana, hoy izy, ny hahalany azy eto Toliara amin’ny isam-bato 95%. Ity fifidianana ity hatao hanova ny tantaran’i Madagasikara ary hampandrosoana an’ i Toliara.
Amin’ny andro sarotra no tena ilaina ny fifanampiana. Tsy nitazam-potsiny isika, hoy izy, tamin’ny fotoanan’ny Covid sy rivodoza. Tonga matetika taty i Andry Rajoelina nametraka Tosika fameno, izay vary tamin’ny gony. Amin’ny fe-potoam-piasana manaraka, hitsinjo ny vahoaka sy ny tokantrano malagasy isika.
« Tsy fahefana no ilaiko, fa ny hanasoa ny vahoaka, ary tsy araka ny kasain’ny kandidà sasany. Betsaka ny famoronana asa efa natao. Tafiditra tao anatin’ny ODOF nametrahana ozinina sy fitaovana fanaoavana chips azo avy ovy, vomanga. Ankoatra ny orinasa fanaovana « patte », hoy izy. Goavana ny fanamby sy velirano hatao dia ny fanaovana orinasa hanamboatra simenitra, mba hanome asa ny tanora ao Toliara. Hatramin’izay naha Toliara azy, tsy mbola nisy fotodrafitarsa vita betsaka tahaka izao. Navoitrany fa namboarina ny Rocade 2,400 km Amborongony est, ny Lalana tara ao Andakoro 1 sy 2. Manomboka ny taona 2024, hatao amin’ny endriny vaovao i Toliara, amin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana rehetra ao an-tanàna. Ho vita goudron daholo ny lalana rehetra ao an-tanàna hametrahana ny endriny tena tsara.
Misedra olana ihany koa i Toliara rehefa vanim-potoanan’ny tondra-drano. Efa ao ny orinasa hanamboatra ny bizo, hoy izy, hivoahan’ny rano any an-dranomasina.
Mila fikarakarana sy fanarenana…
Sahirana i Toliara hatramin’izay tamin’ny fikarakarana taratasim-panjakana, toy ny fikarakarana fisotroan-dronono. Izany no nananganana ny « hôtel des finances », izay efa mitsangana eto Toliara ao Sanfil. Ny biraon’ny polisy koa dia efa tsy nisy, kanefa nahazo i Toliara, izay efa notokanana. Tsy misy Filoha nanao asa betsaka indrindra teto Toliara ankoatra an’i kandidà Andry Rajoelina. Manana morondranomasina tsara i Toliara ka hisy ny hotely betsaka hajoro. izay manome asa hampandrosoana ny sehatry ny fizahantany. Ny taona 1934 no nanana Seranam-piaramanidona i Toliara, ka hatao « aéroport international » izany ka afaka handray sidina avy any ivelany.
Ankoatra izay, anisany manahirana ny vahoaka koa ny fahapotehan’ny vahilavan’i Fierena. « Tsy maintsy amboarina izany satria efa azo ny tetibola hanarenana izany izay hatao hanara-penitra ». hoy izy.
Tsy niolaka izy nilaza fa mila mandresy lahatra ny ao an-tokantrano ny rehetra, hifidy ny 16 Novambra. Makà karatry ny mpifidy ka hifidy an’i Andry Rajoelina daholo ary « Premier tour » de vita. Fandrosoana no entina eto Toliara sy manerana ny Nosy. Mino sy manantena isika fa i Madagasikara dia tsy maintsy mandroso ary indrindra i Toliara, izay hatao mamiratra.
Rado Harivelo




