Non classé
ASA FAMPANDROSOANA: Hihazo ny tapany atsinanan’ny Nosy ny Filoha anio
Mitohy hatrany asa fampandrosoana ataon’ny Fanjakana, na eo aza ny krizy misy eto amin’ny Firenena.Taorian’ny Faritra Vakinankaratra, ny tapany atsinanan’ny Nosy iny indray no hotsidihin’ny Filohan’ny Repoblika manomboka anio. Fotodrafitrasa maro no hatsangana ao amina distrika telo. Tetikasa izay miompana betsaka amin’ny fanatsarana ny lafiny sosialy sy ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny…
Roso hatrany ny dia! Tsy voasakan’ny fandrabirabiana sy ny fingapingana isan-karazany ny Fitondram-panjakana ankehitriny fa miroso mankany amin’ny fanatanterahana ny vina hatrany. Taorian’ny Faritra Vakinankaratra mantsy, ny tapany atsinanan’i Madagasikara iny indray no hanaovan’ny Filoham-pirenena fitsidihana manomboka anio. “Dia”, izay haharitra roa andro. Araka ny fandaharam-potoana, anio no higadona ao Moramanga ny Filoha Rajoelina, miaraka amin’ny delegasiona tarihiny. Hisy, noho izany, ny fametrahana ny vato fototry ny Kianja manarapenitra, ho an’ny tanora ao Moramanga. Eo koa ny fanombohana ny fanaovana ny trano ho an’ny bekotro maro olatra ao an-toerana. Toy ireo tany amin’ny toeran-kafa, tsy ho diso anjara amin’ny fisitrahana ny “Vatsy Tsinjo” sy ny “Tosika Fameno” koa ny Distrikan’i Moramanga, araka ny fanazavana. Ho an’ny rahampitso, hizotra mankany amin’ny Distrikan’i Brickaville ny dian’ny Filoha. Toerana izay nanatanterahana ny fizarana “Panneaux solaire”. Hatomboka koa ny fanamboarana ny Epp manara-penitra ho an’i Brickaville, ary hapetraka ny vato fototry ny kianja manara-penitra. Hitohy any amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny lalan’ny delegasiona. Araka ny fantatra, hametrahana toerana fanabeazana fototra (Epp) any an-toerana. Havaozina hatao manara-penitra koa ny « Campus Universitaire » ao amin’ny Faritra Analanjirofo.

Tetikasa laharam-pahamehana
Niaraha-mahalala ny fahasahirana nateraky ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny tany sy ny Firenena. Betsaka no very asa sy tafalatsaka anaty fahasahiranana lalina, indrindra tany amin’ireo toerana tena nahitana ny valanaretina. Izany indrindra no anisany hanaovan’ny Fanjakana laharam-pahamehana ny fitondrana ny “Vatsy Tsinjo” sy ny “Tosika Fameno” ho an’ny Vahoakan’i Moramanga, mba hanalefahana ny fahasahiranan’izy ireo amin’izao krizy izao. Etsy ankilany, hataon’ny Fanjakana ho laharam-pahamehana koa ankehitriny ny fananganana fotodrafitrasa manarapenitra ho an’ny trano sekoly. Ny fitondrana nifandimby tokoa mantsy saika nanao ambanin-javatra ity sehatry ny fanabeazana ity, indrindra ny fananganana fotodrafitrasa. Kanefa, antoka hahafaha-mampiakatra ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika izany. Efa maro ireo toerana nametrahan’ny Fanjakana Epp Manarapenitra teto Madagasikara, ary izao mbola tohizana izao. Antenaina ny hisitrahan’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy Epp manarapenitra, mba hanomezana ainga vao indray ny fampianarana eto amintsika.

