PolitikaSongadim-baovao
KANDIDA ANDRY RAJOELINA : Nanova ny tantara tao Atsimon’ny Nosy, noho ireo fotodrafitrasa maro vita
Anisan’ny faritra niangaran’ny Fitondrana Rajoelina manokana nandritra ny dimy taona farany, ny faritra Atsimo. Porofon’ny maha laharam-pahamehana ny Atsimo ireo tetikasa goavana marobe namboarina tao, ary hanova tanteraka ny tantaran’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Raha tsy hilaza afa-tsy ny RN 13, ny “pipeline Efaho” sy ny nametrahana ny “Centre de Rééducation Nutritionnelle et Médicale” na ny CRNM, eo anivon’ny Distrika maro any amin’ny Faritra Androy sy Anosy….
Tao Tsihombe no toerana notsidihan’ny kandidà Andry Rajoelina voalohany, omaly. Ankoatra ilay toerana CRNM izay efa vita sy miavaka eo am-pidirana ny tanàna, dia misy ny Ivon-toerana momba ny fambolena, CEG manarapenitra, CSBII manarapenitra, sy lalana rarivato vaovao natao teo an-tampon-tanàna. Eo koa ny CSB II, ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Marovato, ny EPP manarapenitra, ao Faux-Cap ary ny ao amin’ny Kaominina Nikoly, misy ny BIF na Birao Ifoton’ny Fananan-tany. Nahazo Tranompokonolona koa ny ao Antaritarika. Ny Kaominina miisa sivy ao Tsihombe dia nahazo fotodrafitrasa avokoa. Vahoaka marobe no tonga nanotrona ny kandidà laharana fahatelo tao amin’ny kianja fanaovam-baolina ao Tsihombe. Tsodrano no nomen’ny Raiamandreny azy, raha vao nanomboka ny fihaonana. Nanambara ny fitiavany an’i Tsihombe sy ny faritra Atsimo no nanombohan’i Andry Rajoelina ny fandraisam-pitenenana. Noropofoin’i Tsihombe omaly, fa tia an’i Andry Rajoelina ny ao an-toerana. Hatramin’izay, i Tsohombe dia tsy nisy fampandrosoana fa nitoka-monina. Tsy misy lalana tara na iray metatra aza tao an-tampon-tanàna.
Manova ny tantaran’i Tsihombe…
“Tsy mety izany fa ovaintsika ny tantaran’i Tsihombe. Ato anatin’ny fon’i Andry Rajoelina i Tsihombe ary tsy maintsy hampandrosoina. Efa mandeha ny RN 13 amin’izao. Efa azo koa ny famatsiam-bola ary hanomboka afaka volana vitsy ny RN 10, izay lalana mandalo ao Tsihombe”, hoy izy. Lalan-tany izy io, hatramin’ny fahaleovantena. Lalana mandalo Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Ampanihy, Ejeda, Betroka, Andranovory ary hatrany Toliara. Mifampiankina ny fifankatiavan’i Andry Rajoelina sy ny vahoakan’i Tsihombe. “Tsy maintsy mitondra fampandrosoana ho an’i Tsihombe isika. Tsy mety amin’ny eritreritro hoe masira ny rano sotroin’ny mponina eto. Izay ny nandefasako ny fitaovana fanaovana fanalana masira taty. Mbola hampiana io fitaovana io”, hoy ny kandidà laharana fahatelo. Rehefa miresaka ny vahoaka aty Atsimo dia tsy fahampian-drano hatrany. Izay no nanaovana ny “pipeline”, tsy maintsy ampandehanina ny “pipeline” ao Ampotaka mpamatsy rano an’i Tsihombe sy Beloha. “Izay no nametrahantsika ny CRNM hanampiana ara-tsakafo ireo izay tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny vadiko ihany koa dia nametraka ny orinasa Nutrisud any Fort Dauphin”, hoy izy.
Filoha mitsinjo vahoaka…
Amin’ny andro sarotra no ahitana ny tena namana. Nandefa “caravane du Sud” isika nandritra ny fotoana sarotra niainanareo taty. Mila filoham-pirenena mitsinjo vahoaka sy manakaiky vahoaka i Madagasikara. Tamin’ireo filoha rehetra nifandimby teto, dia izaho no niverina imbetsaka indrindra taty Atsimo, hoy izy nanazava. Tsy misy afa-tsy kandidà iray ihany no tena tia ny Malagasy. Nifanao velirano i Andry Rajoelina sy ny vahoakan’i Tsihombe fa hiaraka sy hifanome tanana hanova ny tantaran’i Madagasikara. Nanolotra “kits solaires” ho an’ny Raiamandreny vitsivitsy, izay voafantina teto ny kandidà laharana fahatelo, ho fanombohana ny fizarana “kits solaires” ho an’ny vahoaka eto Tsihombe.
Fanamby goavana…
I Latimer Rangers no Raiamandreny nisolo tena ny vahoaka tao Antanimora nanome tsodrano an’i Andry Rajoelina. Tamin’ny 1929 vao nisy sekolim-panjakan atao an-toerana, noho izy ireo nanohitra ny fanjanahantany. “Olona tia tanindrazana ny vahoaka eto Antanimora”, hoy i Latimer Rangers. Raha nandray fitenenana kosa, ny kandida Andry Rajoelina, nanambara fa betsaka ny Filoha nifandimby nitantana an’i Madagasikara fa iray ihany no tena tia ny vahoaka eto Atsimo. Notsiahivin’i Andry Rajoelina fa vantany vao lany izy, dia taty no toerana notsidihiny voalohany. “Ato am-poko ary tsy maintsy avotako ny vahoaka aty. Nitoka-monina hatramin’izay ary hadino i Antanimora. Maro ny tsy mahalala ny fisiany akory. Izaho tsy mba manavakavaka fa raha nisy filoha nandeha imbetsaka taty Atsimo dia izaho satria akaikin’ny foko ianareo”, hoy ny kandidà laharana fahatelo.
“Nanao fanamby aho fa ny zavatra tsy vita tao anaty enimpolo taona no hataontsika. Anisan’izany ny “pipeline” lehibe miala any Efaho ka tsy maintsy mahazo rano koa ianareo eto. 97 km io. Afaka mamboly sy miompy ary hahaleo tena ny vahoaka aty Atsimo iray manontolo”, hoy izy. Izany no atao hoe fampandrosoana. Ny RN13 tsy nisy nanao hatramin’izay. Amin’izao, efa mandeha ny asa ary mandraraka “goudron”. Tsy ho ela dia hotokanantsika. “Raha fampandrosoana sy fanamboarana lalana ary fitsinjovana ny vahoaka sy manakaiky vahoaka, dia fantatrareo fa iray ihany dia i Andry Rajoelina. Mbola hataontsika koa ny RN10. Ao anatin’ny sarotra no ahafantarana ny tena namana”, hoy hatrany ny kandidà Andry Rajoelina. Tonga taty aho nanome tosika fameno, hoy izy, ny vonjy aina sy ny sisa. Ny fampandrosoana sy ny fotodrafitrasa rehetra tsy nisy teto dia hataoko ho anareo.
Tsy maintsy vitaina ny tetikasa…
Tery dia tery ny fotoana satria distrika dimy no notsidihana omaly. “Tsy maintsy nandalo teto Amboasary aho satria fantatr’i Amboasary ny fitiavako an’i Amboasary ary fantako koa ny fitiavan’Amboasary ahy. Tsy fanao ny mandalo tanana misy havana”, hoy i Andry Rajoelina. Betsaka ny filoha nifandimby fa anankiray ihany ny tena namanareo ary anankiray ny tena hampandroso an’Amboasary. “Tsy eken’ny saiko fa vao miresaka ny faritra Atsimo dia kere, tsy misy rano, tsy misy jiro no resahina. Ny vahoaka eto dia tia miasa fa miandry mpitarika fotsiny, mba hitari-dalana azy. Izaho mijoro ary manolo-tena hitarika anareo sy hampandroso anareo”, hoy izy.
Efa manamboatra ny pipeline lehibe miala ao Taolagnaro isika, mandalo eto Amboasary ary hipaka hatrany Ambovombe. “Misy miteny hoe mbola tsy mandeha ny asa ao. Efa mandeha ary efa ao Fort Dauphin ny sambo mitondra ny fantsona hanaovana izany. Ho tonga eto aho hiaraka aminareo rehefa hitokana izany. Ny tenin’ny Soratra Masina milaza hoe: izay natomboka dia tsy maintsy faranana. Tsy maintsy isika no mamita anio tetikasa goavana io”, hoy izy. Tsy honohono intsony hoe handeha ny fanamboarana ny RN13. Raha taloha Amboasary – Taolagnaro dia 4 ora, izao efa adiny roa no anaovana azy ary rehefa vita goudron io dia adiny iray.
Maneho fitiavana hatrany…
Tao Ambovombe, feno hipoka ary tsy antonona ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo, ny kianja manarapenitra eto an-toerana. Rakotry ny volomboasary tanteraka ny tanàna. “Noporofoin’ny vahoakan’Ambovombe fa tena tia ary manohana an’i Andry Rajoelina ny vahoaka eto”, hoy i Andry Rajoelina raha nandray fitenenana. Efa teto izy taminy fampielezan-kevitra 2018. Fantatry ny vahoaka eto Ambovombe fa i Andry Rajoelina dia mankatia sy tena tia ny vahoaka aty Atsimo sy aty Androy. Izay mamangivangy tia havana. Tanàna lavitry ny fampandrosoana ity taloha, fa hatramin’ny nitondrany, izay fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka natao tao avokoa. Ny RN13 dia tsy nisy nieritreritra hatramin’izay, fa Prezidà iray ihany no hahavita anio dia i Andry Rajoelina. “Matoa aho mbola kandidà androany, dia noho ny fitiavana. Izay no mibaiko ahy. Tsy fahefana no tadiaviko fa ny fitiavana ny vahoaka malagasy. Ny fampandrosoana tsy hita teto hatramin’izay nataontsika daholo. Miala eto Ambovombe hatrany Taolagnaro tsy maintsy ho vita “goudron” iray manontolo. Efa handeha ny goudron”, hoy izy.
Rado Harivelo.




