PolitikaSongadim-baovao

MPIKAMBAN’NY HCC: Nandika lalàna Rasolo Nandrasana Georges Merlin

Niteraka adihevitra be indray nandritra ny tontolo andron’ny omaly ny fanambarana an-gazety nataon’ny Mpanolotsaina Avo iray eo anivon’ny  Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Nandrasana Georges Merlin Rasolo, izay nilaza fa tsy manaraka ny Lalàmpanorenana ny fanapahana navoakan’ny HCC nametraka ny Jly Ravalomanana ho Filoham-panjakana mpisolo toerana, ary tsy isan’ireo nankatoa izany ny tenany. Tsy misy fiantraikany velively amin’ny fampiharana ny didy navoakan’ny HCC mihitsy anefa ny tsy fitovian-kevitr’ireo samy mpikambana ao anatin’izany rafi-pitsarana izany, araka ny fanehoan-kevitry ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy. Zavatra fahita maneran-tany izany, hoy izy, rehefa anatina rafitra mandray fanapahan-kevitra iarahana, toy ny ao amin’ny HCC. Tsy voatery hitovy hevitra foana ny rehetra fa izay hevitry ny maro an’isa no ekena. Rehefa nandinika ny taratasy napetraky ny Jeneraly Ravalomanana ny HCC dia tsy niombon-kevitra tamin’izany ity mpikamban’ny HCC ity, ka tsy tonga nivory. Tranga ara-dalàna izany fa tsy tokony hanaitra.

Ny olana lehibe amin’ity raharaha ity, hoy ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy, dia ny tsy fanajan’ity mpanolotsaina Avo ity ny andininy faha-19 ao amin’ny fehezan-dalàna fitsipika amam-pitondrantenan’ny mpitsara. Voalaza ao fa ny Mpitsara dia tsy maintsy manaja ny fanapahankevitra noraisin’ny maro an’isa ao anatin’ny rafitra miara-manapaka, ary tsy afaka mamoaka ny tsiambaratelon’ny asa. Tsy mahazo manao fanamarihana amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Ary ny mpitsara dia tsy tokony hanakiana fanapahana ara-pitsarana navoakan’ny mpitsara mitovy aminy. Tsy anjaran’ny mpitsara, noho izany, no manao fanambarana an-gazety milaza fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fanapahan-kevitra iray, fa tsy maintsy manaja ny fanapahan-kevitry ny maro an’isa ny tenany.

Etsy ankilany, mbola voadika ihany koa ny andininy faha-5 ao amin’ny Hitsivolana 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 hanaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, izay manambara fa tsy mahazo maneho hevitra ampahibemaso ny hevitra ijoroany mahakasika ny raharaha tandrify ny fahefana ananan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny mpikambana ao amin’ny HCC mandritra ny fotoana haharetan’ny fanaovany izany asa izany, na koa mila hevitra momba izany raharaha izany. Izany hoe, raràn’ny lalàna mihitsy iny fihetsika nataon’ny mpanolotsaina avo iray eo anivon’ny HCC iny. Na izany aza, ireny tranga ireny no manaporofo fa misy ny adihevitra ao amin’ity rafi-pitsarana ity fa tsy araka ny voizina hoe ataon’ny Governemanta sy ny Kandidà iray saribakoly ireo Mpikamban’ny HCC.

Ny Fanoratana.

Fermer