PolitikaSongadim-baovao
VOAFEHY NY FANDRIAMPAHALEMANA : Hampandany ny kandidà Rajoelina ny vahoakan’i Matsiatra Ambony
Distrika maro tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony no nanohizan’ny kandidà Andry Rajoelina ny fampielezan-kevitra omaly. Nisongadina tamin’ireo distrika maro ny filazana fa nitondra fandriampahalemana tamin’ny distrika maro tany amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny kandidà Andry Rajoelina. Vonona, araka izany, ny vahoaka any an-toerana hampandany ny kandidà laharana fahatelo, amin’ny 16 novambra hoavy izao…
Teto Alakamisy Ambohimaha, Distrikan’i Lalangina no nanokafan’ny kandidà Andry Rajoelina ny fampielezan-kevitra, omaly maraina. Vao maraina, vory maro be teto amin’ny Kianja malalaky ny FLM ny vahoaka. Maro ny zava-bita tao nandritra ny fitondrana notarihin’i Andry Rajoelina. Anisan’izany ny Biraon’ny kaominina ao Lalangina tampon-tanàna sy Alakamisy Ambohimaha, ny Biraon’ny polisy sy ireo EPP Manarapenitra maromaro vao namboarina eny anivon’ny fokontany maro eto Lalangina. Anisan’ny nahazo tombony manokana ary mahatsapa tena niangarana manokana ny vahoaka, nandritra izay dimy taona izay, raha ny resaka fotodrafitrasa no resahina. Fa ny tena naharesy lahatra ny vahoaka hifidy ny kandidà laharana fahatelo, dia ny nahafaha-nifehy ny resaka tsy fandriampahalemana, izay nanjaka nandritra ny taona maro. Mila atao manakaiky vahoaka ny lafiny fandriam-pahalemana. Ny biraon’ny Kaomisaria tsy nisy teto, fa vitantsika ny nanamboatra izany ho manarapenitra. Milamina ny distrikan’i Lalangina ankehitriny. Foana ny asan-dahalo ary afaka mamboly sy miasa milamina ny mponina. Nanome tsodrano ny kandidà laharana fahatelo ny Raiamandreny tao Lalangina. Ny solontenan’ny fikambanam-behivavy kosa, nanambara fa 95% no vato homen’i Lalangina ny laharana fahatelo, fa ny 5% no hozarain’ireo mpitsivala-mandry. Tsy fihatsaram-belatsihy ny an’i Lalangina, hoy izy, fa tena fitiavana. Efa mandroso isika tsy mihemotra intsony ny fampandrosoana. Roso toy tsa mipody koa. “Misy ny zavatra nampijaly any Matsiatra Ambony iray manontolo. Ny omby no harenan’ny mponina aty. Tamin’ny 2018 tany, isaky ny mijery gazety, asan-dahalo no nanjaka. Natory an-tsaha ny vahoaka. Noho ny ezaka nataontsika, noresahina ny dahalo ka nanaiky namerina basy avokoa. Nomena fitaovana nambolena sy niompy. Basy 6000 no naverina taty Matsiatra Ambony. Tapitra hatreo ny asan-dahalo sy ny halatr’omby. 150 000 ny isan’ny omby taty tamin’ny 2018, izao tafakatra 220 000”, hoy izy.
Fampandrosoana…
Tsy maintsy atao tonga any amin’ny tokantrano tsirairay ny fampandrosoana. Tokony manampy vahoaka sy manakaiky vahoaka ny Mpitondra. Laharana fahatelo ihany no akaiky vahoaka. “Izaho dia hitondra ny hazavana. Raha niaina tao anaty haizina ny Malagasy, ao anatin’ny dimy taona manaraka dia hahazo fahazavana isan-tokantrano. Haiko ianareo fa mahay hoe fitia mivaly fitia. Rehefa eo ny fitiavana dia tanteraka avokoa izay rehetra atao”, hoy izy. Aza manaiky hakivian’ny olona fa rehefa manam-pitiavana ianao, tsy maintsy tanteraka ny fanirianao. Nasongadiny fa amin’ity fifidianana 2023 ity, rehefa mihoatra ny 55% ny vato omen’i Lalangina an’i Andry Rajoelina, hozaraiko “kits solaires” avokoa ny tokantrano rehetra tsy misy jiro. Mangataka anareo aho ampio, aho hahafahako manampy anareo hanavotra an’ity Madagasikara ity. Aminy 16 novambra mila mandeha mifidy daholo isika rehetra. Ataovy fitaratra amin’ny fifidianana ny laharana fahatelo eto Lalangina. Mila miambina ny birao fandatsaham-bato sy ny fanisana vato hatramin’ny farany, ny rehetra. Nanteriny fa tsy misy mihitsy amin’ny fiainana olona manana fankahalana handresy ny olona manam-pitiavana.
Hojerena manokana ny tanora sy ny vehivavy…
Distrika fahatelo notsidihin’ny kandidà laharana fahatelo i Vohibato. Feno hipoka ny kianja fanaovam-baolina tao amin’ny Kaominina. Noporofoin’i Vohibato fa tena tia an’i Andry Rajoelina. Nijaly tamin’ny resaka tsy fandriampahalemana sy asan-dahalo ny taty. Tsy ekeko ny hoe mbola hanjaka eto ny asan-dahalo. Ny omby no harena eto. Nametraka ny « Base Opérationnelle Avancée » na (BOA) isika. Ankehitriny, raha « zone rouge » foana ity taloha izao nihena be ny asan-dahalo. Ankoatra izay, « hopitaly 18 fotsiny no natao teto Madagasikara hatramin’ny fahaleovantena. Fa tao anaty dimy taona latsaka, dia 28 no hopitaly nataontsika. Tsy hadinoko i Vohibato ka nanaovako hopitaly manarapenitra ary efa vita izany, saingy fitaovana sisa no andrasana. Hitokana tsy ho ela io hopitaly io isika. Tsy maintsy ny tenako no hitokana anio miaraka amin’ny vahoakan’i Vohibato », hoy ny kandidà Andry Rajoelina. Betsaka koa ny mbola hataotsika raha fotodrafitrasa. Ny lalana tsy nisy nanao hatramin’izay dia isika izao no nanao azy. Ny RN 42 miala an’Ikalamavony hatraty Isorana tsy maintsy hamboarintsika. Amin’ny fe-potoam-piasana manaraka tsy maintsy hijery manokana anareo tanora, ianareo vehivavy sy fikambanam-behivavy, ny kandidà Andry Rajoelina. Ny fampandrosoana tsy natao teto dia hataontsika, hoy izy. Tsy maintsy ataontsika izay hampiakatra ny faripiainan’ny Malagasy. Tsy maintsy ataontsika izay hamotika tanteraka ny asan-dahalo, hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo. Hatomboka tsy ho ela ny lalana Talatan’Ampano hatrany Alakamisy Itenona, ary hotohizana hatrany Vinanikely. Hamboarina koa ny lalan’i Fianarantsoa mankany Mahasoabe.
Nitondra fandriampahalemana tao Isandra…
Tao Isorana, Distrikan’Isandra no nanohy ny diany ny kandidà laharana fahatelo omaly. Ny nahavitan’ny Fitondrana Rajoelina namerina ny fandriam-pahalemana no tena mahafaly ny mponina, ankoatra ny fahavitan’ny fotodrafitrasa marobe toy ny Gymnase ao Mahazoarivo, CSBII sy ny EPP. Vavaka nataon’ny Raiamandreny mpitandro avy ao amin’ny toby Soatanana no nanombohana ny fotoana teto. Tsy hadinon’Isandra ny nametraka eo ampelatanan’Andriamanitra ny fifidianana izay hatrehan’i Andry Rajoelina. Rehefa izany, tamin’ny alalany Sokela na kabary Betsileo avy any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony no nisaoran’ny solontenan’ny vahoaka ny kandidà laharana fahatelo. “Ianao no nitondra fandriampahalemana teto Isandra satria amin’izao, afaka mianatra ny mpianatra, afaka mamboly sy miompy ny vahoaka. Tsy misy intsony ny tebiteby ary salama ihany koa ny vahoakan’Isandra. Nahazo fitaovana iasana ny tantsaha. Teo koa ny “Camp gendarmerie” ao Mahazoarivo, ny Toby miaramila sy CSB ao Asandratrony, ny EPP manarapenitra ao Soatanana, ny biraon’ny kaominina ao Isorana, sy ny maro hafa. Tsy miala amin’i Andry Rajoelina Isandra ary hifidy anao 95%, mba hitohizan’izay asa soa be dia be vita izay”, hoy ny nambaran’ity renim-pianakaviana ity.
“Nitety distrika maro aho nitety an’i Madagasikara iray manotolo hatrany Avaratra hatrany Atsimo, hatrany Atsimo Atsinanana… Fantatro fa tian’ny Vahoakan’Isandra aho ary asehoko fa tiako koa ianareo. Mino aho fa tsy misy hahasakana ny sitrapon’Andriamanitra. Ary mino aho fa tsy maintsy handroso i Madagasikara”, hoy izy. Ny laharana faha-13 dia mitondra fahasoavana ho an’ny olona manam-pitiavana, fa mitondra faharesena sy loza kosa, ho an’izay mivoy ny fankahalana. Ny fitiavana ny vahoaka malagasy sy fitiavana hampandroso an’i Madagasikara sy amoron’i Mania ary Isandra no mahatonga ahy hirotsa-kofidina. Ny omby, ny fambolena sy ny fiompiana no harena aty. Marobe ny tsy natory tany an-trano intsony noho ny tsy fandriam-pahalemana. Faritra mena teto Isandra aminy tsy fandriam-pahalemana. Niverina ny fandriampahalemana satria nandefa miaramila sy fitaovana taty isika. Vitantsika ny fanamby ankehitriny niverina ny fandriam-pahalemana. Izay no nametrahantsika Base Opérationnelle Avancée. Toby miaramila goavana. Efa 40% izao ny asa no vita ary rehefa vita io dia hisy miaramila hijanona mandavantaona eto Isandra. Nanao fotodrafitrasa marobe isika tao anaty 5 taona. Ny fitondrana sy ny mpitondra mandalo. Ireo kandidà hafa, mbola misalasala mitady tetezamita fa tsy hanao fifidianana. Nanambara ny vahoakan’Isandra fa “tsy mila tetezamita fa hiroso amin’ny fifidianana. Tsy misy olona afaka hisakana ny safidim-bahoaka. Ny maro an’isa no mifidy filoha fa tsy ny vitsy an’isa”.
Rado Harivelo.




