PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA: Manameloka ny tetika hanakorontanana ny firenena
Miezaka hatramin’ny farany ireo Kandidà 10 manao izay tsy hisian’ny fifidianana amin’ny 16 novambra 2023 izao. Ny sabotsy izao no voalaza fa hanao amboletra hiditra etsy amin’ny Kianjan’ny 13 Mey izy ireo sy ny mpanaradia azy. Nanambara ny Governemanta omaly fa manameloka ny tetika manohintohina ny filaminan’ny firenena. Ary niantso ny rehetra mba hanaja ny fiandrianan’ny vahoaka sy ny fenitra demokratika.
Nibaribary tanteraka ny fikasana hanakorontana ataon’ireo Vondron’ny Kandidà 10 niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy ireo, tamin’ny sabotsy teo. Nifanaiky mantsy ireto kandidà tsy te hiroso amin’ny fifidianana ireto fa ho atao mafimafy kokoa ny tolona amin’ity herinandro ity, ary tsy hifarana izany raha tsy tonga eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey. Amin’ny sabotsy izao no voalaza fa hidiran’izy ireo amboletra eny an-toerana. Namoaka fanambarana omaly ny Governemanta fa maneho ny ahiahiny manoloana izao fanakatsakanana ny zotram-pifidianana ataon’ireo Kandidà 10 ireo izao. “Ny Governemanta dia manameloka tanteraka ny tetika hanohintohinana ny filaminan’ny firenena sy ny fiainan’ny firenena”, hoy ny fanambarana. Miantso ireo mpisehatra politika rehetra, araka izany, ny Governemanta mba tsy hanakorontana ny lafiny ara-toekarena sy ny ara-tsosialin’ny firenena.
Notsindrian’ny Governemanta fa efa nanana fahafahana naneho hevitra ireo Vondron’ny Kandidà tamin’ny alalan’ireo fidinana andalambe tsy nahazoana alalana nisesisesy tato ato, sy ny famoriam-bahoaka teny amin’ny Coliséum Antsonjombe. Ny fisisihana hiditra eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey, noho izany, dia endrika fihantsiana sy fandranitana mihitsy, ka tsy azo ekena, hoy hatrany ny Governemanta.
Miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka sy ny fenitra demokratika. Nanao antso avo manokana ihany koa ny Governemanta amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ireo Mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknikan’i Madagasikara, mba hitohy amin’ny fanohanany ny fanomanana ny fifidianana, izay manaja ny tetiandrom-pifidianana, mifanaraka amin’ny voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana.
Ny Fanoratana.




